Filtrer les éléments par date : dimanche, 01 novembre 2020

Raha te handroso na te ho tafita ambony amin'ny fiainana, dia mianara, miasa mafy, manàna tanjona sy fijery ambony, miafia raha ilaina, fa aza mionina na mampionon-tena ao anatin'ny faharatsiana ka hanao hoe "zara aza mba nisy an'izay". Na kely aza no tratra sy vitanao dia ataovy tsara hatrany. Esory ilay toe-tsaina hoe "indrokelin'ny mpandrafitra", na ilay hoe "tsy hitan'ny tsy nanao azy".

Tafandria mandry
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nandao ny toerana nanokanam-ponenana azy teny Ambatomirahavavy, ny sabotsy 31 oktobra teo, ireo olona nihitsoka tany ivelany ka afaka nody an-tanindrazana.

Tsy nahitana tsimok’aretina Covid-19 izy ireo taorian’ny fitiliana natao azy, ka afaka namonjy ny fianakaviany avy.
Niisa 61 izy ireo, ka ny 7 nihiboka tao amin’ny Auberge Saint François, ary ny 54 tao amin’ny « la Villa Verte ».

 

Publié dans Tselatra

Olona miisa 125 no nampanaovina asa ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro ny andron’ny 31 oktobra tao amin’ny Faritra Itasy. Ny 49 amin’ireo dia tsy nanana arovava orona, ny 76 indray dia nanana fa tsy nametraka izany amin’ny tokony ho izy.

Fiara niisa 215, sy moto 12 ary mpandeha tongotra niisa 155 no nosavain’ny Zandary ka nahazoana an’ireo vokatra ireo. Nasaina niverina ny telo tamin’ireo olona nandeha tongotra hita fa tsy manana anton-diany mazava.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no niaingan’ny Zandary ka nahitana taolampaty maromaro tao anaty sakaosy iray, nilevina tao an-tokontany taorian’ny fisavana natao.

Lehilahy iray fantatra amin’ny solon’anarana hoe Vazaha no nosamborina tao Andrefantsena Fokontany Ambohimpihaonana, Kaominina ambonivohitra Betafo, ny 31 oktobra ka anaovana fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Notafihin’ny andian-dahalo tao Ambalatsimanoko Fokontany Soalazaina, Kaominina Vinany Andakantanikely, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron'i Mania ny alin’ny 28 oktobra.

Lasan’ny dahalo ny omby miisa sivy.

Nanao fanarahan-dia ny Zandary sy Fokonolona. Niandry kizo ny andrimasom-pokonolona sy ny fikambanana Firaisankina no Hery. Niditra an-tsetra ihany koa ny Lambamena.

Nisy ny fifandonana tamin’ny dahalo rehefa nifankatratra tao Sahafosa, Kaominina Soatanana tokony ho tamin’ny 2ora maraina ny 29 oktobra.

Tafaverina ny omby 06. Tsy nisy tohina ny Zandary sy ny mpanaradia. Mitohy ny fanenjehana ireo dahalo sy ny omby 03 ambiny.

 

Publié dans Vaovao

Nitrangana haintrano tao Ampetika Kaominina Betsizaraina, Distrikan’i Mahanoro ny marainan’ny 28 oktobra teo. Trano telo vita tamin’ny ravipontsy no may kila hotohoto.

Olona miisa 11 no traboina vokatr’izany. Tsy nisy aina nafoy na naratra.
Tombanana ho 1 500 000 Ariary ny tentimbidin’ny fahavoazana.

Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo.
Manao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny Brigady Mahanoro.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Epi-Bar iray ao amin’ny kartie Anjatoka Kaominina ambonivohitra Ambovombe - Androy no nisy saika nanafika ny alin'ny 30 oktobra.

Olona telo lahy mirongo sabatra sy lefona nandrava ny kitapom-bola tao amin'io toerana io, sy nikasa ny hanafika, saingy tsy tanteraka izany fikasan-dratsy izany noho ny fiaraha-mientan'ny Fokonolona sy ny mpitandro filamanina.

Tsy nisy aina nafoy, tsy misy naratra.
Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

 

Publié dans Tselatra

Dahalo raindahiny i Tatasoa Dit Dabany. Mbola tanora tokoa ity farany, 22 taona, nefa dia voatonona amina halatr’omby, fanafihana mitam-basy ary vono olona tamin’iny Distrika Ankazoabo Atsimo iny.

Voasambotry ny Fokonolona sy Zandary nanao fisafoana izy niaraka tamin’ny basimborona iray, ary ody gasy izy, ny 31 oktobra. Karohina ireo namany.

 

Publié dans Tselatra

Kamiao iray nitondra PPN no niharan-doza tao Andrianatombo Fokontany Zanaposa, Kaominina Tsarasaotra, Distrika Ambositra, amin’ny lalam-pirenena faha-41 mampitohy an’i Ikelikapona amin’i Fandriana, ny marain’ny 31 oktobra.

Nisy olana ara-mekanika ilay kamiao, ka nihemotra ka nivadika ambony ambany. Naratra ny mpamily, tsy nanino kosa ny mpanampy azy. Roalahy no tao anaty fiara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
dimanche, 01 novembre 2020 19:09

01 novembre : Journée Mondiale Végane

01 novembre : Journée Mondiale Végane.

Personne qui exclut de son alimentation tout produit d'origine animale et adopte un mode de vie respectueux des animaux.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2