Filtrer les éléments par date : mardi, 09 juin 2020

Nivoitra io omaly alatsinainy 8 jona nandritra ny fiatrehan’i Zasy Michael Angelo, Minisitra Lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ireo Loholon’i Madagasikara, tao amin’ny Lapa maitso Anosy. Nilaza izy fa « nafindra amina toerana hafa ny fanatanterahana izany, izay mbola eo andalam-pitadiavana izany toerana izany amin’izao fotoana izao ».

Publié dans A la Une

Nitrangana vaky fasana tao Berano, Antsalova ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 7 jona 2020. Mponina miambina vary eny an-tsaha amin’ny alina no naheno feon-javatra nidobodoboka sy nahatsikaritra dimy lahy mitam-piadiana teo ampanilihana vato amin’ny fasana, ka ireo no nampandre ny miaramila.

Niditra an-tsehatra ny miaramila sy ny Fokonolona vao nahazo fampandrenesana. Tra-tehaka teo ampanokafana razana ireo olon-dratsy, ny alahady tokony ho tamin’ny 2 ora maraina.

Nisy ny fifampitifirana ka maty tamin’izany ny 2 tamin’ireo dahalo, raha toa ka vaky nandositra ny 3.

Tsy nisy taolambalo very rehefa natao ny fanamarinana.

Nanomboka ny taona 2019 no nampirongatra indray ny vaky fasana tamin’iny Distrika Antsalova iny, ary fasana aman-jatony no efa lasibatra tamin’izany. Ireo fitaovana sarobidy ampanarahana ny maty toy ny volamena, volafotsy, … no tena robain’ireo mpamaky fasana.

 

Publié dans Vaovao

Nanao fampahafantarina ny Governora Faritra Analamanga fa hiverina hisokatra manomboka ny Alarobia 10 Jona izao ny Centre d'Immatriculation (CIM) Ambohidahy-Antananarivo ho an’izay manandraharaha ao.

Hisy ny fepetra ara-pahasalamana ho arahina amin'izany.

 

 

Publié dans Tselatra

Box na toeram-pivarotana maromaro no noravan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra teo Soarano sy Analakely. « Miorina eo amin’ny toerana tsy azo anorenana, izay natao ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara » ireo hoy ny Ben’ny tanàna.

Ity farany izay nanamafy fa « ara-dalàna ny fanatanterahana izany satria efa nampandrenesina mialoha ireo mpivarotra araky ny fe-potoana voalazan’ny lalàna. Tonga nanatrika teny an-toerana ihany koa ny Vadintany ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Taty Farafangana, renivohitry ny Faritra Atsimo Atsinanana no niseho ity fanodinkodinana « Vary mora » ity. Nitaky ny hanokafana fanadihadiana mahakasika izany ny RNDC (Réseau National de Défense des Consommateurs), fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa tarihin’i Rabentsara Lita, amin’ny alalan’ny solontenany aty Farafangana ny 22 may 2020.

Olona miisa fito no voarohirohy amin’ity raharaha ity, ka lehilahy ny efatra ary vehivavy ny telo. Tale iraisam-paritra ny iray miaraka amin’ny vadiny sy ny anabaviny, « Assistant Parlementaire » ny telo ary mpivarotra mpamongady.

Nisy ny tsindry samihafa, tao ny nanao izay hampandamoka ny raharahara, ny hafa nitaky ny hivoahan’ny marina. Niakatra Fampanoavana omaly alatsinainy 8 jona ny raharaha, ka tazomina amponja vonjimaika avokoa ireo olona miisa fito voarohirohy tamin’ity fanodinkodinana « Vary mora » taty Farafangana ity.

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina ny 08 ka hatramin’ny 16 Jona, haharitra fito andro, ny fanadinana ara-panantanjaha-tena BEPC eto amin'ny CISCO Antanifotsy DRENETP Vakinankaratra.

Miara-mientana amin’ny fanatanterahana izany ireo mpitondra isan'ambaratongany eo amin'ny Fanabeazana sy ny mpitandro filaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

9 juin: Journée Internationale des Archives.

 

Publié dans Fil info

9 juin: Journée mondiale du bien-être.

 

Publié dans Fil info

Eken'ny rehetra fa ny fiaraha-monina dia misy sokajiny avy, ao ny manana, ao ny antoniny, izay efa mihavitsy, ary ao ny mahantra.

Ny politikam-panjakana hatramin'izay taona maro nifandimby izay anefa, dia ny mampitatao hetra ho an'ireo manana sy antoniny hatrany, ampandehanana ny asam-panjakana sy anampiana ireto mahantra.

Hita ohatra izany amin'ny faktiora Jirama, ambany vidy ny 1ère tranche hitsinjovana ireo mahantra sy kely fidiram-bola, izay mazava ho azy fa kely fandaniana jiro sy rano.

Ireo manam-bola kosa izay betsaka fandaniana dia tafiditra any amin'ny 2ème tranche sy Tarif 16 mihitsy ka dia mandoa lafo.

Publié dans Editorial