Misy voandry zalahy indray any
Salama Président Patrick, nisy namana nilaza ahy fa mandray sakay pilokely mena ianao, izahay manana maro amin'ny taonina aty Itasy?
Tafandria mandry e.
Patrick
Mpilalao tantara – RNM: Nodimandry teo amin'ny faha 79 taonany i Clotilde
Raolisoa Clotilde na Clotilde araka ny ahafantaran’ny maro, indrindra ireo mpihaino tantara ao amin'ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM).
Nodimandry androany zoma 9 oktobra 2020, teo amin'ny faha 79 taonany izy.
Fijanonan’ny fo tampoka no voalaza fa nitarika ny fahafatesan’i Clotilde.
Ny taona 1962, fony mbola RTM (Radio Télévision Malagasy) teny Antaninarenina, no nidirany tao ho mpilalao tantara.
Herinandro lasa izay, ny 2 Oktobra 2020, no nodimandry tany Frantsa teo amin’ny faha-98 taonany koa i Rasoanarimalana Jeanne izay namorona ilay fandaharana “Haody Rasoabakobako” tao amin’ny Radio Madagasikara.
Fitsarana: Ady maloto tsaraina amin'ny ady madio
Mpandraharaha karana iray momba ny hazo ao Antalaha, Bezokiny Christian Claude no nitory mpandrahaha malagasy Laisoa Jean Pierre dit Jaovato monina ao Antalaha ihany koa, sady mpandrahara momba ny hazo, lavanila sy maro hafa.
Ankily Ihosy: Rongony 17 kitapo tratra tao anaty citerne
Tra-tehaky ny Zandary BPR nanao ny fisavàna tao Ankily, Distrika Ihosy, Faritra Ihorombe, ny 09 oktobra 2020 maraina ny fiarabe iray mpitatitra solika, izay nitondra rongony 17 kitapo milanja 352 kilao.
Naiditra ambalam-pamonjana ilay kamiao, notanana andri-maso ny mpamily sy ny mpanampiny, nogiazana ireo rongony mandrampahavita ny famotorana.
Alasora – Antananarivo Avaradrano: Tra-tehaky ny Polisy ireo jiolahy namono olona hamonjy fodiana
Lehilahy iray tratra alina nitondra moto hody eny Alasora no nendahin’ny andian-jiolahy nitondra zava-maranitra sy kibay ka tsy namelan'ireto farany raha tsy maty ilay tovolahy.
Noentin'izy ireo nitsoaka ilay moto saingy nifanena tamin'ny Polisy nanao fisafoana ilay jiolahy nitondra izany ka voasakana.
Tsikaritr'ireo Polisy fa nisy ra ilay moto ka avy hatrany dia notazonina ity lehihahy, ary natao ny fikarohana ny manodidina.
Hita tsy lavitra teo, tao anaty lobolobo ny fatin'ilay lehilahy tompona moto.
9 octobre: Journée Mondiale du handicap
9 octobre: Journée Mondiale du handicap.
9 octobre: Journée Mondiale de La Poste
9 octobre: Journée Mondiale de La Poste.