Filtrer les éléments par date : vendredi, 05 juin 2020

La France par le biais de l’Agence Française de Développement a octroyé au Gouvernement Malagasy, à travers le ministère de la Justice, un financement de 5 millions d’euros (20 milliards d’Ariary). Entrant dans le cadre du projet d’appui au secteur pénitentiaire, la convention a été signée ce jeudi 04 juin au ministère de l’Economie et des Finances, entre le ministre Richard Randriamandrato et l’Ambassadeur de France à Madagascar Christophe Bouchard.

D’une durée de 5 ans, ce projet comporte deux composantes, dont la première, d’un montant de 4,5 millions d’euros, est destinée au financement des projets mis en œuvre par des organisations de la société civile (OSC) après un appel à projet à lancer par le ministère de la Justice à l’endroit de ces OSC pour les besoins essentiels de l’administration pénitentiaire.

Publié dans Sociale

Nanao fanadihadiana mikasika ireo voka-dratsy nateraky ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 tamina orinasa tsy miankina miisa 216 ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) ka fantatra tamin’izany, araka ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, nentin’i Ravalomanda Andry Tiana, Tale jeneralin’ny EDBM tao amin’ny Antenimierandoholona, ny alakamisy 04 jona 2020, fa betsaka no nampiato vonjimaika ny orinasany, ao koa ireo tena nanakatona tanteraka.

Amin’izao fotoana izao dia nambarany fa nidina hatrany amin’ny 91% ny «Chiffres d’affaires» an’ireo orinasa ireo, mahatratra 27% ny tahan’ny fandroahana mpiasa. Efa miisa 10 600 ireo mpiasa voaroaka tamin’ny asany amin’izao fotoana izao, raha 60% amin’ny sehatry ny lamba, tamin'ireo orinasa tsy miankina 216 nanaovana fanadihadiana.

Nolazaina fa ny sehatra anabakabaka, ny fizahantany, ny ara-toeram-pisakafoana (restauration), ny fitaterana ary ny sehatry ny ara-indostria no tena tra-pahasahiranana amin’izao fotoana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Namoaka fanambarana ny Jirama alakamisy 04 jona fa ho fanalefahana ny vesatry ny fandanian’ny mpanjifa izay anaty fihibohana eto amin’ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Alaotra Mangoro dia nampiakarina ho 50 KwH ny fetran’ny « 1ère tranche » ho an’ny mpanjifa mampiasa ny « Tarif 14 », raha toa ka 25 KwH izany teo aloha.

Ho fanatsaràna ny fandraisana ny mpanjifa ihany koa dia manomboka amin’ity volana Jona ity ny fampiharana ny faktiora isan’andiany na ny « Facturation par lot » eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Nozaraina ho andiany ny mpanjifa eto amin’ny tanànan’Antananarivo ka samy hanana ny vanim-potoana handraisany sy hanefany ny faktiorany manomboka amin’ity volana Jona ity. Fandaniana tao anatin’ny 30 andro nodiavina izany.

Publié dans Vaovao

Tsy mitsahatra ny mitaky ny hamerenana ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal, hitondra ny FJKM Merimanjaka Fiderana, ireo mpino marobe ao an-toerana. Na ireo vitsivitsy nisalasala teo aloha aza, nanatevin-daharana azy ireo. Resy lahatra fa tsy nisy antony tsy tokony nandraisan-tanana ny Mpitandrina Rafanomezantsoa Pascal tao amin’ny ity fiangonana ity, na ny voafaritry ny foto-dalàna sy fitsipika, na ny fitantanana nataony sy ny fitondran-tena.

Nasehon'ireo mpino marobe ireo tamin’ny alahadin'ny Pantekôsta teo, fa ny Fanahy Masina no mirotsaka amin’ity fiangonana ity, fa tsy fanahin-devoly. Niditra in-telo ny fiangonana, nisy ny tsipaipaika, niarahana nanao sakafo iombonana.

Ny samy Kristiana ihany no nifandamina nanatanteraka ny litorjia, satria tsy eken'izy ireo marindrano ny fanendrena ny Pasteur Rakotoarison Zouzou hitandrina ao. Mahatsapa izany rahateo ity Mpitandrina teny amin’ny FJKM Anjomakely ity, ka rehefa voasakana indray mandeha tao, dia tsy nipoitra tao amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana, ny alahady teo.

Publié dans Art et Culture

Saron’ny Polisim-pirenena eto Tolagnaro ny jiolahy telo niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy miisa roa miaraka amin’ny bala. Teo ampiomanana hanao fanafihana mitam-piadiana izy ireo no tra-tehaka, niainga tamin’ny loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo voarain’ny Polisy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
vendredi, 05 juin 2020 11:38

05 juin

Journée Mondiale de l'environnement.

 

Publié dans Fil info

Raha mbola vao miandoha ny fiarahana, indrindra ho an'ny tanora, dia hifampizarana avokoa ny zavatra rehetra, ampahafantarina ny ankilany daholo ny zavatra natao, hifampitantarana avokoa ny lasa sy ny fiainana tany aloha, iza avy no sipanao talohako... eny hatramin'ny code fb sy ny mail ary ny téléphone ary code carte bleue aza ny an'ny sasany.

Tsy misy maharatsy an'izay raha izay no hisian'ny fifampitokisana sy ny fifankatiavana misimisy hatrany.

Ny fiainana anefa samy manana ny tantarany avy, samy nanana ny lalany avy, ary mety misy ihany koa ny mety hisarahana.

Publié dans Editorial