Filtrer les éléments par date : vendredi, 02 octobre 2020

15 000 000ar ny tontona vao mahazo mirotsaka. Karama 5 volana dia miverina e.

Ny CENI no mizara ny karatra, ny fanjakana no mihazona ny bôty, izay resy tsy mahazo 10% miala maina, mivarotra trano na mamarotra tanin...drazana.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely
vendredi, 02 octobre 2020 20:32

Toamasina: Noravana tanteraka ny Usine Tiko

Notrongisina tanteraka ny Ozinina fanamboarana menaka Tiko Toamasina. Raha ny angom-baovao dia tsy nisy fanapahana avy amin'ny fitsarana fa dia mandritra ny hamehana ara-pahasalamana no anaovana izany.

Publié dans A la Une

Notokanana tetsy Tanjombato – Antananarivo Atsimondrano, androany, ny orinasa "PHARMALAGASY", ivontoerana ahafahana mampiroborobo sy manome vahana ny fikarohana ara-tsiansa malagasy.

Ny CVO + gélules, fanefitry ny valanaretina Covid-19 no fanafody voalohany novokariny. Afaka mamokatra “gélules” CVO + 22 500 isa-minitra, izany hoe : “gélules” 1 350 000 isan’ora ny orinasa PHARMALAGASY. Hamokatra fanafody hafa karazany 13 ihany koa ity orinasa ity.

Nitarika ny lanonam-pitokanana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

Publié dans Sociale

Matetika mila asiana fefy manodidina tamboho ny tany misy ny tena.

Ny tamboho no anisan'ny sarotra, nefa heverina ataotao amin'izao izy io.
Ny Tamboho dia trano lehibe tsy misy tafo.

Kajiana ny halavan'ny tamboho:
Matetika ny tany tsy efamira na mahitsizoro dia refeso ny halavany ambony avaratra + halavan'ny ilany andrefana + ilany atsimo + ilany atsinanana.

1- Fototra

Toy ny manao trano, jerena ny tany anorenana azy. Raha faritra be orana na mando lava izany dia mila jerena manokana izay.
Raha faritra be fasika na onaona, dia loharana teo ny fasika, ary soloina tany mafy voatoto, raha amoron-dranomasina dia asiana pieux hazo ao ambany, atsatoka faran'izay lalina ny bois rond mandram-pahitana tany mafy tsy laitra intsony, dia iny pieux iny, isaky ny 50cm no milevina anaty fondation.

Publié dans Editorial

Nanao fanambarana tamin'ny alalan'ny Twitter ny Filoha amerikanina Donald Trump fa tratran'ny Covid-19 izy sy Mélanie vadiny.

Publié dans A la Une

Sendra alim-podiana tsy fidiny tamin'ny toerana nalehany ity vehivavy iray. Herisetra niafara tamin’ny fandatsahan’aina no nasetrin-drangahy vadiny azy.

Tao Amorona Kaominina Antsahalava any amin’ny Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra, no niseho ity vono olona ity ny 24 septambra 2020 lasa teo.

Vao 28 taona monja ilay nahavanon-doza, noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra.

Maty teny an-dalana hamonjy toeram-pitsaboana, ilay vehivavy vokatry ny ratra nahazo azy.

Voasambotry ny Zandary ilay lehilahy na efa niomana ny hitsoaka aza.

Natolotra ny Fampanoavana ny 29 septambra 2020 izy ka voatazona vonjimaika ao amin'ny fonja Ambatolampy.

 

Publié dans Vaovao

Araka ny fanambarana nataon’ny federasionan’ny baolina kitra ghanéanina tamin’ny alalan’ny tatitra ofisialy, dia ny ekipa nasionalin’ny Qatar no hifanandrina aminy ,amin’ny lalao ara-pirahalahiana izay atao any Antalya (Turquie) ny Alatsinainy 12 oktobra ho avy izao.

Raha ny fandaharam-potoana izay voaray anefa, dia ny Barea an’ny Madagasikara no hifanandrina amin-dry zareo kintana maintin’ny Ghana amin’io daty io ihany.

Mety ho any Maroc indray zany no atao ny lalao, ka hiverina amin'ny ekipan'ny Burkina Be indray no hifanandrinan'ny Barea.

 

Publié dans Sport

Polisy nanao fisafoana amin’ny alina no sendra vehivavy iray bevohoka hamonjy hopitaly hiteraka ny Alarobia teo tokony tamin'ny 12 ora alina.

Nakarin’ny Polisy tao anaty fiaran’izy ireo ary nentina haingana hamonjy ny hopitalibe CHRR Ambositra.

Nigadona teo amin’ny faritry ny hopitaly ny fiara saingy tsy tonga tao amin’ny efitrano fampiterahana akory fa teraka tao anaty fiaran'ny Polisy ilay vehivavy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

2 octobre: Journée Internationale de la non violence.

 

Publié dans Fil info
vendredi, 02 octobre 2020 09:59

2 octobre: Journée mondiale du sourire

2 octobre: Journée mondiale du sourire.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2