Filtrer les éléments par date : dimanche, 14 juin 2020
dimanche, 14 juin 2020 20:09

Fampianarana: Hisy ny fanadinana ofisialy

Nanamafy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa tsy ho taona fotsy ity taom-pianarana 2019-2020 ity, fa hisy ny fanadinana ofisialy: CEPE, BEPC ary Bakalôrea.

 

Publié dans Tselatra

Nanome toromarika ny Mpanjaka Mohammed VI ny handefasana haingana fanampiana ara-pitaovana ho an’ny firenena miisa 15 aty Afrika hiadiana amin’ny fihanaky ny Covid-19.

Hisitraka izany fampitaovana izany i Burkina Faso, Cameroun, Comores, Congo, Swaziland (Eswatini), Guinée, Guinée-Bissau, Malawi, Mauritanie, Niger, République Démocratique du Congo, Sénégal, Tanzanie, Tchad ary Zambie.

Aro-tava miisa 8 tapitrisa, « visières » 900 000 isa, « charlottes » 600 000 isa, « blouses » 60 000 isa, 30 000 litatra « gel hydroalcoolique », miampy chloroquine 75 000 boaty sy Azithromycine 15 000 boaty.

 

Publié dans Tselatra

« Ny halavan’ny sainam-pirenena dia tokony ho avo roa heny ny sakany » ; io no fampahafantarana nataon’ny avy ao amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao.

Mikasika ny karazan-doko tokony ampiasaina mba tsy hisian’ny fiovaovan’ny loko amin’ny fanevam-pirenena indray dia RAL no loko ampiasaina ka ny fotsy dia 9010 ny karazany, ny mena 3028 ary ny maitso 6037, ho an’ireo saina atao amin’ny rindrina.

Ho an’ireo saina vita amin’ny taratasy, na lamba na vy dia Pantone ny loko ampiasaina ka Cool grey 1 ny karazan’ny loko fotsy, 185C ny loko mena ary 355C ny loko maitso.

Ireo no ekena fa loko tena maneho ny sainam-pirenena Malagasy ary tokony ampiasain’ny rehetra manomboka izao.

(Tahirin-dahatsoratra jona 2019)

 

Publié dans Tselatra

Ity tranga Covid-19 vaovao miisa 57 hita tamin’ny fitiliana androany ity no tarehimarika avo indrindra tao anatin’ny iray andro taorian’ny volana aprily efa tsy nahitana Covid-19 intsony tany Chine.

Raha tao Wuhan no niandohana sy foiben’ity Covid-19 ity tany Chine dia nifindra ao Pékin renivohitra izany ankehitriny, ary fifampikasokasohana ao amin’ny tsenan’ny trondro, hena ary legioma ao Xinfadi no ipoirany ankehitriny.

Tanàna miisa 11 manodidina an’i Xinfadi no nandraisan’ny fanjakana fepetra fihibohana, hisorohana ny fihanahan’ity Covid-19 ity.

 

Publié dans Vaovao

Hotanterahina manomboka ny talata 16 jona 2020 izao, ny atrik’asa entina handrafetana sy handaniana ny fitsipika tokony arahina eo amin’ny lafiny fahadiovana (protocoles d’hygiène), ho an’ny sehatry ny fizahantany sy ireo sehatra hafa mifampiankina aminy.

Ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM), izay rafitra eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro no mandrindra izany atrik’asa izany.

 

Publié dans Tselatra

14 juin: Journée Mondiale des donneurs de sang.

 

Publié dans Fil info