Filtrer les éléments par date : jeudi, 12 novembre 2020
jeudi, 12 novembre 2020 18:14

Sarotra ahita tory e, resy isika

Pilo kely : Sarotra ahita tory e, resy isika, match retour koa manarina

Courage BAREA

Bonne nuit
Patrick

Publié dans Pilo kely

Tontosa androany teny amin'ny CENI Alarobia ny fahavitan'ny lisitr'ireo mpifidy vaventy ho an'ny fifidianana Loholon'i Madagasikara, izay hotontosaina ny 11 desambra 2020 izao.

Teboka telo no naroso tao anatin'ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety, dia fangaraharana, ny fisokafana amin'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ary ny fanajana ny lalàna manankery.

Ka toy izao ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy :
2 428 ny eto Antananarivo,
1 114 ny any Antsiranana,
3 144 ny any Fianarantsoa,
1 785 ny any Mahajanga,
1 854 ny any Toamasina,
2 140 ny any Toliara.

Miisa 12 465 izany ny fitambaran'ireo mpifidy vaventy ao anatin'ny lisitra hifidy ireo Loholona miisa 12 manerana ny Nosy. Ny 06 hameno azy ho 18 dia tendren'ny Filoham-pirenena amin'ny 1/3 anjarany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
jeudi, 12 novembre 2020 17:30

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info

Nanatanteraka atrik'asa jery todika 2020, sy fandrindrana ara-stratejika 2021 ny teo anivon'ny PNUD mandritra ny roa andro.

Mijery ny zava-bita sy maka lesona azo sintonina ahafahana manatsara ny tohiny amin'ny taona ho avy.

Fiaraha miasa amin'ny firenena malagasy, ary mitondra anjara biriky betsaka amin'ny fanampiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo.

Efa nisy ny fananganana fotodrafitr'asa izay mbola ho tohizana toy ny famatsiana rano fisotro, fametrahana ny jiro, ary ny rano ho an'ny fambolena sy ny fiompiana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hatreto na ny tale kabinetra, na ny mambra kabinetra, eny anivon'ny faritra sy governora, dia mbola ny presidence hatrany no misafidy azy.

Maro ireo zanaky ny faritra mahay ary manana traik'efa fa atao an-kilabao.

Ny mampalahelo dia ireo tsy misy afitsoka no matetika tendrena, ka tian-kano tsy tian-kano.

Ahoana moa no ampisy fampandrosoana raha ny mpiara-miasa aminy fotsiny aza tsy ananany safidy?

Omeo ny Faritra ny teti-bola ampandrosoany ny Faritra misy azy. Tsy misy dikany izany 2 miliara ariary izany, izay teti-bola natokana ho an'ny Faritra, aiza ka lalana pavé 10km no mba atao tanjona ho an'ny faritra.

Publié dans Politique

Ankona izay nahita ity tranga ity io maraina io tao Tsivory – Amboasary Atsimo. Tsiahia, zazalahy kely 12 taona, mpiandry omby, no hita faty. Notapahin'ireo tsy mataho-tody ny lohany, ary tsy teo amin’ny toerana nahitana ny loza.

Zanaky ny FJKM Tsivory i Tsiahia, ity niharan’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ity.

 

Publié dans Tselatra

Nandray ny taratasy manendry ny masoivoho vaovaon'ny Repoblika entim-bahoakan'i Sina miasa eto Madagasikara, Rtoa GUO Xiaomei ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tetsy amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia 11 novambra 2020.

Nanambara ny fahavononany hanamafy sy hampiroborobo ny fifanakalozana am-pirahalahiana sy ny fiaraha-miasa izay efa misy eo amin'ny Firenena roa tonta ity masoivoho vaovao ity.

Amin'izao fisian'ny valan'aretina Covid-19 izao dia mitovy ny tanjon'i Madagasikara sy Sina, hoy hatrany Rtoa GUO Xiaomei, dia ny famongorana ity aretina ity, ny fanarenena ny toe-karena sy ny fiahiana ny tombontsoan'ny vahoaka.

Publié dans Politique

Mitaraina ireo mpampongady nakana entana toy ny vary, izay nozaraina tamin'ny hetsika Vatsy Tsinjo, nentina nanampy ireo sahirana tamin'ny valan'aretina Covid-19, fa tsy voaloa ny volan'izy ireo.

Arirarira alefa any amin'ny Primatiora, dia ny eny indray mandefa eny amin'ny fiadidiana ny Repoblika.

Eny an-dalatsara eny no samy vaky vava ny maro hoe nankaiza ilay fanampiana sy ireo vola marobe notrosaina, nefa ireo Malagasy mpampongady indray no mizaka ny tsy heran'ny aina.
Maro ireo tsy mety hanome hatreto raha tsy aloa vola ny entana.

 

Publié dans Tselatra

Nitety tsena nanao fanaraha-maso ny fitaovam-pandajana ara-barotra ; ny fanaraha-mason’ny fisian’ny entana ilain’ny mponina andavanandro (PPN) ; ny fitsirihana ny tahirin’ny PPN ary ny fijerena ny vidin’ny entana eny an-tsena ny avy amin’ny Foiben-draharaha misahana ny Tsena Anatiny (DCI), ny Foiben-draharaha misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) ary ny foibem-pitondran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa Tanana faritra Analamanga (DRICA Analamanga) eo anivon’ny ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ho fitsinjovana ny zon’ny mpanjifa.

Nanomboka ny alarobia 11 novambra izao fiaraha-mientana izao, ary hitohy hatramin’ny 13 novambra ho avy izao ny fidinana eny an-tsena, ary hiitatra manerana ny Nosy ihany koa.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Nahazo alalana hody an-tanindrazana ireo teratany Malagasy miisa 78 avy atsy Arabia Saodita, noho izy ireo marefo sy niharan’ny herisetra.

Ny 25 novambra 2020 izy ireo no ho tonga, ary ny OIM (Organisation Internationale pour les Migrations) no mandray an-tanana manontolo ny mikasika azy ireo.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2