Filtrer les éléments par date : lundi, 22 juin 2020

Ny 22 jona 2019 no niatrika ny lalao voalohany, nanamarika ny fandraisana anjara voalohany amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra ny Barea an’i Madagasikara.

Ny «Syli national» an’i Guinée no nifandona voalohany tamin’ny Barea, tao amin’ny Vondrona B nisy azy, niaraka tamin’ny Burundi sy Nigéria.

Nirava ady sahala 2 noho 2 ny ekipa roa tonta, tao Alexandrie. Nisantatra ny fampidiram-baolina i Guinée. Nanasahala ny isa i Abel Anicet. Nampidi-baolina indray avy eo i Carolus, ary nitarika 2 noho 1 i Madagasikara. Penalty no namonoan’i Guinée ny baolina faharoa nahasahala ny isa nisarahan’ny roa tonta.

Nanomboka teo ny fientanan’ny Malagasy nanohana ny ekipany, ary nahavaky vava ireo teknisianin’ny kitra nanaraka iny CAN 2019 tany Egypta iny ny zava-bitan’ny Barea.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Le camp du 1er RTS Fiadanana a accueilli une cérémonie hautement symbolique qui marque un tournant dans l’histoire de l’Armée malagasy ce 22 juin. Le Président de la République, Chef Suprême des Forces Armées a remis officiellement les drapeaux aux quatre Chefs d’Etat-major de chaque branche de l'Armée.

Cette remise de drapeaux concrétise la décision de restructuration au sein de l’Armée malagasy à l’issue d’un atelier organisé au Centre de Conférence International (CCI) à Ivato au mois de janvier dernier. Cette restructuration a été mise place dans le cadre des défis et objectifs fixés par le Président Andry Rajoelina dans la politique générale de l’État, notamment en vue d’un maintien de la paix et de la sécurité mais également pour une armée plus proche de la population. Ainsi, cette réforme vise, non seulement l’amélioration de l’efficacité de l’Armée malagasy, mais aussi la participation de cette dernière en tant qu’acteur dans le processus du développement de la Nation.

Publié dans Politique

Nisokatra ofisialy androany 22 Jona 2020, ny « Centre Kintana ». Ity no ivo-toerana ara-pitsaboana fahatelo an’ny Fondation Akbaraly eto Madagasikara tao aorian’ny any Fianarantsoa sy Mahajanga.

Hisahana sy hikarakara ireo marary amin’ny ankapobeny ity ivo-toerana vaovao ity. Manana sampandraharaha hafa toy ny : « cancérologie », « pédiatrie », « allergologie », « échographie » sy ny fizaham-pahasalamana momba ny tsy fanjariantsakafo ihany koa izy.

Manoloana izao ady atrehan’ny firenena izao, nanapa-kevitra ny mpitantana miaraka amin’ny fanjakana, dia ireo mararin’ny coronavirus izay efa maneho soritr’aretina efa sarotsarotra « formes graves » ihany aloha no ho raisina ao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nivoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy Toamasina androany Alatsinainy 22 jona 2020 i Mahery Lanto Manandafy. Ny zoma 19 jona 2020 ity farany no notazomina am-ponja vonjimaika tao noho ny fitoriana nataon’i Dr Benessy Harison Sébastien, Senatera amperinasa sady Talen’ny OMSI (Organisation Médico-Sociale Interprofessionnelle) Toamasina, azy noho ny fanalam-baraka ampahibemaso nampiasana fitaovana informatika.

Publié dans A la Une

Tra-tehaky ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) Atsimo Andrefana tao amin’ny Kaominina Beheloke, Distrika Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana ny sambo iray nitondra sokatra « Radiata » miisa 145, ka ny 12 amin’ireo dia mbola zana-tsokatra, sy ireo olona telo nitondra azy.

Fampitam-baovao avy amin’ireo Vondron’olona ifotony sy ireo mpitantana ny Valanjavaboaharin’i Tsimanapesotse no nahatrarana ity sambo ity.

Efa miroso amin’ny fanadihadiana ankehitriny ireo tomponan’andraikitra eo anivon’ny DREDD Atsimo Andrefana. Entina hiatrika Fitsarana any Toliara ireto olona tratra ireto, ary ireo sokatra kosa dia tazonina ao amin’ny Ivon-toeran’i Lavavolo.

Publié dans Vaovao

Raha voalahatra hodinihina androany alatsinainy dia tapaka fa hahemotra ho amin’ny alarobia 24 jona 2020 izao eny amin’ny CCI Ivato ny fandinihana ny Lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2020.

 

Publié dans Politique

Fahafatesana no nahafantarana sy nanaitra ny mponin’i Mahajanga fa tonga teto an-drenivohitr’i Boeny ry Zoto, ilay fianakavina dimy mianaka nanao dia an-tongotra mihodidina an’i Madagasikara. Nindaosin’ny fahafatesana androany i Alphonsine vadin’i Zoto, rehefa nialana nenina notsaboina tao amin’ny hopitalibe Androva.

Ny sabotsy 20 jona 2020 teo izy ireo no tonga teto an-drenivohitry ny faritra Boeny. Harerahana no voalaza fa nahazo an’ i Alphonsine, ka nidirany hopitaly.

Publié dans Art et Culture

Fiara Sprinter iray no tra-tehaka nitondra lavanila maitso 60kg nasitrika tao anatiny saribao amin’ny gony, teo amin’ny sakana nataon’ny Zandary teo Irondro Kaominina Antsenavolo, Distrika Mananjary, ny zoma 19 jona 2020.

Nogiazana avy hatrany ireo lavanila, nalefa any ambalampamonjana fiara ao Antsenavolo ilay fiara. Notazomina nanaovana famotorana ireo olona nitondra ireto lavanila ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra