Filtrer les éléments par date : jeudi, 26 novembre 2020

Ny fenitra fanamboaran-dàlana dia tsy maintsy misy antoka 10 taona raha kely indrindra (garantie décenale), ka io dia takiana taratasy avy amina trano fiantohana sy banky mihitsy, izay omen'ilay orinasa. Raha tsy misy izay antoka izay, dia tsy mahazo tsenam-panjakana fanaovana fotodrafitrasa vaventy.

Raha simba izany ny làlana ao anatin'ny 10 taona, dia manamboatra ny tompon'ny orinasa, raha efa maty ny orinasa, dia ilay trano fiantohana na banky no miantoka ny fanamboarana azy.

Raha nisy fiara hafa nitrongy ilay làlana na nandona tetezana, dia ilay trano fiantohan'ilay fiara nanimba no miantoka, io ilay assurance RC (Responsabilité civile aloantsika, ialana polisy ho an'ny sasany, fa ny dikan'iny, dia ny fiaranao tsy iantohan'ny trano fiantohana fa ny zavatra nosombainao na olona nodominao no iantohany. Ny trano fiantohan'ny fiara nandona anao kosa no miantoka anao raha izy no diso.

Ka na inona izany na inona nahasimba ilay làlana nandaniana vola, dia ao anatin'ny 10 taona dia tokony tsy misy aloan'ny fanjakana, ankoatran'ny fikojakojana, sy ny fanalàna loto sy bozaka amin'ny tatatra.

Izay no izy raha tsy misy kolikoly sy akamakama.

Tafandria mandry e
Patrick

(Sary nindramina RN33bis Ambato Boeny)

 

Publié dans Pilo kely

Hagagana ary mametra-panontaniana ny mponina ao amin’ny Fokontany Antafiampatsa sektera Farafangahely, Antsohihy manoloana ny fahasimban’ny lalana rarivato vao namboarina.

Lalana avy any amin'ny Bazary be na BOA Haute-Ville midina Farafangahely, Fokontany Antafiampatsa izy ity, ary tamin’ny volana Martsa 2020 iny no nanaovana “réception” na fandraisana ny asa vita.

Roa andro taorian'izay, hoy ny fanamarihan’ny mponina dia efa nahitana fahasimbany ilay lalana ka niverenana namboarina indray, dia izao izy potika izao, nefa tsy mbola tafiditra tanteraka ao anaty fahavaratra isika.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Faritra mirahavavy mampihatra ny SERASERA HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA, na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe C4D na « Communication For Development » no resaka eto.

Ny Vovonana C4D dia ivondronan’ny sehatra maro toy ny :
• Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (Faritra, Kaominina),
• Fitaleavam-paritra (Serasera sy Kolon-tsaina, Fahasalamam-bahoaka, Fanabeazam-pirenena, Tanora sy Fanatanjahan-tena, Rano sy Fidiovana ary Fanandiovana, Mponina sy Fiahiana ara-tsosialy ary Fampiroboroboana ny vehivavy),
• ONGs sy Fikambanana (Vokovoko Mena, St-Gabriel, Rano WASH, Price…),
• Fandaharan’asam-panjakana (BNGRC…)

Publié dans Vaovao
jeudi, 26 novembre 2020 15:10

Fianakaviana : Tera-dahy i Bolida (Barea)

Miitatra ny fianakaviana Lalaina Nomenjanahary na i Bolida, mpilalao baolina kitra ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy na Barea. Tera-dahy androany maraina ny vadiny.

Kaïss Heaven no anaran’ny zaza, araka ny fampahafantarana nataon’i Bolida tao amin’ny facebook. Zanak’izy ireo fahatelo io, taorian’i Kitanah, vavimatoa, sy Kénän.

Naneho ny hafaliany sy nisaotra an’Andriamanitra lehibe tamin’izao fahasoavana izao i Bolida raha nizara ny vaovao tamin’ireo namany.

Hanotrona ny vadiny hiteraka no anisany tsy nandraisan’i Bolida anjara tamin’ny lalao miverina nikatrohan’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire tao Barikadimy Toamasina ny 17 novambra 2020 lasa teo, izay efa nambarany mialoha.

 

Publié dans Tselatra

Tratry ny tsy fahasalamana ary tsaboina any amin’ny hopitaly hatry ny harivan’ny talata teo i Rémi dit Jao Jean, solombavabahoaka voafidy tao Antsohihy, Faritra Sofia.

Publié dans A la Une

26 novembre : Journée internationale des aides-soignants.

 

Publié dans Fil info

26 novembre : Journée des enfants des rues.

 

Publié dans Fil info