Filtrer les éléments par date : mercredi, 25 mars 2020

Ry Kristiana havana,

Manoloana izao firongatry ny Coronavirus izao dia manan-kambara amintsika ny tenin'Andriamanitra:

1) Ny famindrampony:

"Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao." (Fitom.3:22,23)

2) Ny fahatsarany:

"Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana." (and. 25,26)

Publié dans Art et Culture

Mampahafantatra sy manome toky ny mpanjifa ny OMH (Antokondraharaha malagasy momba ny akoranafo) fa ampy tsara ny tahiry ary mizotra antsakany sy andavany tsy misy fahatapahany, ny famatsiana sy ny fitsinjarana ny entana rehetra toy ny solika sy ny entona fandrehitra manerana ny Nosy.

Noho ny antony ara-pandaminana, hoy ny OMH, dia ferana ho tavoahangy misy entona fandrehitra ho IRAY (01) ihany, isaky ny mpanjifa eto Antananarivo Renivohitra, na firy na firy ny lanjan’ilay tavoahangy, no vidiana mandra-piverenan’ny fitsinjarana amin’ny ara-dalàna.

Mihoatra 1 500 tavoahangy no vatsiana isan’andro eny amin’ireo toeram-pivarotana maro samihafa, ireo toby famarotana lasantsy sy ireo mpaninjara hafa, ka mety hisy indraindray ny fahataran’ny fitsinjarana, hoy ny fanazavana.

 

Publié dans Sociale

Misy sahady ireo olona nitady hisoloky ho mpiasan'ny fahasalamana ary miaraka amin'ny fiara mihitsy izy ireo milaza fa isan'ny ireo dokotera mizaha manokana ny resaka "Coronavirus" mitety –tokantrano, araka ny fampitam-baovao nataon’ny avy eo amin’ny Polisim-pirenena.

Ny fiara avy any amin'ny C.C.O (Centre de Commandement Opérationnel) ihany no afaka manao izany izay ahitana mpiasan'ny fahasalamana sy mpitandro ny filaminana ao anatiny, hoy ny Polisim-pirenena.

Mampahafantatra ireto farany fa « miantso ary mampandre mialoha ilay olona hozahana fahasalamana ny ekipa CCO-COVID-19 vao tonga eny an-toerana ».

Manentana ny Vahoaka ny Polisim-pirenena « mba hiantso ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra raha sendra ny tranga mifanohitra amin'ireo voalaza etsy ambony ireo ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nivoaka ny didy mametra ny fatran'ny entana azon’ny olona jifaina isan’andro sy ny vidiny. Vary 5kg, menaka iray litatra ary iray kilao avy ny lafarinina sy ny siramamy no azo vidina isan'andro.

Mihatra manomboka ny alarobia 25 marsa 2020 eny an-tsena izany araka ny voalazan'ny Talen'ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana Atsinanana

Raha ny vidiny indray dia eo anelanelan’ny 1 750 Ariary ka hatramin’ny 2 100 Ariary ny iray kilao vary.
6 500 Ariary ny menaka mihidy anaty tavoahangy raha 5 000 Ariary ny menaka antsinjarany.
2 400 Ariary ny kilaon'ny lafarinina.
2 600 Ariary ny fotsy raha 2 400 Ariary ny mena amin'ny siramamy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mercredi, 25 mars 2020 12:40

Alarobia 25 Marsa: Taombaovao Malagasy

"Sambasamba Andriamanitra Andriananahary tratry ny taona. Ho tratry ny arivo taona mitsingeringerina anie izahay ka tsy hisara-mianakavy. Ho lavitry ny rofy sy ny aretina rehetra".

 

Publié dans Tselatra

Sady voasazy handoa lamandy ny tompony no narodana avy hatrany ireo Trano fivarotana tsy manara-dalàna sy miorina eny ambony “trottoirs”. Miisa 10 no tratran’ny Polisy Monisipaly sy ny sampan-draharahan’ny Tsena teny Anosibe Angarangarana – Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra.

Tsy ekena sy tsy azo andeferana ny fanararaotana amin’izao fotoanan’ny famehana sy ny ady amin’ny valan’aretina Coronavirus izao, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
mercredi, 25 mars 2020 12:02

Ry Rainay any an-danitra ô

Ry Rainay any an-danitra ô,
hohamasinina anie ny anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
hatao anie ny sitraponao,
ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny hanina sahaza anay,
avelao ny helokay
tahaka ny amelanay izay meloka taminay,
aza avela ho azon 'ny fakàm-panahy izahay
fa manafaha anay amin'ilay Ratsy.

Fa anao ny fanjakana sy ny hery,
Anao ny voninahitra mandrakizay. Amena.

Publié dans Tselatra

Miala tsiny fa tsy ny Sinoa no ananatra sy hanoro amin'ny fiadiana ny coronavirus, izy no tokony manatsahatra mihinam-boalavo sy alika ary ireto fatim-biby tsy fihinan'olombelona ireto.

Tohizo ny fikarohana raokandro malagasy ry dokotera sy mpitsabo raokandro.
Tena midera ireo manam-pahaizana sy mpitandro filaminana nandray an-tanana ity centre de commandement opérationnel ity.

Misy ireo lesoka fa atsaraina miandalana. Mankasitraka amin'ny mangarahara amin'ireo vokatry ny fitiliana.

Misy ireo mitaraina tokony hiakatra eto Antananarivo avy any Toamasina, misy ireo tokony hiverina any amin'ny faritany, mila jerena ny momba azy ireo. Tsy tomombana ny fifandraisana satria tsy tratra antso hatrany ireo laharana antsoina.

Ireto ny laharana mety azahoana ny Centre de commandement opérationnel na ny CCO.

Mankasitraka
Patrick

Publié dans Editorial

Olona roa no voamarina fa voan’ny coronavirus any Zimbabwe. Namoy ny ainy ny 23 marsa 2020 ny iray tamin’ireo, dia i Zororo Makamba, 30 taona, mpiasan’ny haino aman-jery ZBC (Zimbabwe Broadcasting Corporation). Ny minisitry ny fahasalamana sy ny fiarovana ny zaza, Dr Obediah Moyo, no nanao ny fanambarana.

Zanaka mpandraharaha mpanefoefo Zimbabwe ity tovolahy ity. Vao tonga avy any New York – Etazonia izy, ary nandalo tao Johannesburg ny sidina nandehanany nialohan’ny nahatongavany tao Zimbabwe tamin’ny 9 marsa 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nisahotaka ny mponina taty amin'ny Kaominina Befotaka-Nord ny sabotsy 21 mars lasa teo nahita vazaha naka sary sy nivezivezy, ka izay tanàna nandehanany dia nandroaka azy avokoa. Niditra antsehatra ny mpitandro filaminana iarovana ny ainy sy ny tsy hitaran'ny korontana aty an-toerana.

Nosamborina tao amin'ny Fokontany Antsahafaly, Kaominina ambanivohitra Befotaka izy ary dia notazononina amin'ny Poste Zandarimaria Befotaka-Nord.

Nantsoina ireo mpitsabo, fa tsy nahitana tranga mampiahiahy ny fahasalamany, nefa kosa niantso ny lehibe ireo mpitsabo aty an-toerana, dia nilaza ny tany fa tazomy ao ihany aloha ilay vazaha. Tsy nilamina ny tanàna satria ny olona tsy nandry ny saina, ireo mpitandro ny filaminana ihany koa, na ny Polisy na ny Zandary dia mba manahy ny fahasalamany satria na takom-bava aza tsy misy.

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 3