Filtrer les éléments par date : jeudi, 18 juin 2020

Olona roa no namoy ny ainy tao anatin’ny fanafihana mitam-basy nitranga androany maraina tao Fandana, Bepeha, Faritra Ihorombe. Kamiao mitondra mpanangom-bokatra sy entam-barotra avy any Fianarantsoa no norarafan’ny dahalo tamin’ny tifitra variraraka. Norobain’ireo dahalo ny vola sy ny ankamaroan’ny entana tao anatiny.

Roso amin’ny fanarahan-dia ikarohana ireo dahalo nahavanon-doza ny Zandary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny tolakandron’ny 12 jona 2020 no nahitan’ny Fokonolona vehivavy iray 30 taona, efa tsy nisy aina intsony, tao anaty lavaka misy rano, ary nahitana ratra ny faritry ny lohany, ary niboridana ny tapany ambany. Tao Tanambao-Marohita Fokontany Ambalamanasa, Kaominina Vohilava, Distrikan’i Mananjary no niseho ity loza ity.

Nidina teny an-toerana ny Zandary rehefa nahazo fampandrenesana, ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany.

Publié dans Tselatra

20 taona mahery no naharetan’ny fitrandrahana « Amazonite » tao Talaky Kaominina Andina, Distrika Ambositra.

Tetezan-kazo tsotra mirefy 10 metatra no hany navelany. Velaran-tanimbary 80ha no tsy azo volena vary fa lasa tanimboly sy lavaka lalina no takaitrany, mampitaraina ny mponina tamin’ny fotoana nidinan’ny fiarahamonim-pirenena Tafo Mihaavo (Tambazotran'ny Fokonolona Mitantana Harena Voajanahary eto Madagasikara) tao an-toerana nahita maso ny zava-misy.

(Sary: Louis Gonz Mamindraibe)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mpitandrina ny Foibe Fiangonana Jesosy Mamonjy – Ankorondrano Antananarivo i Pasteur Ratafy Léon, Filohan'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eran'i Madagasikara ihany koa.

Publié dans A la Une

Ny andrimasom-pokonolona no nisambotra an’ity « Infirmier » ity raha nifanehatra nandritra ny fisafoana natao tamin'ny alina ; izy rahateo efa nahazoan’ny andrimasom-pokonolona vaovao fa tafiditra anatin'ity halatra moto ity ka nifanejehana ary tratra.

Niaiky ny helony ilay mpangalatra moto ary nangataka mba hanao raharaham-pihavanana ka nanao sonia ny taratasy ho marik’izany. Natolony ny tokontaniny mitentim-bidy eo amin'ny 20 tapitrisa Ariary ho onitr’ilay moto izay tsy hita.

Noraisin’ny Zandary an-tanana ny raharaha hisorohana ny fitsaram-bahoaka.

Mampianatra amina sekoly tsy miankina ity « Infirmier » ity ary efa nirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna saingy nihemotra rehefa tsy feno ny antontan-taratasiny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Efa mahafaly aloha ny fisian'ny fihaonan'ireo mpandraharaha vaventy, mivondrona amin'ireo sendikan'ny mpampiasa, mihaona amin'ny mpitondra mitady ny vahaolana eo amin'ny sehatry ny fandraharahana.

Tsara ho fantatra anefa fa mandoa vola toy ny fikambanana rehetra misy latsakemboka ny fidirana amin'ireny sendika ireny.

Ekena fa tsy ny rehetra no afaka hiaona amin'ny filoha sy ny governemanta, ary tsy maintsy delegasionina solon-tena no andeha amin'izany.

Maro ny orinasa na ny hofatranony, ny Jirama, ny Cnaps sy Ostie, ny karaman'ny mpiasa, ny fournisseur, ny TVA sy ny hetra tsy voaloa, ka tsy hanana herijika hiditra sy andoa latsakemboka any anaty fikambanana mampivondrona orinasa izy.

Betsaka ireo orinasa avy amin'ny faritra, izay mahatsiaro tena farahidiny tsy misy mpijery izany.

Publié dans Editorial

Le Président de la République a tenu une réunion avec les opérateurs économiques et les capitaines d’industries malagasy ce 17 juin 2020 au palais d’État d’Iavoloha. Cette rencontre a eu pour objet la relance économique multisectorielle de Madagascar post Covid-19. Le Chef de l’Etat a réitéré son soutien aux entrepreneurs et acteurs du secteur privé.

« L’État malagasy se tient à vos côtés et continue sans relâche à œuvrer pour le redressement du pays. Nous veillerons chaque jour à ce que cette relance économique soit inclusive, qu’elle ait des impacts concrets dans la vie quotidienne du peuple Malagasy » a-t-il déclaré.

Ainsi, le plan économique multisectoriel d’urgence s’articulera sur trois axes stratégiques: le renforcement de la gouvernance et la lutte contre la pandémie, le renforcement des mesures relatives à la protection sociale et le soutien à la résilience économique pour une relance efficiente.

Publié dans Economie
jeudi, 18 juin 2020 09:47

Loi de finance 2020: Dette publique

Selon la Stratégie de la Dette à Moyen Terme, le portefeuille de la dette du Gouvernement central est constitué essentiellement par les emprunts extérieurs ; représentant 76,7% de la totalité. A fin Décembre 2018, la dette extérieure est estimée à 11 449,7 milliards MGA (c/v 3 452,9 millions USD) ce qui est prévu atteindre 11 732,3 en 2020 et se compose principalement de dettes envers les organismes multilatéraux. La dette intérieure représente 23,3% de la totalité de la dette du Gouvernement Central, soit 3 483,9 milliards MGA (c/v 1 050,6 millions USD) en 2018 et de 3 877,2 en 2019 d’après les prévisions. Généralement, la dette extérieure reste soutenable à moyen et à long terme.

Publié dans Economie

Lehilahy iray no niharan’ny vono feno habibiana niafara tamin’ny famoizana aina. Voarasarasa ny tarehiny, novorahina ny kibony ary noboriana hatramin’ny maha lehilahy azy. Tao anatin’ny sahany tao Ambalafary ity lehilahy ity no niharan’ny famonoana, ny alahady 26 aprily 2020, hoy ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany akaiky.

Nifarimbona ny Fokonolona sy ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Bemanevika tamin’ny fikarohana ireo mety ho nahavanon-doza. Nisy andiana mpangalatra tratra tao anatin'ilay saha nitrangana io vono olona io. Fito mianadahy no voasambotra ny 28 aprily 2020, ary ahiahiana ho tafiditra tamin’ny famonoana ilay lehilahy ny 26 aprily 2020 izy ireo.

Natolotra ny Fitsarana izy fito mianadahy ireo taorian’ny famotorana nataon’ny Zandary ary notazomina amponja vonjimaika avokoa.

Publié dans Vaovao