Filtrer les éléments par date : jeudi, 08 octobre 2020
jeudi, 08 octobre 2020 22:50

Mpitrosa mangataka fanafoanana trosa

Pilo kely: Mpitrosa mangataka fanafoanana trosa, ka iza no atoky hampitrosa?

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Environ 7 500 fonctionnaires fantômes ont été identifiés, selon une source bien informée.

Ils ont commencé à perdre leurs dus depuis lundi à minuit.
Les concernés sont aussi obligés de rembourser les avantages dont ils ont jouis depuis leur « embauche » au sein du secteur public.

La nouvelle donne marque une étape décisive dans la gestion des ressources humaines de l’Etat.

Publié dans Politique

Mirongatra izay tsy izy ny fitrandrahana an-tsokosoko tsikaritra any amin’ny ala atsinanana tato ho ato.

Anisan’ny lasibatry ny famotehana ny faritra arovan’ny Madagascar National Parks (MNP).

Mpisehatra amin’ny tontolo iainana iray monina any amin’ny Distrikan’i Toamasina II no nampita ny hafatra.
Mivoaka any atsinanan’Ambatondrazaka ny hazo sarobidy toy ny andramena sy ny voamboana mbamin’ny volomborona mialoha ny ahatongavany eny an-tsena.

Misy ihany koa ireo mamadika ny ala voajanahary ho harina.
Manginy fotsiny ny fisian’ireo mpitady vato sarobidy toy ny safira sy rubis ary ny volamena any an’ala any.

Publié dans Sociale

Voarara manomboka ny faha-25 oktobra ho avy izao, ka hatramin’ny faha-22 desambra ny asa fanjonoana aty Alaotra-Mangoro.

Ny alarobia faha-23 desambra indray ny mpanjono aty an-toerana vao afaka miverina amin’ny asany mahazatra. Efa avo rahateo ny rano no sady efa mafotaka ihany koa ny asa an-tanimbary amin’izay fotoana izay.

Mba hahatsara ny vokatra no anton’ny fepetra, hoy ny solontenan’ny minisitera tompon'andraikitra aty Ambatondrazaka.

Ny fitsinjovana ny ampitso no ao ambadiky ny fanakatonana ny rano isan-taona.
Fotoana fanatodizan’ny karazan-trondro ny vanim-potoana mafana toy izao.

Publié dans Sociale

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny Alakamisy 8 oktobra 2020 ny fivoriana ara-potoana ny filankevitra monisipaly rehefa naharitra 10 andro tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Lany tao anaty savorovoro nandritra izany ny teti-bolan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra 2021. Toy izany koa ny “budget primitif” na ny vinavina teti-bola 2021.

Nivoaka ny efitra ireo mpanolontsaina maro an’isa, ahitana ny avy amin’ny Tiako I Madagasikara, Komba, ary ny lohalisitry ny IRK, noho ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fivoriana sy fandaniana ny teti-bola araka ny nambaran’izy ireo.

Mpanolontsaina IRK miisa 24 sy Tsy miankina miisa 2 no nandany ny teti-bola.

 

Publié dans Politique

Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Governemanta ny didim-panjakana mandrava ny CREAM (Centre de Recherches, d’Etudes et d’Appui à l’Analyse Economique à Madagascar).

« Etablissement Public » ny CREAM.

 

Publié dans Tselatra

Hisy “Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale” na Toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana hapetraka ao Ambovombe, Tsihombe, Ampanihy, Beloha ary Amboasary Atsimo.

Tetikasa fohy ezaka natao hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo izy ity. « Banque alimentaire », dokotera mpitsabo, fanomezana sakafo ara-pahasalamana, fanafody fitsaboana hanarenana ara-tsakafo.

Ny 22 Oktobra izao no tsy maintsy mipetraka ireo toerana fandraisana ireo mponina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Hisy ny tetikasa antenanten’ezaka hamaritana ny toerana hamindrana ireo mponina sy hametrahana ireo tetikasa rehetra.

Publié dans Vaovao

Tapaka nanomboka ny alarobia 7 oktobra 2020 misasak’alina ny jiro eto Ambanja. Niato tsy mihodina ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama. Lany ny gazoala mampihodina azy ireo.

Tsy mbola fantatra hatreto, rahoviana no hisy famatsiana gazoala, hoy ny loharanom-baovao.
Mikatso avokoa ireo asa miankina amin’ny herinaratry ny Jirama, toy ireo cybercafé, mpanao photocopie, “salon de coiffure”, simba ny sakafo tehirizina anaty vata fampangatsiahina…

 

Publié dans Tselatra

Hisy ny fanaovana « Travaux de relevés sismiques marins » mba hahafahana mamaritra ny fari-dranomasin’i Madagasikara aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana araky ny tapaky ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 7 oktobra 2020.

Ny vaomieran’ny Firenena Mikambana mamaritra ny Plateau Continental (CLCP) dia nametraka fa mialoha ny faran’ny taona 2020 no tokony hametrahana ny famaritana izany mba handinihana indray ny antontantaratasy mikasika an’i Madagasikara sy ireo Nosy Kely manodidina tafiditra ao anatin’ny faritr’i Madagasikara.

 

Publié dans Politique

Atomboka ny dinika ara-diplaomatika miaraka amin’ny Nosy Maurice mikasika ny famerenana aty Madagasikara ho ao amin’ny Banky Foibe ny volamena milanja 25,5kg naondrana an-tsokosoko nakany Maurice ny fiandohan’ny taona 2019.

Efa nisy ny didim-pitsarana nivoaka teto Madagasikara ny tokony hamerenana ireo entana ireo aty amintsika sy ny lamandy ary ny sazy mihatra amin’ireo izany nanao izany fanondranana antsokosoko izany.

Tapaky ny Filankevitry ny Minisitra ny 30 septambra 2020 fa atao avy hatrany ho fananam-pirenena, ary hapetraka ao amin’ny Banky Foiben'i Madagasikara ireo volamena sy harem-pirenena tratra sy aondrana an-tsokosoko miainga eto Madagasikara.

 

Publié dans Economie
Page 1 sur 2