Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 mai 2020

Voasambotry ny Zandary ireo andian-jiolahy mitam-piadiana mamaky trano sady manolana, nampitaraina ny mponina tamin’iny Kaominina Ambohimanamboka sy Anjeva Gara, Antananarivo Avaradrano iny.

Dimy lahy no efa voasambotra ary tazomina am-ponja any Tsiafahy, raha mbola misy roa izay nanana ny basy no tafatsoaka, ka mbola karohina.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 08 mai 2020 21:41

Etazonia: Nitombo 14,7% ny tsy an’asa

20,5 tapitrisa ny asa very tao anatin’ny volana aprily 2020 fotsiny tany Etazonia, vokatry ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. Nitombo 14,7% ny tsy an’asa any an-toerana, tranga izay tsy mbola niseho hatramin’ny taona 1930.

 

Publié dans Economie

Tsy nahitana tranga vaovao olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 atsy amin’ny nosy Maorisy tato anatin’ny 24ora. Roa sisa ny marary tsaboina ao an-toerana tamin’ireo 332 voamarina fa mitondra io tsimokaretina io.

Nahavita fitiliana 65 625 ry zareo Maorisiana nahafahany nifehy ny fihanak’ity valanaretina ity. Efa miverina tsikelikely ny asa fihariana ataon’ny mponina ao an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Feno dia feno ny Programan'ny Filoham-pirenena nandritra ny fitsidihany an'i Toamasina ny alakamisy 07 may 2020:

- Nanoloana ny Lapan'ny tanana: Fanokafana ny asa Fitiliana faobe karakaraina ho an'ny vahoakan'i Toamasina. Marihina fa miakatra be ny isan'ny olona voatily ka mitondra ny otrik'aretina Coronavirus eto Toamasina;
- Manoloana ny Biraon'ny Paositra Be: Fanokafana ny fizaràna ny TOSIKA FAMENO;
- Tao amin'ny EPP Maurice Guyot araben'ny Fahaleovan-tena:
Fanolorana ireo Raki-bolana na dictionnaires miisa 18 000 anjaran'ny Faritra Atsinanana;
- CHU Hôpitaly-Be Analankininina: Fitsidihana ny "Centre de traitement des déchets medicaux", sy fandraisana ireo fitaovam-pitsaboana avy amin'ny mpiara-miombon'antoka;

Publié dans Vaovao

Nandriaka ny rà teo amin’ny arabe « digue » Andranomena afaka ny tetezana mandika ny reniranon'i Mamamba, io takariva io. Lehilahy iray, nitondra moto scooter, no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao lehibe.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Suite aux entretiens du Président de la République Andry Rajoelina avec le Président tanzanien John Magufuli, ce dernier a dépêché une délégation pour récupérer leur lot du remède amélioré Covid-Organics. Ainsi, ce 8 mai 2020, une délégation de la République Unie de Tanzanie, dirigée par leur Ministre des Affaires Étrangères le Pr. Palamagamba J.A.M. Kabudi a atterri à l'aéroport de la BANI Ivato.

Le Pr Palamagamba J.A.M. Kabudi a salué les efforts fournis par l'État malagasy pour la recherche ayant abouti à la découverte d'un remède contre cette pandémie. Le Ministre des Affaires Étrangères tanzanien a aussi tenu à affirmer que Madagascar est une fierté pour l'Afrique car il a contribué à apporter une solution face à un problème d'ordre mondiale.

Publié dans Politique

Fiara nitondra miaramila 11 ao amin'ny 1/RM4 hamita iraka no nosakanan'ny jiolahy teny amin'ny lalam-pirenena faha-4, teo anelanelan'ny Ambalajanakomby sy Tsaramandroso ny 7 may 2020.

Voasambotra ny roa lahy tamin’izy ireo ary efa naterina eny amin'ny tobin'ny Zandary raha vaky nandositra ny ambiny.

 

 

Publié dans Tselatra

Nolavin’ny Mpanolontsain’ny Tanàna ny hananganana tsangambato manamarika ny tsingerintaona voalohan’ny Tagnamaro, hetsiky ny olompirenena, tetikasan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Hifarana anio rehefa naharitra hateloana ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra

Le Président de la République, Andry Rajoelina, a effectué une descente dans la ville de Toamasina ce jeudi 7 mai 2020. Face aux nombreux cas de contamination au Coronavirus enregistrés dans la Région Atsinanana, une campagne de dépistage massif a été lancée par le Président de la République. L’objectif fixé est de procéder à près de 10 000 tests.

Hier, 985 tests PCR ont été effectués à Toamasina dont 598 employés d'Ambatovy et 387 personnes issues de plusieurs quartiers de la Région Atsinanana. Le Chef de l'État a assisté au dépistage qui s’est déroulé à l’esplanade de l’Hôtel de ville de Toamasina.

Publié dans Sociale

Misy mpiasa ao amin’ny foiben’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy arak’asa Anosy, voan’ny Coronavirus. Nanamafy izany amin’ny tambazotran-tserasera ny Talen’ny kabinetran’ny minisitra. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Befelatanana io mpiasa marary io amin’izao fotoana izao.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2