Filtrer les éléments par date : mardi, 06 octobre 2020
mardi, 06 octobre 2020 20:26

Antsary tsaô tsisy sakay

Mila mihantsa kalokalo anareo fa, tsy tiandry havatsika kawitrinareo mampilatsaka Euro ty ein, mila ampanongaigna Ariary.

Samy mandry mifôha
Patrick

Publié dans Pilo kely
mardi, 06 octobre 2020 19:43

RN6 Ambalafaminty

RN6 Ambalafaminty
No comment

 

Publié dans Tselatra

Courant alternatif 220V no resaka eto.

Fampatsahivana: Ny courant alternatif dia misy pôle na fil roa, ny iray Neutre (na - raha courant continu toy ireny anaty fiara na batterie 12V ireny), ary ny pôle na fil iray "Phase" (na +).

Maka testeur tourne-vis ireny, dia izay mirehitra ny lampe no Phase. Misy fitaovana hafa ihany koa azo hijerena azy raha manana multimètre. Ny Phase sy ny Terre tokony anome 220V ihany koa raha tsara ny prise Terre. Ny Neutre sy ny Terre tokony tsy misy tension.

Ny asan'ny interrupteur izany dia mpanapaka na mpandeha ny Phase, fa ny Neutre avy dia mandeha mivantana any amin'ny ampoule.

Tsy tokony hisy Neutre mandehandeha mihitsy izany ao anaty interrupteur.

Raha misy ampoule maromaro tiana hiaraka hirehitra na maty, dia atao en parallèle aloha ireo ampoule maromaro ireo, izany hoe ampifandraisina ny samy Phase, ary ampifandraisina ny samy Neutre, dia ny Neutre avy dia ampifandraisina mivantana amin'ny Neutre principal, ary ny Phase kosa tapahan'ny interrupteur alohan'ny ampifandraisana azy amin'ny Phase n'ilay ampoule voalohany.

Publié dans Editorial

Manomboka milatsaka ny orana. Mbola hitohy izany raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

Betsaka ireo arabe misy lavaka eto an-drenivohitra. Tena mandifotra olona ny sasany. Misy koa ireo sarona « dalle » simba na nisy nanala teny amin’ny sisin-dalana.

Misy ny efa nampidi-doza, ary ahiana ny mbola hampidi-doza ao anatin’izao fotoanan’ny orana izao raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana.

Efa manomboka miditra an-tsekoly rahateo koa ny mpianatra dia mihamaro ireo fiara sy olona mivezivezy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Olona miisa 43 no manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Fenoarivo Atsinanana, zaza menavava telo, 4, 9 ary 10 volana namoy ny ainy. Izay no vokatry ny fanampoizanana ara-tsakafo noho ny fihinanana fano na soka-dranomasina tao Antsikafoka Kaominina Mahambo, Distrika Fenoarivo Atsinanana.

Nahazo fano ny mpanarato tao amin’ity tanàna ity, ary namidin’izy ireo mora, 4000 Ariary. Nihinana ny renin’ireo zaza menavava ireo ary nifindra tamin’ny nono ny poizina, ka nitarika tamin’ny fahafatesan’izy ireo. Anisan’ireo manaraka fitsaboana ny renin’izy ireo.

Tranga mpiseho saika isan-taona rehefa volana oktobra toy izao ny fanampoizanana ara-tsakafo noho ny fihinanana fano.

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy roa mpanao varo-maizina sy mpamono sokatra radiata no tra-tehaky ny Zandary sy ny Fokonolona ary ny mpiasan'ny Madagascar National Park, tao Andranovao Kaominina Itampolo, Faritra Atsimo andrefana, ny alin'ny 26 septambra 2020.

Sokatra radiata miisa 19 no efa voaangon’izy ireo.

Natolotra ny Fitsarana izy roalahy ireo taorian’ny famotorana, ary tazomina amponja vonjimaika. Nomena ny tompon'andraikitry ny ala koa ireo sokatra miisa 19 mba ho averina any amin'ny toeram-ponenana tokony hisy azy.

Anisan'ny biby arovana ny sokatra "Radiata" noho izy atahorana ho lany taranaka, ka tsy azo vonoina na amidy na fehezina ao anatin'ny toerana tsy voatokana ho azy. Ny fandikàna izany lalàna izany dia mahavoasazy.

 

 

Publié dans Vaovao

18,30/20 ny salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinana CEPE 2020 teto Antananarivo Renivohitra. Tovolahy kely mpianatry ny EPP Est-Ambohijanahary no nahazo io salanisa ambony indrindra io.

Nisy ny alatsinainy 05 oktobra ny fankasitrahana nomen’ny fiadidiana ny tanàna tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina mivady, ireo mpianatra miisa 30 mianadahy, 5 isaky ny Boriborintany, tsara naoty indrindra tamin’iny fanadinana CEPE 2020 iny.

Publié dans Sociale

Elle touche 17 millions de personnes dans le monde.

 

Publié dans Fil info