Filtrer les éléments par date : jeudi, 05 novembre 2020

Notanterahina ny 4 novambra 2020 ny tsatoka angady voalohany amin’ny fanamboarana CEG Manarapenitra ao Soamahamanina, Distrika Miarinarivo, Faritra Itasy.

Efitrano vaovao 24 no hatsangana amin’izany.
Sady tsy maharaka ny isan’ny mpianatra intsony ny efitrano fianarana misy ao amin’ity CEG ity no efa tranainy avokoa.

 

Publié dans Vaovao

Hadisoam-panantenana ny an’ireo mpiasa amin’ireo sehatr’asa miankina amin’ny fanjakana toy ny OFMATA, AES, ONE, CNAPMAD … niandry sy nanantena fa ho voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 4 novambra 2020 ny Tale jeneralin’izy ireo.

Misy fiantraikany goavana amin’ny fampihodinana ny asa aman-draharaha, ary koa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ny tsy fanendrena Tale jeneraly amin’ireo orinasa ireo.

Mametra-panontaniana ny mpiasa, inona no antony ? Amam-bolana maro no tsy mandray karama ny mpiasa noho ny tsy fisian’ny mpitantana.

Publié dans Politique

Taorian’ny fankatoavan’ny Antenimieram-pirenena frantsay dia nolanian’ny Antenimierandoholona frantsay ihany koa, omaly, ny lalàna hamerenana amin’i Sénégal sy Bénin ireo harena ara-kolontsaina na vakoka an’ireo firenena ireo, nobaboin’ny frantsay nandritra ny fanjanahan-tany.

 

Publié dans Art et Culture

Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no nanambara ny talata lasa teo fa ho tonga eto Madagasikara ny alakamisy 5 novambra 2020 ny "Satro-boninahitry ny tatarom-piandrianan'ny Mpanjakavavy Ranavalona", 123 taona aty aorian’ny nakan’ny mpanjanaka azy.

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia amin'ny 8 ora sy sasany maraina no figadonan'ny fiaramanidina eny Ivato hitondra io vakoka io.

Publié dans Art et Culture

5 novembre : Journée mondiale de sensibilisation aux tsunamis.

 

Publié dans Fil info

5 novembre : Journée mondiale de la langue Romani.

 

Publié dans Fil info