Filtrer les éléments par date : dimanche, 15 novembre 2020
dimanche, 15 novembre 2020 20:22

Jerosalema vita Corona

Pilo kely : Jerosalema vita Corona

Merci Prezida.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Dahalo iray, malaza ratsy amin’ny vaky trano no lavon’ny balan’ny Zandary raha mbola nihevitra ny hitsoaka ihany na efa voasambotra aza.

Namaky trano tao Mikaikarivo, Kaominina Anivorano/Mitsinjo Distrika Bekily ny alin’ny 10 novambra 2020.

Nikasa haka ny basin'ny tompon-trano ity olon-dratsy ity saingy tsy hitany ny basy fa bala sy entana hafa no lasa.
Voasambotra ilay nahavanon-doza. Nilaza izy fa misy namany niara-nanao io vaky trano io ao Betarata.

Teny an-dalana nakany amin'ilay toerana misy ny namany ity malaso ity, no nilefa ankitsirano tsy nijanona, ka maty voatifitra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Amanga/ Ampisikina Fokontany Ambodinjambarao, Kaominina Manaratsandry, Distrika Marovoay.

Enin-dahy, nirongo basim-borona sy zavamaranitra no nanao amboletra namaky tranon’olontsotra tao an-tanàna.

Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ny tao an-trano. Raikitra ny sakoroka, nanapoaka basy ireo olon-dratsy sady nandositra. Olona miisa dimy, telo lahy sy roa vavy, no naratra. Voatifitra ny sasany, naratran’ny zavamaranitra ny hafa.

Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy.
Nanokatra fanadihadiana ikarohana ireo olon-dratsy ny Zandary.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana loza namoizana ain’olona teo amin’ny PK 360+11 lalam-pirenena faha-6, sampanana Maroakora 2 Fokontany Antanandava 2, Kaominina Maromandia, Distrika Analalava, ny marainan’ny 8 novambra lasa teo.

Zazalahy kely, 8 taona, no voadonan’ny taxi-brousse iray manao zotra Sambava-Antananarivo, raha niampita arabe.
Tsy tana ny ain’ilay zaza teny an-dalana hiazo an’Antsohihy saika hitsaboana azy.

Fandehanana mafy no voalaza fa niteraka ny loza.
Tsy nisy naninona ireo mpandeha miisa 45 nentin’ilay fiara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nahitam-bokatra ny fanadihadiana nataon’ny zandary taorian’ny fahitana fatim-behivavy iray, ny 03 novambra 2020 tao anaty ala tapia tao Ambatonombalahy Fokontany Ambohitrambo, Kaominina Ramainandro, Distrikan’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra.

Voasambotra ny harivan’ny 07 novambra 2020 i Zeze, izay voalaza fa tompon'antoka tamin'ny fanolanana, niafara tamin’ny famonoana nahafaty vehivavy iray, izay niaraka taminy nitsimpona tapia, ny marainan'io 03 novambra 2020 io.

 

Publié dans Vaovao

Tontosa ny zoma 13 novambra 2020 teny amin’ny tokotaniben’ny Hôpitaly HJRA Ampefiloha ny fanolorana ireo fitaovam-pitsaboana sy kojakoja ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana hanomezana tolotra ara-pahasalamana mendrika ho an’ny vahoaka.

Fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy amin’ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA no nahazoana ireto fitaovana ireto.

Faritra miisa 15 manerana an'i Madagasikara no hisitraka izany, dia Alaotra Mangoro, Analamanga, Atsimo Andrefana, Androy, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Sofia, DIANA, SAVA, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany ary Menabe.

Publié dans Sociale

Nitrangana haintrano tao Malalia Fokontany Antsakaviro, Kaominina Iaritsena, Distrika Ambalavao ny tolakandron’ny 08 novambra lasa teo.

Trano iray tao afovoan-tanàna no niaingan’ny afo, ary nalaky niitatra noho ny rivotra nifofofofo. Vokany, trano niisa 27 no rotiky ny afo, namela traboina 100 eo.

Tombanana eo amin’ny 10 tapitrisa Ariary ny tetimbidin’ireo entan’ny olona lasa lavenona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Olona miisa 19 no voarohirohy tamin’ny fitevena sy fandorana kirihitra, niitatra tamin’ny fahamaizan’ny ala tao Bekotro, Fokontany Beangaka, Kaominina Saranambana, Distrika Fenoarivo Atsinanana ny 9 novambra lasa teo.

Tsy salama saina ny iray tamin’ireo voarohirohy, ny 18 ambiny kosa arahi-maso ara-pitsarana hatramin’ny volana martsa 2021, ary koa didian’ny Fitsarana hamokatra zanakazo 12 000 fototra isan’olona ao anatin’ny telo volana, miampy fanaovana tanin-janakazo 01m/10m isan’olona ao Beangaka ao anatin’ny iray volana.



Publié dans Tselatra

Voasambotry ny Fokonolona tao Ambohijafy Kaominina Ambotompoina, Distrika Antanifotsy i Lerisy, dahalo rain-dahany amin'ny karazana halatra maro, ary efa ela ny nikarohana azy noho ny fandikan-dalàna vitany.

Natolotry ny Fokonolona ny Zandary tany an-toerana io dahalo io, ary nentina haingana niakatra tany Antanifotsy mba ho fiarovana ny ainy.

Nony tonga tao Ambohikely, Fokontany Ambodiharana, Kaominina Anjamanga, Distrika Antanifotsy anefa, raha teo am-panamboarana moto ny Zandary izay nitondra azy, sady niandry ireo zandary mpiara-miasa aminy avy any aoriana dia nanararaotra ilay dahalo naka vato ka nidaroka ity Zandary tamin'ny lohany.

Soa ihany fa nanao aroloha, izay vaky mihitsy noho ny daroka vato, ka tsy naninona.

Publié dans Vaovao

Nosokajiana ho isan’ireo faritra mando anatin’ny lisitra Ramsar ny ala honko ao amin’ny helo-dranon’Ambaro, amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’i Madagasikara, manamorona ny Canal de Mozambique, eo anelanelan’i Nosy Faly sy Port Saint-Louis.

Velaran-tany 54 000 hekitara no misy azy, ary ahitana karazan-javamananaina maro, toy ny zavamaniry sy ny biby izay tsy fahita raha tsy ao an-toerana, ary ny ankamaroany dia ahiana ho lany tamingana.

Ny 44 amin’ireo karazam-borona 99 hita ao amin’ny helo-dranon’Ambaro dia azy manokana, ary tsy hita raha tsy ao aminy ihany. Maro amin’izy ireo anefa no ahiana ho lany tamingana toy ny Ankoay, ny Héron de Humblot, ny Fiandry voditatatra, ny Sarcelle de Bernier ary ny vanga de Van Dam.

Itoeran’ny varika ihany koa ity helo-drano ity. Isan’izany ny lémur noir, hapalémur gris occidental ary ny microcèbe de Sambirano.
Tsy latsa-danja ihany koa ireo karazan-trondro toy ny mâchoiron malagasy, sardinelle à queue noire, ny poisson-verre de Commerson.

Tena mampiavaka ity helo-drano ity ny ala honko. Misy karazany roa tena miavaka ao, dia ny Avicennia marina, sy ny Sonneratia alba.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2