Filtrer les éléments par date : mercredi, 06 mai 2020

Nahatsiaro manokana, ka nanolotra fanampiana ho an’ireo mpilalao kitra nitondra avo ny voninahitry ny firenena sy nampamiratra ny baolina kitra malagasy, ary koa ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny baolina kitra, ny Federasiona Malagasy ny Kitra sy ny Federasiona iraisam-pirenena ny kitra sy ny FIFA, hiatrehana izao fotoan-tsarotra izao.

Natomboka teto Antananarivo ny fizarana fanomezana. Hisitraka fanampiana toy izao ihany koa ireo kintana fahiny ny kitra any amin'ny faritra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Notafihin’ny andian-dahalo mitam-basy ny tanànan’i Mahavavy Kaominina Ambatolahy, Distrikan’i Miandrivazo ny 3 mey 2020 vao mangirandratsy. Nanapoapoaka basy ireo dahalo, 15 lahy teo, nampihorohoroan’izy ireo ny iray tanàna.

Lasan’izy ireo taorian’izay ny omby miisa 50, ary naka tovolahy iray natao takalonaina izy ireo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Zandary vao nahazo fampandrenesana. Nisy ny fifandonana. Navotsotr’ireo dahalo avokoa ny omby, avotra soa amantsara ilay tovolahy takalonaina. Dahalo iray maty voatifitra, ny ambiny nitsoaka nanavotr’aina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Olona miisa fito, lehilahy telo, vehivavy telo ary zaza iray no nalain’ny jiolahy mitam-basy ankeriny nataon’izy ireo takalonaina tao Bekinana Kaominina Mangataboahangy, Distrika Ambatofinandrahana ny marainan’ny 30 aprily 2020 teo. Vola 10 tapitrisa Ariary na omby miisa 20 no takian’ireo jiolahy ho tambin’ny famotsorana azy fito mianaka.

Nifarimbona nanaradia hanavotana azy ireo ny Fokonolona, ny andrimaso « Lambamena », nampian’ny Zandary avy amin’ireo toby manodidina, dia ny tao Mangataboahangy, Amboropotsy, Mandrosonoro, Itremo, Tsangadrano ary Ambatofinandrahana.

Publié dans Tselatra

Mpampandro dahalo, mpamatsy ody gasy ireo dahalo mialoha ny hanaovan’izy ireo asa ratsy, ary malaza ratsy ho mpanamboatra basy vita gasy sy mamatsy izany ny dahalo i Kotonadalo.

Nahazo fanomezam-baovao ny Zandary, nahafantarana ny toerana misy an’ity olon-dratsy ity. Nanaovan’ny Zandary sarika ampandriana tao Ambalafanompoana Kaominina Mahazoarivo, Distrika ISANDRA i Kotonadalo, ny 3 mey 2020.

Tratra tao an-tranony izy, niaraka tamin’ny ody gasy sy fitaovana hanamboarana basy. Teny an-dalana hamonjy ny tobin’ny Zandary hatao famotorana ity mpimasy ity no voalaza fa nitsoaka, niantehitra tamin’ny herin’ny ody gasiny. Nanapoaka basy ny Zandary hampijanonana azy, saingy nikiry nitsoaka ilay mpimasy ka tamin’izay no nahavoa azy, ary maty.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Namoaka fanambarana iombonana ireo vondron'ny orinasa eto Madagasikara (GEM) sy ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA) ary ny sendikan'ny mpiasa manoloana ny olana iraisana atrehin'izy ireo.

 

Publié dans Economie

Nanao fampitam-baovao ny Foibe fitsaràna fiarakodia (DGSR), androany 06 mey 2020, mifandraika indrindra amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hanalefahana ny fahasahiranan’ireo tompona fiara fitanteram-bahoaka, na taxi be eto Antananarivo sy ny manodidina, amin’ny fanaovana fitsirihana ara-teknika maimaimpoana ireo fiara fitanteram-bahoaka eto an-drenivohitra, izay manana fe-potoana 15 andro azo havaozina.

Manomboka ny zoma 08 mey 2020, dia hanatona ireo toerana famendrahana fanafody «désinfectant» eto an-drenivohitra ireo mpitsara fiarakodia avy amin’ny DGSR hanatanteraka izany fitsirihana ara-teknika maimaimpoana ho an’ireo taxi be ireo izany, toy ny eny : By-Pass, Andohatapenaka/Kianja Maki, Analamahitsy/Colesium ary Ambohimalaza akain’ny PAM, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany ka hatramin’ny 05 ora tolakandro.

Misokatra ho an’ny mpanjifa toy ny mahazatra ihany ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia eto Antananarivo: Ivato, Betongolo ary Alasora/By-pass.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Namoaka fampilazana ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana tekinika sy arak’asa fa mitohy hatramin’ny 15 mey 2020 ny fara-fisoratana anarana amin’ny fanadinana CEPE sy BEPC, raha toa ka tokony nifarana tamin’ny 03 aprily 2020 tamin’ny 4 ora tolakandro izany.

Tsy mbola misy fiovana hatreto ny datim-panadinana fa ny talata 7 jolay 2020 ho an’ny CEPE ary ny 20-21-22-23 jolay 2020 ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinana BEPC.

Nitarina hatramin’ny 29 mey 2020 ihany koa ny fara-fisoratana anarana ho an’ny fanadinana CAP, BEP ary CFA.

 

Publié dans Tselatra

Tsy nahafaly ireo mpivarotra anana teo amin’ny tsenan’i Morafeno ny fandaminana nataon’ny fiadidiana ny Tanànan’i Mahajanga, tsy hivoahan’ny mpivarotra amin’ny arabe. Nobatain’ny mpivarotra ny entam-barotr’izy ireo, dia iny izy ireo niazo ny Lapan’ny Tanàna dia teo no natokon’izy ireo ny anana, niantsoantsoany mpividy, nanehoan’izy ireo ny tsy fahafahaliana.

Zary tsena tao anatin’ny fotoana fohy teo amin’ny Lapan'ny Tanàna, nanaovan’ireto andiana mpivarotra ireto fitokonana.

Tsy naharitra ela anefa izany dia niverina tamin’ny laononiny ny filaminana teo amin’ny Lapan’ny Tanàna.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

06 mai: Journée internationale sans régime.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 06 mai 2020 11:47

06 mai: Journée Mondiale du coloriage

06 mai: Journée Mondiale du coloriage.

 

Publié dans Fil info