Filtrer les éléments par date : mardi, 20 octobre 2020

Mivory ianareo deputé izao, hanapaka ny teti-bolam-pirenena, ka aza be fangataka hitanjozotra hiseho télé fa tapao ary omeo teti-bola matanjaka ny sekolinareo, ny hopitalinareo, ny fanamboarana lalana any aminareo, fa izay tapakareo dia ampiharin'ny mpanatanteraka, na ny Filoham-pirenena aza miondrika manaraka izay laninareo, fa tsy ianareo mpandoa-bary indray no andeha angataka sira amin'ny vahiny asainareo.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Ny handositra hiala tao amin’ny lapan’ny Fitsarana Maintirano no nataony vao nandre ny didim-pitsarana fa meloka higadra enin-taona an-tranomaizina sazy mihatra izy omaly.

Nifanenjehana ilay lehilahy, nipoaka hatramin’ny basy saingy tsy voa izy.

Tsy lasa lavitra anefa izy dia voasambotra, ary dia efa any am-ponja manefa ny saziny amin’izao.

Raharaha roa no nanenjehana azy dia fisolokiana sy fisandohana ho Lietenà miaramila. Maro ny olona efa nahazoany vola.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Niarahaba manokana ny filoha Andry Rajoelina ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine noho ny fifehezana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19.

Anisan’ny nasongadiny tamin’ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimiera izany nandritra ny lanonana mahazatra notontosaina tao amin’ny toeram-pivoriana iraisam-pirenena CCI Ivato androany faha-20 oktobra misandratr’andro.

Ny filoha no “mpitari-tafika” tamin’ny ady, no sady filohan’ny fahefana mpanatanteraka koa, dia rariny raha any aminy no miantefa ny fiarahaban’ny filohan’ny andrim-panjakana iray mpanao lalàna.

Angamba hadinon-dRazanamahasoa Christine anefa fa anisan’ireo nindaosin’ny fahafatesana noho io valanaretina io ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Morombe Rakotomalala Lucien ny alin’ny 7 jolay.

Publié dans Politique

Nindaosin’ny fahafahatesana androany maraina, ny Mpanao gazety mpanao famakafakana Razafitrimo Léon, fantatra amin’ny solon’anarana Léo Raz.

Talen’ny famoahana eo anivon’ny vondrona Ultima Media, misy ny gazety Taratra, Les Nouvelles, Bôjy ary Alliance 92 izy.

Efa talen’ny famoahana ny gazety Le Courrier de Madagascar, Le Journal de Madagascar ary ny Madagascar Matin ihany koa Razafitrimo Léon.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Nahazo ny Grand croix de 2ème classe de l'ordre national malagasy ny telo tamin'izy ireo, Grand officier de l'ordre national malagasy ny roa, efatra kosa dia nahazo Commandeur de l'ordre national malagasy, ary ny fito dia nahazo Chevalier de l'ordre malagasy.

Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, moa no nanolotra izany, izay nisolo-tena ny filohan'ny Repoblika.

Nisy ny fanolorana boky mirakitra ny lalàna momba ny serasera, izay nolanian'ny Antenimiera farany teo, ho azy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tsy fahampiana « calcium » miampy sohika (asthme) izay efa nitaiza azy, no voalaza fa nitarika tsy fahasalamana tampoka nahazo an’ity tovovavy ity.

Izy efa tao anaty efitrano fanadinana bakalôrea no nitambotsotra tampoka izy, raha hiatrika ny taranja matematika androany maraina.

Vao nahita izany ny tompon’andraikitra sy ireo Polisy vavy teo an-toerana dia nifarimbona namonjy azy haingana ka nitondra ilay tovovavy tamin'ny fiara tany amin'ny dokotera.

Nilaza ilay tovovavy fa vonona hanohy ny fanadinana rehefa nahazo hery ka naterin'ireto Polisy vavy tao amin'ny tranom-panadinana.

Bakalôrea ankapobeny, sokajy D no misy azy.

 

 

Publié dans Vaovao

Notanana vonjimaika ao amin'ny fonjan'Antsirabe ireo lehilahy miisa enina voarohirohy tamin’ny famonoana ho faty ny GPHC Rakotondranivo Radonirina Jerison, zandary niasa teo anivon'ny Etamazaoron'ny Vondron-tobim-pileovan'ny Zandarimaria - Vakinankaratra ny alin'ny Talata 13 hifoha 14 Oktobra lasa teo.

Vokatry ny hamamoana dia nanakorontana tao anatin'ny trano fisotroana ireto tovolahy ireto ary nitohy hatreny ivelany izany.

Voatery niditra an-tsehatra ity zandary ity nanasaraka, ka izy indray no nanamparan'izy enindahy nanaovana angaredona.
Vely tavoahangy no nahafaty ilay zandary.

(Loharanom-baovao : ZP)

 

Publié dans Tselatra

20 oktobra 2019 - 20 oktobra 2020, herintaona katroka androany no nindaosin’ny fahafatesana i Fafah.

Rajaonarison Famantanantsoa Andriamihaingo no tena anarany. Fafah no anarana fiantso azy, sady anarana maha mpanakanto, sy tena nahafantarana azy.

Mpiasam-panjakana izy fahavelony.

Iray tamin’ireo mpikambana mpamorona ny tarika Mahaleo i Fafah.
Ny feony izay avo no isany tena nampiavaka azy.
Nampiara-peo tamina mpanakanto sy tarika maromaro ihany koa izy fahavelony.

 

 

Publié dans Art et Culture

Velon-taraina ny mpiasa sy ny tantsaha miara-miasa amin’ny OFMATA (Office Malgache des Tabacs) manoloana ny fikatsoana tanteraka ny fampandehanan-draharaha noho ny tsy fisian’ny Tale jeneraly, banga nanomboka tamin’ny 20 aogositra 2020 taorian’ny nanesorana tamin’ny toerany ny tompon-toerana.

Paraky 741 taonina no voalaza hatreto fa tsy voaloa vola, ka mampitaraina ny tantsaha. Mbola mitohy hatramin’ny aprily 2017 anefa ny fandanjana paraky.

1000 eo ireo mpiasa an-tselika tsy mandray karama.

Santionan’ny olana sendrain’ny orinasa ireo, araka ny taratasy fitarainana nataon’ny mpiasa miantefa amin’ny mpitondra fanjakana, miantso ireto farany mba hanendry izay ho Tale jeneralin’ny OFMATA.

 

Publié dans Tselatra

Araka ny andininy faha-75 amin’ny Lalampanorenana dia mivory ara-potoana ny Antenimieram-pirenena manomboka ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana natokana indrindra handinihana sy handaniana ny tetibolam-panjakana.

Mihatra ho an’ny Antenimierandoholona ihany koa io fepetra io.

Mifanojo amin’ity 20 oktobra 2020 ity io talata fahatelo amin’ny volana oktobra io. Haharitra 60 andro ny fotoam-pivoriana.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2