Filtrer les éléments par date : jeudi, 22 octobre 2020

Pilo kely: Nametram-pialana ny praiminisitra lefitra Mona Sahlin tany Suède fa nividy sokola tamin'ny volam-panjakana

" Affaire Toblerone " no niantsoana ity raharaha ity tany Suède tamin'ny fotoan'androny, nividy chocolat Toblerone ity praiminisitra lefitra ity tamin'ny carte bancaire fampiasa ara-panjakana. Nonerany aingana anefa io vidin-tsaokola io, fa mafy ny fepetra fitantanana sy ny mangarahara any Suède ka dia voatery nametram-pialana i Mona Sahlin, izay izy aza no tokony ho kandida ho filohan'ny antoko sosialy demokraty tany Suède tamin'izany.

Publié dans Pilo kely

Des acteurs du milieu judiciaire malagasy, exaspérés par la corruption, qualifient de suicidaire l’initiative d’Idealson visant à réformer les pôles anti-corruption (PAC).

La démarche du député de Madagascar élu à Ampanihy Andrefana, un magistrat reconverti à la politique, cache une diablerie suivant lesdits acteurs du milieu judiciaire.
Selon leurs dires, l’entreprise du parlementaire entérinera la corruption dans le système judiciaire du pays.

La proposition de loi initiée par le député sur la réforme des (PAC) a été votée in extrémis à l’Assemblée Nationale lors de la session précédente.
Les innovations majeures de cette réforme portent sur la suppression de la compétence du PAC en matière d’infractions économiques, la suppression de la confiscation avant condamnation, la diminution de la durée du mandat, la présidence du comité de suivi évaluation par le garde des sceaux.

Publié dans Politique

Pilo kely atoandro: Miangavy ireo député nandray anjara tamin'ny fihinanam-be fanokafam-pivoriana handrotsaka latsakemboka hitam-bahoaka ho an'ny any atsimo ho fanonerana ny lany.

Tsy diso akory ianareo nandray anjara tamin'izany sakafo izany satria norosoina, fa fahatsapan-tena no angatahan'ny mpandoa hetra, izay efa manome karama anareo tsy latsaky ny 10 000 000ar isam-bolana hatramin'ny carburant, ny indemnité, ny hotely hipetrahana rehefa misy fivoriana, ny karaman'ireo assistant parlemantera aza, izay ianareo no omena hitantana azy, mbola misy akepokareo koa, mikarama vary masaka ny sasany.

Ho an'ny birao maharitra izay tompon'antoka feno amin'iny kosa, dia miangavy ny mangarahara ohatrinona no lany tamin'iny. Tsy misy alahelon-kanina velively, fa betsaka ireo sekoly tokony nahorina nefa dia laniana amin'ny zavatra hafa ny vola, ny mpiray Tanindrazana any Atsimo efa Kere.

Azoko antoka fa tsy nanaiky iny fandaniana iny ny Filoham-pirenena raha nanontaniana ny heviny tamin'iny.

Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nivahina tao amin'ny fandaharana rahavavy "L'invité du jour" Real Tv nentanin'i Gascar Fenosoa, ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Betroka, Jean Nicolas Randrianasolo, ny alarobia 21 oktobra.

Publié dans A la Une

Efa nilona hatelona teo ho eo izy ity raha ny fahitana azy.

Nanaraka ny lakan-dranon'Andriatany ny fatin'ity lehilahy ity, ka izao hita teto Antohomadinika izao.

Nahitana karapanondro sy taratasy fahazoan-dalana hitondra fiara teny aminy.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 22 octobre 2020 10:28

Isotry : Nihotsaka tampoka ilay trano

Olona dimy naka ranotany no naratra mafy ka noentina any amin'ny hopitaly. Mbola tsy fantatra hatreto ny toe-pahasalaman'izy ireo.

Efa tranainy ilay trano no anton'ny fihotsahana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
jeudi, 22 octobre 2020 09:38

No comment: Le menu du jour

No comment: Le menu du jour

(Voir Suite Photos)

 

Publié dans Fil info

Matetika izay manongana ny Filoham-pirenena na ny fahefana Mpanatanteraka ihany no enjihina ho mpanongam-panjakana.

Ny Lalampanorenana milaza mazava ireo Andrim-panjakana hiorenan'ny Fitondrana:

"Andininy 40.- Ireto avy ny Andrim-panjakana :
- ny Filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta ;
- ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ;
- ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
Ny Fitsarana Tampony, ny Fitsarana Ambony sy ireo fitsarana miankina aminy ary koa ny Fitsarana Avo no manatanteraka ny asam-pitsarana."

Ka izay miezaka manongana ny iray amin'ireo izany dia mpanogam-panjakana.

Ny Mpitondra Mpanatanteraka ankehitriny dia hita mazava, ary nolazainy ampahabemaso fa hanafoana ny Antenimieran-doholona. Nanao letrezana tamin'izany izy, fa nosakanan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, izay manana adidy hiaro ny Andrim-panjakana.

Publié dans Editorial

Nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 21 oktobra 2020 fa “Azo atao ny mivarotra sy mampiasa ireo tahirin-kazo tsotra entina handaminana ny sehatra miasa amin’ny hazo tsotra. Saingy raràna kosa ny fivarotana sy fanondranana hazo any ivelany. Ireo vokatra efa voarafitra ihany no azo haondrana”.

Miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna ka ireo tahirin-kazo ihany no azo amidy sy ampiasaina, mbola voarara ny fanapahana hazo.

Hisy ny mason-tsivana amin’ny famoahana ireo vokatra.
Hapetraka ny tambazotra fanaraha-maso ny fivezivezen’ny hazo sy ny famoahana izany isam-paritra.

Hamafisina ny fiarovana ireo faritr’ala mba hisorohana ny fanapahana hazo sy fitrandrahana tsy ara-dalàna ; ary ampitomboina ny faritra hovolena hazo mba hahatrarana ny tanjona handrakotr’ala an’i Madagasikara.

 

Publié dans Economie

591 ireo olona mandray volam-panjakana haato tsy handray karama intsony manomboka ny faran’ity volana Oktobra ity, ary hampiakarina “Conseil des Disciplines” taorian’ny fitsirihana natao tamin’ny alalan’ny fanatsarana ny AUGURE.

Olona nandray vola nefa tsy miasa, na tsy voaisa ho mpiasam-panjakana ara-dalàna izy ireo, fa nandray volam-panjakana.

Miisa 7007 ireo mbola eo am-panamarinana ny momba azy ireo ny ao amin’ny fitantanam-bola ankehitriny.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2