Filtrer les éléments par date : lundi, 29 juin 2020

Trondro lehibe amin’ny karazany antsoina hoe : « mérou » no azon’ny mpanjono niandriaka tany amin’ny faridranomasin’i Ramena, Antsiranana II ny alahady 28 jona 2020. Gaga ny olona nahita an’ity hazandranomasina goavambe ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Kamiao iray feno entam-barotra hizotra mianandrefana manaraka ny lalam-pirenena voalohany no nirehitra, tsy lavitra ny toby mpaninjara solika eo ampivoahana ny tanànan’i Imerintsiatosika io hariva io. May kila hotohoton’ny afo ilay kamiao sy ny entana tao anatiny. Nanampy trotraka ny fisian'ny solika, tamin'ireo entana tao anatiny, ka nampiitatra ny firehetana. Tsy nisy aina nafoy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Namoizana ain’olona iray ny tolon’omby tao Tsianindohany Fokontany Maroparasy, Ambalavao Tsienimparihy, nentina nankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Voatsindrin’ny omby avy nitroatra ny iray tamin’ireo mpisavika, ka izay no voalaza nitarika ny fahafatesany.

Fanatanjahantena ny tolon’omby na savika, ary ny faritra Betsileo no tena ahitana azy io.

 

Publié dans Tselatra

Manoloana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izay mahazo ny hopitaly iasan'ireto mpianatra mpitsabo, nefa tsy misy fitaovana fiarovana azon'izy ireo, tsy misy indemnité, nefa dia miasa andro aman'alina, ka rehefa nifampidinika maharitra tamin'ireo tompon'andrikitra nefa tsy nisy vahaolana mazava naroso, dia nitokona androany ireo mpianatra ho dokotera 7è-8ème année, mitaky ny anomezana fitaovana fiarovana azy ireo, mitaky ihany koa ny indemnité izay efa nampanantenain'i Filoham-pirenena hoy hatrany izy ireo.

Tsy hiverina hiasa ireto farany raha ny angom-baovao raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo.

Ny Bloc fandidiana ao amin'ny HJRA amin'izao dia mbola mihidy, fa ireo marary mafy ihany no raisina ao, ary mbola diovina ny toerana satria mihanaka ny valanaretina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tamin'ny herinandro lasa teo dia nakatona mihitsy ny Bloc Operatoire n'ny Hopitaly HJRA noho ny valanaretina Covid-19 nahazo ireo mpiasa tsy ampy fitaovana fiarovana.

Publié dans A la Une

Miakatra hatrany ny isan'ireo voan'ny Covid-19 maneran-tany, tafahoatra ny 10 tapitrisa ankehitriny ireo mitondra ny tsimokaretina, ary 500 000 ireo lavo.

Etats-Unis no lohalaharana ankehitriny, 2 500 000 mahery ireo voa, 127 000 ny maty.
Brezila no manaraka azy eo, 1 345 000 no voa, 57 000 no maty.

Ny any Eoropa, efa nidina ny isan'ireo voa, fa atahorana hirongatra indray izao ny andihany faharoa, izay heverin'ny mpandinika fa ho mafy noho ilay andihany voalohany raha tsy voafehy.

 

Publié dans Tselatra

Mitohy hatrany ireo fepetra efa nisy nandritra ny hamehana ara-pahasalamana teo aloha amin'ny 15 andro manaraka.

Tsy miova ny fepetra mikasika ny faritra Analamanga, hamafisina ny fanantanterahina izany.

Alefahana ny fepetra ao amin'ny distrikan'i Toamasina I sy II, Moramanga ary Fenoarivo Atsinanana. Noho izany dia afaka miasa daholo ny rehetra hatramin'ny 5 ora hariva ary ny fitaterana rehetra dia mifarana amin'ny 7ora hariva.

Miverina mianatra ny alakamisy ho avy izao ireo mpianatra miatrika fanadinam-panjakana, saingy hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.

Tsy mbola misokatra ny zotra nasionaly ary hamafisina ny "barrage sanitaire" .

Ankoatran'ny faritra hafa dia mbola mitohy ny "couvre feu" manomboka amin'ny 10 ora alina hatramin'ny 4ora maraina ao amin'ny faritra Analamanga sy ireo distrikan'ny Toamasina I sy II, Moramanga ary Fenoarivo Atsinanana.

Publié dans Politique

Maro ireo karazana angovo, azo avy amin'ny herin'ny masoandro, rano, rivotra, hafanana, solika. Fa ao ihany koa ny azo avy amin'ny nokleary.

Inona no antsoina hoe nokleary

Tsy vahiny amintsika ny baomba nokleary izay nalatsaky ny Amerikanina tany Hiroshima sy Nagasaki tany Japon ny taona 1945, izay nampijanona ny ady lehibe faharoa.

Ny akora tsirairay raha zaraina faran'izay madinika dia misy ny atao hoe atome, izany hoe akora faran'izay madinika tsy azo vakivakiana intsony.

Io atome io anefa dia misy ny noyau eo afovoany, izay ny protons no mandrafitra azy, mitondra herinaratra mihabo izy io, charge positive (+) sy neutrons izay neutres ny herinaratra eo aminy,

Misy akora toa ny hydrogène no tsy manana neutrons, antsoina hoe isotope io noyau io.

Publié dans Editorial