Filtrer les éléments par date : lundi, 05 octobre 2020

Pilo kely: Sekoly tsy miankina, an'ireo Ray aman-dreny, fa tsy tokony antsoina hoe sekolim-panjakana ireo sekoly andoavana Fram, izay tsy misy fikarakaran'ny fanjakana azy ireo mihitsy.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Le Président de la République Andry Rajoelina s'est rendu dans les régions Anosy et Androy pour apporter les secours d'urgence et des aides sociales pour les populations locales. Mais aussi pour renforcer et coordonner les projets et les infrastructures socio-sanitaires dans le cadre de la lutte contre l'insécurité alimentaire et la malnutrition dans cette partie Sud de Madagascar.

Ce 3 octobre 2020, le Chef de l’État a effectué une descente, notamment dans les communes d'Ifotaka, de Behara, d'Ebelo ainsi que dans le District de Tsihombe. Les enfants et adultes présentant des symptômes de malnutrition sévère ont directement été pris en charge par le Ministère de la Santé Publique qui prodigue depuis quelques mois des traitements nutritionnels adéquats au profit des enfants et adultes victimes de ce fléau.

Publié dans Sociale

Ravan'ny afo ny velarantany 5ha, fambolena hazo tantanin’ny tsy miankina tao Antsahamarova Fokontany Atsimondrova, Distrika Ambatondrazaka, ny harivan’ny 30 septambra 2020.

Nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo ny Fokonolona, ny mpiasan’ny ala, ny Zandary avy amin’ny vondrotobim-pileovana Alaotra Mangoro.

Naharitra adim-pamantaranandro telo vao voafehy ny afo, izay tsy fantatra mazava ny niandohany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray no nananton-tena tamin'ny tady tany anaty sahan-jirofo. Ny marainan’ny 3 oktobra 2020 no nahitana azy efa tsy nisy aina.

Nisy dian-tady ny tendany, ary nivoaka rà ny orony tamin’ny fotoana nahitan’ny zanany lahy azy. Ity farany no nanaitra ny fianakaviany sy ny Fokonolona.

Tonga nanao fitsirihina ny faty ny dokotera avy ao amin’ny CSB II Ampasina Maningory. Tamin’izany no nilazan’ity farany fa tombanana ho ny fiandohan’ny tolakandron’ny 2 oktobra 2020 no nialan’ny ain’ilay lehilahy maty namono tena ity.

Nalain’ny fianakaviana ny vatana mangatsiaka taorian’ny fizahana natao, teo anatrehan’ny Zandary sy ny mpitondra ny tanàna.

Publié dans Vaovao

Fiara 4X4 marika KIA Sorento an’ny orinasa VIMA no nivadika ambony ambany teo amin’ny PK 44+400, amin’ny lalam-pirenena faha-44 ny mitatao vovonan’ny 3 oktobra 2020.

Fandehanana mafy nefa sendra « casseur de vitesse » no volaza fa niteraka ny loza, ka nampivadika ilay fiara sady niala lalana.

Naratra ny olona iray tamin’ireo tao anaty fiara ary nalefa notsaboina tao amin’ny CHRR Moramanga. Nisy fahasimbana lehibe ihany ilay fiara tsy mataho-dalana.

Avy ao Moramanga niazo an’Amboasary Gara, ity fiara ity no izao tra-doza izao.

 

Publié dans Tselatra

Raim-pianakaviana iray no lavo ampandehanana teny Avarabohitra Itaosy io maraina io. Nisy nahita izy nianjera. Nampamonjena sisin-dalana hanaovana vonjy aina kinanjo tsy tana ny ainy.

Aretina ? Hanoanana ? Sa loza efa ho avy ?

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mpitondra « Taxi moto » iray monina any Amboanana Distrika Arivonimamo, Faritra Itasy, no voahendaka niaraka tamin’ny moto nentiny, ny tolakandron’ny Alakamisy 01 oktobra 2020.

Tovolahy noentiny ihany no nanendaka azy teny an-dalàna.
Teto Arivonimamo no nifanaraka izy ireo ary nilaza ireto olona ireto fa hamonjy fahoriana any Amboanana.

Telo lahy ireo olon-dratsy, ka ireo roa lahy namany dia nanaraka tamin'ny moto avy ato aoriana.

Nolakon'io jiolahy io tamin'ny « matraque » ilay mpitondra « taxi moto » nony tonga tao amin’ny toerana atao hoe : Ambohimahavony Distrika Arivonimamo ka torana tsy nahatsiaro tena ka lasan'ilay jiolahy ny moto.

Publié dans Vaovao

Jiolahy telo mitam-basy, niketrika fanafihana no tra-tehaky ny Zandary tao Ambinanivy Kaominina Ambatolahy, Distrika Ihosy, ny 02 oktobra 2020.

Nanapoaka basy sady nitifitra ireo jiolahy vao nahatazana ireo Zandary tonga teo amin’ny toerana niafenan’izy ireo.
Raikitra ny fifampitifirana, ka lavon’ny balan’ny Zandary ny iray tamin’ireo jiolahy. Tratra teny aminy ny basy poleta vita gasy, zavamaranitra sy ody gasy. Tafatsoaka ny namany.

 

Publié dans Tselatra

Mpitondra lakana hamonjy fodiana rehefa avy nanaraka ny reniranon’i Maningory no nahita taolampaty maromaro teo amorondano tany andrefan’ny tanànan’i Miarinarivo Fokontany Ambohimanarivo, Kaominina Ambatoharanana, Distrika Fenoarivo Atsinanana.

Taolam-pe 10 isa, sy taola-madinika 17 isa no tao.

Tonga nanao fitsirihana ny Médecin Chef CSB II Ambatoharanana.

Tsy nisy nanao fitarainana vaky fasana anefa, ka dia nalevin’ny Fokonolona ireo taolampaty taorian’ny fanamarinana nataon’ny dokotera sy ny Zandary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nitrangana fifandonana teo amin'ny andian-jiolahy ampolony mitam-basy mitondra rongony avy any Betroka no miampita ny reniranon'i Lagnagna, sy ny Zandary avy ao Ilakaka, ny alin'ny 03 oktobra 2020, tao Andranomena Ilakaka.

Voa teo amin'ny tongony ny jiolahy iray ary nosamborina, tafatsoaka ireo namany tao anatin'ny haizina tanteraka.
Nilanja 245 kg ireo rongony nentin'izy ireo izay navelany mba ahafahany mandositra.

Rehefa natao ny famotorana ny jiolahy voasambotra dia nanoro ireo lehibeny sy ireo iray tsikombakomba ary ny mpandray ireo rongony.

 (Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2