Filtrer les éléments par date : samedi, 09 mai 2020

Le Dr Abdoulaye Adam Djerou, Conseiller à la santé du Président de la République du Tchad a dirigé la délégation tchadienne venue récupérer leur lot du remède amélioré Tambavy CVO.

Ce 9 mai 2020, 600 traitements curatifs et 600 traitements préventifs ont été offerts à la République du Tchad. Cet envoi fait suite aux entrevues du Président tchadien Idriss Déby avec le Président Andry Rajoelina.

Le Dr Abdoulaye Adam Djerou a exprimé ses remerciements au nom de la République du Tchad et a loué les efforts et le leadership Malagasy dans la recherche d'une cure contre le Covid-19. A ce jour, le Tchad a enregistré 260 cas de Coronavirus dont 50 cas de guérison et 28 décès.

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info
samedi, 09 mai 2020 21:19

Kidnapping: Atao hazalambo i Lama

Karohina fatratra i Ramandiamanana Norbert na i Lama, atidoha amin'ny fakana an-keriny ary mpamerin-keloka.

Tondroina ho tao ambadiky ny fakana an-keriny an’i Anil Karim, ilay Karana mizaka ny zom-pirenena frantsay, nisy naka ankeriny ny alatsinainy 27 aprily 2020 lasa teo i Lama.

Manentana izay manam-baovao mba hampita izany amin'ny Zandarimariam-pirenena. Vola mitentina 200 tapitrisa Ariary no valisoa ho an'izay manome vaovao marina ahitam-bokany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Mpandeha miisa 11 ka vehivavy ny 6 ary lehilahy ny 5, hiazo an’Antananarivo, nampadoavina 65 000 ka hatramin’ny 70 000 Ariary isan’olona ho sarandalana no nentin’ny kamiao iray an’ny miaramila eo anivon’ny Prezidansa.

Sarona teo amin’ny sakana eo Sarimasina, amin’ny lalam-pirenena faha-2, ary teo ihany koa no vaky ambatolampy ny fisian’ireto mpandeha ireto ka nahalalana ny vola nampandoavina azy ireo raha nitaky ny hamerenana izany izy ireo rehefa tsy afa-nanohy ny dia intsony, nefa ampahany ihany no naverin’ny mpamily.

Noteren’ny lehibeny namerina ny vola manontolo voarainy ny mpamilin’ilay kamiao, izay miaramila tao amin’ny BATAC Arivonimamo taloha. Tafaverina tamin’ireo mpandeha ny volan’izy ireo. Notazomina atao famotorana ao amin’ny Zandary ilay mpamily taorian’izay, ary miandry ny hanolorana azy amin’ny Fampanovana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nahitana tranga vaovao Covid-19 eto an-tananan’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro. Iray amin’ireo tranga vaovao miisa 11, androany, nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpitondrateny ofisialin’ny CCO Ivontoeram-pibaikoana ny Covid-19 Ivato.

Ity no tranga ofisialy voalohany Covid-19 eto Moramanga. Vehivavy iray, 37 taona, niala an-tsokosoko avy any Toamasina ary mipetraka ao Moramanga Ambony no nahitana an’ity tsimok’aretika Covid-19 ity, tamin’ny fitiliana natao azy. Efa raisin’ny fanjakana an-tanana ny fitsaboana azy.

 

 

Publié dans Tselatra

Ny marainan’ny Alatsinainy 27 aprily 2020 i Anil Karim, Karana mizaka ny zom-pirenena frantsay, no nisy naka an-keriny teny Ambatobe Panoramique raha nivoaka kelikely ny tranony. 13 andro aty aoriana, tsy mbola tafaverina eo anivon’ny fianakaviany ity mpandraharaha amin’ny sehatry ny fanafody ity, fa mbola eny ampelan-tanan’ireo mpaka ankeriny.

Manao fanamby fa hanome valisoa ho an’izay manome loharanom-baovao ahafahana manavotra an’i Anil Karim ny CFOIM (Collectif Français d'Origine Indienne de Madagascar).

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana ireo Firaisamonim-pirenena misehatra eo amin’ny fanabeazana manentana ireo tomponandraikitry ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, indrindra ny ray aman-dreny, mba tsy handray fanapahan-kevitra mety hampidi-doza na hananontanona ny ain’ny mpianatra sy ny fianakavian’izy ireo manoloana ny valanaretina Covid-19.

Tsy maintsy hisy ny fanadinana ary tsy maintsy ho hita ny fomba hanemorana sy hamaritana fandaharam-potoana vaovao raha manana fahavononana amin’izany ny Fanjakana.

Publié dans Vaovao

Nobatain’izy ireo ny koveta misy trondro, dia iny izy ireo no nirohotra niazo ny Lapan'ny Tanàna ary teo no nivarotra. Andiana mpivarotra eo amin’ny tsenan’i Morafeno, tsy nanaiky ny fandaminana ataon’ny Fiadidiana ny tanànan’i Mahajanga ka nentin-katezerana, ary dia nobodoin’izy ireo ny manoloana ny Lapan’ny Tanàna, ary teo izy ireo no namelatra ny entany.

Niezaka nandamina sy nandrava azy ireo ny Polisy Monisipaly fa nidongizina saika tsy niala ireto mpivaro-trondro ireto raha tsy nisy ny vahaolana sy lamina mazava avy amin’ny mpitantana ny tanàna ny toerana hivarotan’izy ireo, hoy ny solotenan'ny mpivarotra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Taizan’aretina hoy ny sasany, semposempotra be ka mampiahiahy hoy indray ny hafa. Ramatoa iray no nianjera ho azy tao anaty tatatra teo Bazar Kely androany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray, 53 taona no nidaraboka tamin’ny tany teo Ivandry, Antananarivo androany misandratr’andro. Nitangorona ny olona, nisalasala ny sasany ny hikasika azy noho ny ahiahy manoloana ny fisian’ny valanaretina Covid-19, ny hafa no niezaka niantso mpamonjy voinan’ny Tanànan’Antananarivo.

Nalaky tonga ireto farany naka sy nitondra ilay rangahy niazo ny HJRA.

 

Publié dans Tselatra

Manoloana ny olana niseho tamin’ny famoahana ny antontanisa mahakasika ny fivoaran’ny valanaretina Coronavirus dia nampiantso ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ivontoerana fitiliana « Institut Pasteur de Madagascar » (IPM), io tolakandro io, ny fitondram-panjakana, izay nosoloin’ny Praiminisitra Ntsay Christian tena, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Ahmad Ahmad ary ny minisitry ny Raharaham-bahiny Tehindrazanarivelo Liva Djacoba

Hita nandritra izao fihaonana izao fa misy ny tsy fahatomombanana teo amin’izany antontan’isa izany ka nangatahana fanazavàna ny teo anivon’ny IPM, ary hisy fanadihadiana anatiny, hiarahana amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, hatao amin’izany ivontoerana fitiliana izany, ka ho azo amin’ny alarobia 13 mey ho avy izao ny fehin-kevitra momba izany, hahafantarana ny zavatra tena nisy.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2