Filtrer les éléments par date : jeudi, 19 novembre 2020

Raim-pianakaviana iray sahabo ho 40 taona no fantatra fa matin’ny pesta (peste bubonique) tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Morarano Gara (MLA), Moramanga, androany alakamisy 19 novambra.

Nanamafy izany ny tompon'andraikitra iray izay nilaza fa voatery nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana ny eo anivon’ny fitantanana ny Kaominina.

Tonga nanamarina izany tany an-toerana ny tompon'andraikitry ny fahasalamana avy any Moramanga sy ny solontenan’ny mpitandro filaminana.

Nalevina tao amin’ny fasam-bahiny ao Antsimisoritra ny razana tamin’ny maty masoandro, taorian’ny fizahana araka ny voatondron’ny lalàna amin’ny tranga toy itony.
Manaraka ny fombafomba sy ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ny fandevenana.

Publié dans Vaovao

Noraisin’ny Praiminisistra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny amin’ny lapam-panjakanan’i Mahazoarivo androany ny delegasiona avy any Arabia Saodita, izay notarihin’ny minisitra Saodiana eo anivon’ny raharaham-bahiny miandraikitra an’i Afrika, Ahmad Bin Abdulaziz Kattan.

Ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny fanjakan’i Arabia Saodita dia haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity.

Nanamarika ny minisitra Saodiana fa efa ela no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodiana, fiaraha-miasa izay nisahana sehatra maro toy ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa mahakasika ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana, izay vatsian’ny banky Saodiana momba ny fampandrosoana, ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara teo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny famatsiana 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny valanaretina Covid-19.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanomboka ny fiandohan'ity herinandro ity, ary haharitra roa herinandro ny fandidiana maimaimpoana ny aretina mamany lava, izay atao ao amin'ny CHRR Bongolava, na hopitaliben’i Tsiroanomandidy.

Natao hanamaivanana ny fahasahiranan'ny Vahoaka sy ho fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona, ary indrindra ny ady amin'ny kolikoly ity hetsika ity.

 

Publié dans Sociale

Misy trangana haromontana ao amin'ny Fokontany Ankadindratombo, Kaominina Alasora, Antananarivo Avaradrano. Efa nahafatesana olona io tao.

Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Kaominina Alasora fa hanao hetsika famonoana ireo alika mirenireny eny amin'io Fokontany io anio alina.

 

Publié dans Tselatra

Tratra tao an-tranon’ny mpiasan’ny foibem-pamokarana herinatra an’ny Jirama nandritra ny fisavana natao tao Begavo I ireto gazoala 146 jerikana ireto.

Nogiazana ny fiara 504 camionnette iray sy moto cross iray ary scooter iray.

Tafaporitsaka ny olona notadiavina tao amin’ity trano nahitana ireo gazoala halatra ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanomboka androany alakamisy 19 novambra tamin’ny 6 ora maraina ny Fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana LOHOLONA, ary hitohy hatramin’ny alarobia 9 desambra amin’ny misasakalina.

Hotanterahina ny andron’ny 11 desambra 2020 ny latsabato.

Mpifidy vaventy miisa 12 465 manerana ny Nosy no antsoina hanefa ny adidiny amin’izany, izay mitsinjara ho 2 428 ho an’ny Faritany Antananarivo, Antsiranana : 1 414, Fianarantsoa : 3 144, Mahajanga : 1 785, Toamasina : 1 854 ary Toliara : 2 140.

Nanamafy ny Tiako I Madagasikara, nandritra ny fivoriany omaly, fa tsy mandray anjara amin’io fifidianana io.

Publié dans Politique

19 novembre : Journée Mondiale des toilettes.

 

Publié dans Fil info

19 novembre : Journée internationale de l'homme.

 

Publié dans Fil info

19 novembre : Journée mondiale pour la prévention des abus envers les enfants.

 

Publié dans Fil info

Tsaroanay ianao Papy heritaona lasa nandehananao

Aoka izay ny ady eo amin'i Ravalomanana sy Rajoelina

Feno herin-taona androany ny nahafatesan'i Zokibe Venance, ny Raiko, Raharimanana Roger Venance.
Mpampianatra Tantara sy sosiolojia ary mpampianatra mpikaroka teny amin'ny Oniverité izy.
Mpanao politika tao amin'ny Vonjy iray tsy mivaky. Nisedra ny tolona maro tamin'izany sehatra izany.

Anisan'ny fotokevitra nijoroany ny fampandrosoana ny faritra, ary nitaky ny fametrahana ny fitantanana ny firenena ao anatin'ny rafitra federaly na ny Etat fédéral izy.
Olon'ny fihavanana i Zokibe Venance, tsy tia fanavakavahana nefa kosa nitaky ny fitovian'ny rehetra, indrindra ny faritra rehetra manerana ny Nosy amin'ny fampandrosoana ao aminy.

Publié dans Politique
Page 1 sur 2