Filtrer les éléments par date : dimanche, 18 octobre 2020

Pilo kely: Betsaka ireo efa manana bac azo antoka fa tsy ho afaka raha mamerina manala rahampitso, izaho anisany.

Fotona izao andinihina ny programam-pampianarana, ilaina daholo ve ny zavatra rehetra nianarana hiatrehana ny fiainana, ny tsenan'asa. Tsy maintsy mianatra zavatra mitovy avokoa ve ny zaza sy tanora malagasy rehetra manerana ny Nosy, mbola tsy maintsy ampitoviana daholo ve ny fanadinana rehetra?

« La culture est ce qui subsiste, quand on a oublié tout ce qu’on avait appris ».

Mirary soa ireo hanao Bac.

Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny Televiziona Malagasy io hariva io, fa tsy misy intsony ny hamehana ara-pahasalamana rehefa naharitra fito volana.

Nanamafy ny filoha fa hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana arovava orona, fanasana tanana amin’ny savony sy fanosorana « gel désinfectant » ary ny fanajana ny elanelana 1 metatra.

Publié dans Tselatra

Miantso ny olom-pirenena rehetra mba hamela ny mpianatra hiatrika ny fanadinana ampitoniana ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Assoumacou Elia Béatrice, « izay antoka hananan'ny mpiadina fifantohana amin'izany fanadinana hatrehiny izany », hoy izy.

« Tsy ho tombotsoan'iza na iza ny fanakorontana ny mpianatra hanala fanadinana fa fanapotehana ny hoaviny », hoy izy.

Misaotra ary midera ny ezaka nataon'ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana, ny Minisitra Assoumacou Elia Béatrice taorian’ny nisamborana sy nampidirana am-ponja vonjimaika ao Antalaha olona miisa efatra, mpampianatra iray sy tanora telo izay mpianatra hiatrika fanadinana bakalôrea.

Publié dans Sociale

Tonga adiny roa mialoha eny amin’ny toeram-panadinana, karatra maha mpianatra, miampy kopia fahaterahana ho an’ireo mpiadina latsaky ny 18 taona. Anisany fepetra vaovao noraisin’ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny fanadinana bakalôrea amin’ity 2020 ity ireo.

Niteraka resabe ny fepetra, indrindra ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika io fanadinam-panjakana io, nefa lavitra ny foibem-panadinana no monina. Fa sahirana ihany koa ireo ray aman-dreny sy ireo mpiadina latsaky ny 18 taona tamin’ny fakana kopia fahaterahana izay takiana amin’ny fiatrehana ity bakalôrea ity.

Maro ny mpiadina teraka tany amin’ny Distrika ivelan’ny foibem-banadinany, fohy anefa ny fotoana nahafantarana fa taratasy takiana io kopia io sy ikarakarana azy, ka niteraka tebiteby sy tsy fitonian-tsaina ho an’ny ankamaroany amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fanadinana izao.

Publié dans Vaovao

18 octobre : Journée Mondiale de la ménopause.

 

Publié dans Fil info