Filtrer les éléments par date : dimanche, 07 juin 2020

4 248,85 Ariary no takalon’ny 1 Euro, ary io no fitontonganana be indrindra niseho tato anatin’ny iray volana izao.

 

Publié dans Economie

Teratany Malagasy miisa 164 niasa tany Koweït no nekena hody an-tanindrazana. Miisa 164 izy ireo no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato rahampitso Alatsinainy 8 jona tolakandro.

Hatoka-ponenana avy hatrany izy ireo ka hotely roa no hametrahana sy hanaraha-maso ara-pahasalamana azy ireo mandritra ny 14 andro.

Ny OIM (Organisation internationale pour les migrations) sy ny OIT (Organisation internationale du Travail) no nanamora ny fampodiana azy ireo an-tanindrazana.

Publié dans Vaovao

Nanolotra voninkazo ho an'ireo renim-pianakaviana teto Toamasina ireo vehivahy mpitandro ny filaminana amin'izao fankalazana ny fetin'ny reny izao, ary arotava ho an'ireo olom-pirenena ho fiarovana azy ireo amin'ilay valan'aretina Covid-19.

Nialoha io hetsika nitetezana tanàna io dia nahazo anjara voninkazo sy arotava ho azy ireo teo anoloan'ny Lapan'ny tanànan’i Toamasina ny lehilahy ao amin’ny Tafika, Zandary sy Pôlisy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Hazo sarobidy 300 isa notaterina botry iray no saron’ny mpanao fisafoana tao Anorotsangana, Distrika Ambanja nifarimbonan’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy ny avy amin’ny prefektiora, ny fikambanana ary mpitandro ny filaminana.

Nogiazana ao Ankify ilay botry ary efa ampanaovana ny fanadihadihana ny tompon'andraikitra amin’izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanohina ny fon’ny maro, niteraka hatezeram-bahoaka tany Etazonia mihitsy aza, ary nampisy hetsika tamina tanan-dehibe maro sy firenena hafa koa ny herisetra nataon’ny Polisy amerikana iray tamin’i George Floyd, lehilahy mainty hoditra, ka nahafaty an’ity farany.

Noho iny tranga iny dia nanapa-kevitra i Michael Jordan, kintan’ny baskety amerikana, fa hanolotra 100 tapitrisa dolara ao anatin’ny folo taona ho avy hanohanana ireo fikambanana samihafa miady amin’ny tsy fitoviana, ka hanana anjara toerana lehibe amin’ny hampiasana io vola io ny fanabeazana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nandray fanapahan-kevitra ny sekoly tsy miankina eto Sambava fa hiverina hianatra ny kilasy manontolo manomboka amin'ny Alatsinainy 8 jona ho avy io araka nambara tao anaty fivorian’ny Ray aman-dreny izay totoafo samy nanao ny azy ny sabotsy 06 jona.

Samy manana ny paikadiny ireo sekoly, ao ny hizarana ny mpianatra ka ao anatin'ny herinandro dia in-telo miverina any an-tsekoly, ao ny nandray fanapahan-kevitra fa ny Ray aman-dreny ihany no mandray ny « devoir » dia any an-trano ny ankizy no manao azy, ao kosa ny nanapa-kevitra fa ny mpampianatra no hitsinjara isan-trano alefa isaky ny kartie dia mifanome fotoana amin’ny tokantranon’ny Ray aman-dreny fa tsy any an-tsekoly no manao « cours ».

Publié dans Vaovao

Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ny sabotsy 6 jona 2020 i Be-Rija Ravelomanantsoa sy ireo olona efatra nosamborin'ny Sampana manenjika ny fandikan-dalàna amin'ny habaka (Cybercriminalité) ary notazomina teny amin’ny Sampana fikarohana momba ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena Fiadanana, nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana ity.

Publié dans A la Une