Filtrer les éléments par date : mardi, 23 juin 2020

Setroka nanaka-danitra no nanaitra ny mponinan’Antananarivo nanomboka ny fiafaran’ny tolakandro teo. Nitrangana haintrano goavana teny amin’ny faritra Vatobe 67ha, Boriborintany Voalohany, Antananarivo Renivohitra. Trano hazo ny ankamaroan’ireo nirehitra.

Nanao izay ho afany ny Fokonolona amin’ny famonoana ny afo.Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana.

Mba hisorohana ny mety ho fihitaran’ny loza dia niroso tamin’ny fanapahana ny herinaratra eny an-toerana ny JIRAMA.

Nidina nijery ny fahavoazana teny an-toerana sy nitondra fanampiana vonjy aina ho an’ireo traboina ny solontenam-panjakana sy ny teo anivon’ny Governoran’ny faritra Analamanga.

Nampahery ireo niharam-boina ihany koa, indrindra ireo fianakaviana namoy havana tao anatin’izao haintrano izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tany ampiandrasam-paty tao Ambalamasy ny tompontrano no nanararaotra nitsofoka ilay tovolahy nanao ny asa ratsiny. Nisy nahatsikaritra anefa io fidirany io ka ireo no niantso vonjy.

Tsy lavitra teo ny andrimasom-pokonoloa ka nifarimbonana nisambotra an’ilay tovolahy. Tsy nahita irika nivoahana ny trano izy, izay efa nahazo ny finday izay sendra tao an-trano.

Nosatrohin’ny Fokonolona fehiloha tsilo izy mba hilazany ny marina. Matetika isehoana halabotry rahateo ao amin’io faritra io. Tsy nety nilaza ny marina izy ka dia nentina tany amin'ny biraon’ny Fokontany mandram-pahatongany Polisy, izay tonga nisoroka ny fitsaram-bahoaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Niala teto Mahajanga ny fiafaran’ny tolakandro teo ry Zoto efa-mianaka sy ny fianakaviany, hitondra ny nofomangatsian’i Alphonsine, vadiny, hiazo an’i Manakara handevenana azy.

Nodimandry ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 22 jona 2020 i Alphonsine, noho ny aretina tampoka nahazo azy raha hiazo an’i Mahajanga izy ireo ny sabotsy teo.

Milaza ny mbola hanohy ny fitetezana an’i Madagasikara i Zoto efa-mianaka aorian’ny fandevenana any Manakara. Hiverina haka entana ao Mahajanga avy eo hitodi-doha miazo an’Antsiranana amin’ny bisikilety sy an-tongotra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Fanofana fiara ho any Toamasina hitaterana fitaovana fitsaboana ilay valan'aretina Covid-19 no nahitany fiara Sprinter iray, sy nifanarahany tamin’ny mpamily. Rehefa tonga tao amin'ny hotely iray tao Toamasina ilay rangahy sy mpamily ny fiara ary ny mpanampy azy dia niara-nahandro sakafo ary niara-nisakafo ; teo no nanararaotan'ilay rangahy nanomezana fanafody fampatoriana an'ilay mpamily sy ilay mpanampy azy ka tsy tafafoha intsony ireto farany raha tsy ny ampitsony iny. Ny fiara sy ny taratasin'ny fiara kosa dia efa noentin'ilay rangahy nitsoaka niaraka tamin'ny finday an'ireo roalahy.

Nametraka fitoriana tany amin'ny Polisy sampana heloka bevava sakelika fahatelo moa ny tompon'ny fiara ka raikitra ny fanadihadiana.

Publié dans Vaovao

Ho fiarovana ny tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19 no voalaza fa nandraisana ny fepetra sy fandaminana fa tsy hatrehan'ny Vahoaka ny matso ho tanterahina ny 26 jona 2020 eny Analakely ho fanamarihana ny faha 60 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara fa ho arahina mivantana amin'ny haino aman-jery.

Tsy azo ivezivezena eo amin'ny Araben'ny fahaleovantena sy ny manodidina (Antanimena, Behoririka, Ambodifilao, Ambohijatovo, Antaninarenina, Ambatonakanga, Amparibe, manodidina ny farihin'Anosy, Ampatsakana, Tsaralalàna, Ampasamadinika) ny 24, 25 ary 26 jona.

