Filtrer les éléments par date : vendredi, 12 juin 2020

Tamin’ny alalan’ny sorabaventy teny amin'ny Gare routière Maki Andohatapenaka – Antananarivo no nanehoan’ireo mpitatitra sy mpandraharaha amin'ny zotra nasionaly ny zava-manjo sy ny hetaheta ary ny fangatahan’izy ireo ny mba hamelana hiasa amin’izay fa efa mihatra any am-bilany ny fahasahiranana. Avelao izahay hiasa, fa vonona hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana mifanaraka amin’izany izahay, hoy izy ireo.

Hatreto, tsy mbola namela ny hisokafan’ny zotra nasionaly miainga sy miditra an’Analamanga sy Toamasina ny ministera mpiahy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Notafihan'ny andian-dahalo mitam-basy ireo mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny CSB2 Ambatoabo, Distrikan'i Tolagnaro ny alin’ny alarobia 10 jona 2020 lasa teo. Sendra nisy Zandary tao an-toerana tamin’io fotoana io. Nisy ny fifampitifirana, izay naharitra adim-pamantaranandro efatra.

Maty ny telo tamin’ireo dahalo, zaza iray 12 taona maty notifirin'ny dahalo teo ampandosirana hiala ny trano. Nisy olona efatra hafa ihany koa naratra voatifitra ka isan'izany ilay Rasazy miasa ao amin’ity CSB2 ity, izay niantefan’ny bala roa ny tanany havia.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Niavaka ny fiaraha-nivavaka teny amin’ny FJKM Merimanjaka Fiderana, ny alahady lasa teo, fetin'ny Reny rahateo, nitondràna amim-bavaka manokana ny Reny rehetra. Heno mialoha fa nanam-pikasana hiditra tao ilay Mpitandrina Rakotoarison Zouzou, izay tsy araka ny tokony ho izy, no nanendren'ny Synodam-paritany Antananarivo Atsimo azy, ka lavin'ny maro an'isa, ao amin’ny ity fiangonana ity. Olona vitsy no manaiky azy.

Vao maraim-be dia efa nirohotra ny kristiana marobe, hisakana ny fikasan’ity Mpitandrina saika hiditra tao izy. Tsikaritry ny olona fa nisy tokantrano roa, amin’ny ireo tokantrano maro manodidina ny FJKM Merimanjaka Fiderana, no nisy jiro nirehitra tao anatiny tamin’io maraim-be io. Niahiahy ny rehetra hoe tao amin’ny iray amin’ireo tokantrano nirehitra jiro andro mbola maizimaizina ireo ny Mpitandrina Rakotoarison Zouzou no niantrano, na natory. Rehefa nahita ny olona nirohotra ny tao amin’ireo tokantrano roa ireo, dia samy namono ny jiro tao an-tranony, heverina ho natahotra, ary mety ho niverina natory. Tsy nisy sahy nivoaka.

Publié dans Art et Culture
vendredi, 12 juin 2020 10:41

Covid-19: Tsy voakasika firy i Jamaïque

Maro ireo mpandinika mijery ny fihanaky ny aretina Covid-19, fa hatreto raha noheverina mitovy avokoa ny fifindran'ny aretina amin'ny olombelona, piti-drora, kohaka, fihevonana, fifampikasohana, dia tsy nahitana tranga maro taty Afrika, taty amin'ny faritry Caraïbe, Cuba. Noho ny hafanana ve hoy ireo mpandinika. Nefa i Brésil aty atsimon'ny Amerika anefa anisan'ny voa mafy.

Jamaïque, aty amin'ny ranomasim-ben'ny Caraïbe atsimon'ny Cuba, dia tsy voakasika firy.

605 no voamarina mitondra ny otrikaretina Covid-19, 407 no sitrana, ary 10 no maty.

Raha 7 273 958 maneran-tany no voan'ny Covid-19 ary 413 372 no maty.

Etat-Unis no mitana ny lohalaharana 2 064 029 no voa, 620 015 no sitrana, ary 115 477 no maty.

Manaraka azy eo i Brésil 805 649 no voa, 396 692 ireo sitrana, ary 41 058 no maty.

Madagasikara 1 203 no voa, 312 no sitrana, ary 10 no maty (11 jona 2020).

Publié dans Editorial

La NASH signifie Non-Alcoholic SteatoHepatitis (stéatohépatite non alcoolique). Elle peut se définir comme la manifestation hépatique d'un dysfonctionnement métabolique ; il s'agit de la forme la plus sévère de la maladie du foie gras non alcoolique (Non-Alcoholic Fatty Liver Disease, NAFLD).

 

Publié dans Fil info

12 juin: Journée Mondiale contre le travail des enfants.

 

Publié dans Fil info