Filtrer les éléments par date : mardi, 10 novembre 2020
mardi, 10 novembre 2020 19:16

Pilo kely : Aza manonofy atoandro

Ianao tsy nividy ticket loto, nefa mahazo message na mail fa nahazo miliara, nahazo frigidaire, nahazo télé, fa hoe natao antsapaka ny numéro tel nao, dia iny tokoa ianao fa somokotra manatanteraka izay lazainy.

Dia milaza izy fa misy frais alefa western union, frais notaire sy avocat, dia iny tokoa ianao fa mande mitrosa vola andefasana an'izany, misy aza ianao andefasany billet 1 000 000 de dollar, dia rotika tokoa.

Nefa aiza ilay adresse andefasana ilay vola?.... Bamako, dia eo ianao no raisina.

Tafandria mandry e.
Manofisa alina fa tsy atoandro.
Patrick

(Sary dolara fosika - Faux billet)

 

Publié dans Pilo kely

Efa-taona nilanjana galona hisandohana ho Polisy ity lehilahy iray, 31 taona, vao sarona.

Ananany avokoa ireo karazana fanamian'ny Polisim-pirenena, ary ireo galona manomboka amin’ny Inspecteur hatramin’ny Commissaire de Police.

Manana basy izy, basy vita gasy miisa telo entiny manararao-pahefana sy mitaky vola aman’olona.
Mbola niaraka tamin’ny fanamiana Polisy sy galona kaomisera izy no tra-tehaky ny Polisy teny Ambohitsoa Antananarivo.

Voasambotry ny Polisy ihany koa ireo olona miisa telo nivarotra basy vita gasy taminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Olona isany nanamarika ny vanim-potoana nisian’ny valanaretina Coronavirus teto Madagasikara i Pr Stéphane Ralandison.

Publié dans A la Une

Ho an'ny ety an-tanandehibe, dia lafo ny vidin'ny tany, ka mety zara raha ny trano ihany no azo ahorina, na te hanana trano hafa ihany koa.

Azo atao tsara izany ny manisy zaridaina maitso, misy voninkazo, misy hazo fihinamboa, na salady, na tomate, na ovy.

Atsangana ny trano, tsy maintsy misy fototra mafy sy mahazaka tsara, misy poteaux sy poutres béton armé.

Rehefa tonga amin'ny rihina farany, dia asiana dalle 10cm ny hateviny, ka ny plafond avy ato ambany dia marindrano amin'ny maha plafond anatiny azy, fa ny ao ambony kosa dia asiana pente kely manary rano, ary hodidinina poutre béton armé ihany koa, sady ceinture farany iny.

Ny tanjona izany dia azahoana bac à fleur ngeza be, izany hoe ohatran'ny piscine kely eo amin'ny 30-40cm eo ny alaliny, ka manary rano midina.

Ery amin'ny pente farany ambany,dia asiana Tuyau PVC-60 anariany rano, ka iny tuyau iny dia taritina ao amin'ny gouttière na chéneau mpitaty rano.

Publié dans Editorial

Raha ianjadian’ny kere ny mponina any atsimo, dia ahiana ho efa miaina amin’ny tsy fanjarian-tsafo ihany koa ireo mpiasan’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo na ONN (Office National de Nutrition) amin’izao fotoana.

Tsy ny ao amin’ny foibe ihany, fa na ireo mpiasa amin’ny rantsamangaika any amin’ny Faritra ihany koa aza.

Volana maromaro ny mpiasa amin’ity rantsana miankina amin’ny Primatiora ity, no tsy nisitraka karama ka itarainana sy anairan’izy ireo ny mpitondra fanjakana hamaha ny olana, satria dia efa miantraika any am-bilany sy ny sosialin’ny mpiasa ny zava-misy.

(Sary nindramina, asa sahanin'ny ONN miaraka amin'ireo fikambanana hafa)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Niharan’ny herisetra ara-nofo i Meltine, zazavavy kely 11 taona. Lehilahy, 35 taona, no nahavanon-doza.

Namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy i Meltine, ny atoandron'ny 09 novambra 2020, tao Ambodiakondro, Fokontany Saora/Sud, Kominina Mahabo, Distrika Vohipeno, Faritra Vatovavy Fitofivany.

Voasambotry ny Fokonolona ilay mpanolana. Napetraka anaty trano mba hialàna amin'ny fahatezeram-bahoaka.
Nahazo antso fanairana mikasika ity tranga ity ny Zandarimaria dia nidina avy hatrany tany an-toerana niaraka tamin'ny mpitsabo mpitsirika.

Rehefa tonga tany an-toerana anefa ireo Zandary dia efa hita nananto-tena samirery tao anatin'ilay trano nasiana azy ilay mpanolana. Ny tady namatoran'ny Fokonolona azy ihany no voavahany ka nanantonany ny tendany ka nahafaty azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Maladie où les cellules neuroendocrines se développent en tumeurs.

Une tumeur neuroendocrine peut se développer lentement ou être agressive, et se propager à d'autres parties du corps.
Très souvent, aucun symptôme n'est constaté et la tumeur est détectée par hasard. Si des symptômes se manifestent, ils peuvent varier en fonction de l'emplacement de la tumeur.

Deux particularités qui retardent souvent le diagnostic. Ces tumeurs se développent à partir des cellules productrices d'hormones situées dans le système digestif et les poumons. Les symptômes des tumeurs neuro-endocrines sont peu spécifiques.

Dans de rares cas, des rougeurs sur la peau peuvent apparaître ou le taux de glucose dans le sang peut fluctuer.

Le traitement dépend du type de tumeur. Certaines approches peuvent inclure une opération chirurgicale, une radiothérapie ou une chimiothérapie.

 

Publié dans Fil info

10 novembre : Journée Mondiale de la science au service de la paix et du développement.

 

Publié dans Fil info

Maladie qui se caractérise par un bombement vers l'extérieur du tissu clair à l'avant de l'œil (cornée).

Dans le cas d'un kératocône, le tissu clair bombé qui recouvre l'œil (cornée) est plus mince et présente une courbure vers l'extérieur comme un cône. La cause de cette maladie est inconnue.

Les premiers symptômes se manifestent à la puberté ou en fin d'adolescence, et incluent une vision trouble, et une sensibilité à la lumière et à l'éblouissement.

La vision peut être corrigée tôt avec des lunettes ou des lentilles de contact. Pour les cas avancés, une greffe de cornée peut être nécessaire.

 

Publié dans Fil info