Mikatona avokoa ny tsena rehetra (Pochard, Petite Vitesse, Pavillon...), magazay, toera-pilanonana, ny sekoly, ny birao ary ireo toerana rehetra mety hampitangorona olona ao anatin'ny faritra voalaza.

Hanenika ny tanàna ny mpitandro filaminana hampanaja ny lamina voafaritry ny didim-pitondrana mandrindra ny fifamoivoizana sy ny fivezivezen’ny olona.

 

 

Publié dans Politique

Renim-pianakaviana iray, 48 taona, no hitan’ny olona nitsirara tao amin'ny toerana atao hoe Andapihely Kaominina Ampandriakilandy, Distrika Antsohihy ny alatsinainy 22 jona 2020 tokony ho tamin'ny 06 ora hariva.

Nidina nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny Ben'ny tanàna sy ireo Zandary ao amin'ny « Poste Fixe » Ampandriakilandy miaraka amin'ny dokotera ao an-toerana. Mbola niaina ilay ramatoa, saingy teny an-dalana hamonjy ny tobim-pitsaboana dia tsy tana intsony ny ainy.

Nahitana dian-kapoka sy fira famaky teny amin'ny lohany ary tapaka ny tanany havanana.

Manan-janaka roa mianadahy ity renim-pianakaviana ity, izay mpamboly no asany. Avy niasa tanimbary ka teny an-dalana namonjy fodiana izy no niharan'izao herisetra izao.

Mandeha ny fikarohana ny nahavanon-doza ifarimbonan’ny Fokonolona sy ny Zandary.

 

Publié dans Vaovao

Le Laboratoire d’Analyses Médicales Malagasy (LA2M) est désormais opérationnel. Ce laboratoire épidémiologique est le premier laboratoire malagasy à effectuer le dépistage de toutes les maladies épidémiques telles que la peste, le choléra, la tuberculose, le paludisme, le VIH-SIDA, etc.

« L’inauguration de cette nouvelle infrastructure démontre que la santé de la population est primordiale pour l’État malagasy » a déclaré le Président Andry Rajoelina lors de la cérémonie ce 23 juin 2020. Il s’agit également de la concrétisation du cinquième « Velirano » du Président de la République, à savoir la santé pour tous.

Publié dans Sociale

Taorian’ny fitarainan’ny mpanjifa maro teto Antananarivo momba ny fiakaran’ny faktiora dia niroso tamin’ny fanadihadiana ny JIRAMA. Hita tamin’izany fa nisy tokoa ny hadisoana teo amin’ny index ary ny ankamaroan’ireo hadisoana dia niniana natao.

Efa nanao ary manohy hatrany ny ezaka amin’ny fifandraisana an-tsoratra na an-tarobia amin’ireo mpanjifa voakasik’ireo fahadisoana ireo ny JIRAMA. Izany fifandraisana izany no hahazoana mandalina ny olana eo amin’ny faktiora sy manao ny fanitsiana izay tokony hatao. Mpanjifa maro no efa nantsoina sy nanatona ny JIRAMA ary efa nahitana vahaolana avokoa.

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray no voasambotra teny amin’ny lalam-pirenena faha-6, Fokontany SCAMA, Antsiranana ny alatsinainy 22 jona 2020, tratra tsy nanao takom-bava nandritra ny fisafoana natao. Rehefa tratran’ny mpitandro ny filaminana, dia mbola nandraviravy vola 5 000 Ariary an'ireo mpitandro ny filaminana mba hamotsorana azy.

Endrika kolikoly io, ka dia notazomina atao famotorana ary hatolotra ny Fampanoavana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Manainga ny fitondram-panjakana mahefa mba hanendry haingana izay ho Minisitra vaovao hitantana ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary fanofanana arak’asa ny SECES sampana Antananarivo tamin’ny fanambarana nataony omaly.

Tsy azo ekena hiseho lany sy hahazo faka eto amin’ny tany sy ny firenena ny gaboraraka sy ny fanaovana ny tsy marina, anisan’ireny ny tsy fahaiza-mitantana, ny fanodinkodinana volam-bahoaka, ...sns, satria fanetribem-pirenena izany, hoy hatrany ny SECES sampana Antananarivo.

Banga nanomboka ny 5 jona 2020 ny toeran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary fanofanana arak’asa rehefa nofoanan’ny fanjakana ny didim-panjakana fanendrena an’i Andriamanana JOSOA Iarintsambatra Rijasoa, teo amin’izany toerana izany.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2