Filtrer les éléments par date : jeudi, 11 juin 2020

Nisy ny fombafomba ara-drazana fanadiovana tanàna notanterahana teto Bekopaka Distrika Antsalova ny alarobia 10 jona 2020, ho fanoherana sy tsy fankasitrahana ny teny mamohehatra miendrika fanotana fady ny raiamandreny Hazomanga amin’ny tanàna, nitranga nandritra ny lanonam-panjakana namoriana vahoaka ny 16 may 2020.

Teny nandratra fo, niitatra hatrany amin'ny fandrahonana hampiditra am-ponja, nivoaka nandritra ny famoriam-bahoaka notarihin’ny solombavam-bahoaka voafidy tao Antsalova nanaovana fanentanana iadiana amin’ny valanaretina Covid-19, sy nametrahana paikady ho an’ny fandriampahalemana, ny 16 may 2020 no niteraka disadisa, tsy mety miravona eo amin’ity olomboafidy ity sy ny raiamandreny sojabe aty Bekopaka.

Hitohy eny amin’ny vavaranon’i Manambolo ny fanatanteraka io fombafomba ara-drazana, famerenan-kasina io rahampitso zoma 12 jona 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Nanao fanambarana mahakasika ny nahafaty ilay zaza menavava 02 volana maty tany Tolagnaro, araka ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera facebook ny 10 Jona 2020.

 

Publié dans Tselatra

Nandritra ny fifanatrehana tamin’ny Loholona tao amin’ny Lapa maitso etsy Anosikely androany no nilazan’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, misahana vonjimaika ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy teknika ary fanofanana arak’asa fa nanomboka tamin’ny zoma lasa teo no efa mivezivezy ao amin’ny ministera Anosy ny Bianco manao fanadihadiana mikasika ilay raharaha « bonbon sucette » nitarika ny fanesorana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy teknika ary fanofanana arak’asa Rijasoa Andriamanana Josoa.

Hanao ny azy ihany koa ny IGE (Inspection Générale de l’Etat).

Andrasana ny valin’ny fanadihadiana ataon’izy ireo, hoy ny minisitra mpisolo toerana, Pr Assoumacou Elia Béatrice.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana haintrano goavana teny Manarintsoa Atsinanana, Boriboritany Voalohany, Antananarivo Renivohitra ny tolakandro teo. Trano hazo maromaro no nirehitra, ary haingana ny fiitaran’ny afo.

Nifarimbona namono ny afo ny mponina, nanampy ireo mpamonjy voina. Ny sasany niezaka namoaka ny entana azo navotana.

Fianakaviana miisa 41 ahitana olona 164 no traboina noho ity haintrano ity.

Tonga teny an-toerana sy nijery izay vahaolana vonjimaika hamonjena ireo traboina ny Minisitry ny atitany, ny Minisitry ny Mponina ary ny Minisitry ny polisy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nitrangàna haintrano tao amin'ny magasin Société Focus teny Ambohimanambola, Distrika Antananarivo Avaradrano androany atoandron’ny alakamisy 11 Jona 2020. Ankoson'aratra no nihaingan'ny loza raha ny filazan'ny tompon'andraikitry ny orinasa.

Publié dans A la Une

Vao nanomboka ity fahamehana ara-pahasalamana ity dia tsy nitsahatra ny Filoham-pirenena, izay namafisin'ireo minisitra na tompon'andraikitra isan-tokony, manambara ireo fepetra sy ny zavatra tsy maintsy atao.

Misy ireo teny voalaza no arahina, fa misy ihany koa ny tsy tanteraka. Tany amboalohany ihany no nahitana sazy ireo tsy manao takom-bava, izao zay tiana atao no atao, amin'izao tako-tsaoka no betsaka.

Ny antony dia tsotra, ny kabary dia tsy didim-panjana, ka na miteny aza ny Filoham-pirenena fa tsy misy didim-panjakana mivoaka manamafy an'iny dia naman'ny kabary ihany iny.

Iza no tokony anao izany, ny Praiminisitra, ireo minisitra, sy ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga, satria iny kabary iny dia baiko ho an'ireo tompon'andraikitra.

Publié dans Politique

Amoron-dalana tsy lavitra CSB II Namontana – Antananarivo no nitranga ity vono olona ity io maraina io. Raim-pianakaviana iray, nivoaka maraina nitondra bisikilety hamonjy asa fivelomany no nisy nanafika teny an-dalana. Nahitana ratra vokatry ny tsatok’antsy ny faritry ny loha sy ny tratrany. Mbola tavela, mitsatoka teo amin’ny tratrany ny antsy iray, tamin’ny nahitan’ny olona azy teo amoron-dalana.

Tsy hita ireo nahavanon-doza, efa tonga nanao fizahana ny loza teo an-toerana ny mpitandro ny filaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
jeudi, 11 juin 2020 10:27

Madagascar: Quel type de tourisme ?

Le Président de la République a annoncé, à l'horizon 2023, un objectif de 500 000 touristes visiteurs par an du Rova d'Antananarivo soit 1 370 touristes par jour, donc 4 avions pleins de 300 passagers touristes par jour et tout cela avec nos 2 longs courriers es Airbus A340-300 qui desservent CDG Paris et en même temps la Chine, sans tenir compte des pannes et autres incidents fréquents.

Sans parler de nos frais aériens exorbitants taxés à 60% pour 1200 euros (€) l'aller et retour, c’est la valeur du SMIG en France, ainsi pour une famille de 3 personnes, le coût du billet s’élève à 3 600 euro, 4 mois de salaire avec un séjour « maigre ».

En comparaison avec la Tunisie 400 € le ticket aller - retour avec 8 jours en demi pension comprise. Donc il nous faut réviser la politique du tourisme, ce n'est sûrement pas un tourisme de masse qui va venir à Madagascar à 10 000km de l’Europe, la France en particulier. Le tourisme n'est pas seulement la visite d'un monument à 27 €, d'ailleurs les touristes ne restent dans la capitale que 8h seulement de leur périple.

Publié dans Editorial

11 juin: Journée mondiale de sensibilisation aux passages à niveau.

 

Publié dans Fil info

11 juin: Journée mondiale de la santé du pied.

 

Publié dans Fil info