Filtrer les éléments par date : samedi, 21 novembre 2020

Naseho dadiko feuille d'examen

- Moan ino aby tsipitsipika mena reto?
- Tsy tsipika io Dady fa cocher ny mpampianatra, izay réponse marina
- Za na tsy mahay mamaky teny, tsy avandesanao, tsipiky mena maro be io tsy manjary zany examen nao
- 19/20 io Dady e
- ahaha, zero dikan'ny tsipitsipika mena jiaby io

Bonne nuit nareo ein, dadiko ato nagnajima
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Hikatona tanteraka manomboka ny alatsinainy 23 novambra 2020 ny toerana fitsarana fiarakodia vonjimaika natao teny amin'ny toby fiantsonana "Gare routière" Maki Andohatapenaka, ka ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia Betongolo, Alasora/By-pass, Ivato no antonina ho an'ireo hitsara fiara.

 

Publié dans Tselatra

Miangavy anao andriamatoa Prefet Antananarivo andràra ny hanaovan'i Jerosalema fety ao amin'ny Coliseum Antananarivo.

Mazava ny noty navoakan'ny ACM fa tsy misy vahiny avy any Nosy be mandeha aty Antananarivo.

Ny fanekenao izany dia manosika ny rehetra tsy hanaja ny lalàna hamehezana ny rehetra tsy hivezivezy hivoaka ny faritry Madagasikara, ka aza omena tsiny raha samy tsy anaraka ny lalàna izay ianareo ihany no nametraka azy.

Mahatsiaro voahitsakitsaka ny zo fototra ahafahan'ny rehetra mivezivezy malalaka hitovizan'ny rehetra izahay.

Patrick

Publié dans Editorial

Mampatsiahy ny eo anivon'ny masoivoho malagasy any Frantsa, araky ny noty navoakan'ny ACM, na ny sampana miandraikitra ny fifamoivoizanna anabakabaka eto Madagasikara, fa mbola mikatona ny sisitany malagasy, na ho an'ireo teratany malagasy, na ho an'ireo teratany vahiny monina eto Madagasikara, izay mikasa hody na hiverina aty Madagasikara.

Ny faritry ny Nosy be ihany no misokatra ho an'ireo mpizahan-tany, ary tsy mahazo mivoaka ny Nosy be izy ireo.

Arak'izany dia tsy misy fanomezan-dalana omena na teratany malagasy, na vahiny te hande aty Antananarivo na ao Nosy be raha manam-pikasana ny hody aty Madagasikara.

Ireo mpiasan'ny masoivoho vahiny amonjy ny famindran-toerana hiasana aty Madagasikara ihany no mahazo miditra ny sisitany malagasy.

 

Publié dans Tselatra