Ilay te hanafoana ilay Loholona indray no to sahirana
Pilo kely: Ilay te hanafoana ilay Loholona indray no to sahirana te handresy amin'ilay fifidianana
Tafandria mandry e.
Patrick
Analamanga : Natsangana tamim-pomba ofisialy ny AJMA
Tafatsangana tamim-pomba ofisialy ny AJMA na ny Associations des Jeunes Maires Analamanga), fikambanan'ireo ben'ny tanàna maromaro. Notanterahana teny amin'ny Carlton Anosy ny lanonam-panokafana.
Ny tanjon'izy ireo dia ny fitoviam-pijery amin'ny lafin'ny fampandrosoana ny kaominina tsirairay amin'ny ankapobeny.
Mahatsiaro ho tompon'andraikitra izy ireo amin'ny fifidianana loholona, ary vonona ny hanatanteraka ny fifidianana.
(Jereo Sary Tohiny)
Manakara: Arovana amin’ny fikaohan’ny ranomasina ny tanàna
Hisy fanorenana fotodrafitrasa ho fiarovana ny morontsirak’i Manakara, amin'ny voka-dratsy ateraky ny fiakaran'ny ranomasina sy ireo loza voajanahary.
Natao indrindra hiaro ny tanànan'i Manakara tsy ho difotry ny rano rehefa fotoam-pahavaratra sy ny rivodoza ny fotodrafitrasa.
Mitentina 800 000 dolara ity tetikasa ity izay eo ambany fiahian'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.
Fizaram-paritra: Samy hisy Distrika telo avy handrafitra an’i Vatovavy sy Fitovinany
Nihaona tamin’ireo Ampanjaka, raiamandreny amin’ny fiaraha-monina sy ireo manampahefana avy amin’ny Distrikan’i Mananjary, Ifanadiana, Nosy Varika, Manakara, Vohipeno ary Ikongo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Finaonana natao tao Vodirano Manakara ny sabotsy 10 oktobra 2020.
Votoatin’ny fihaonana sy dinika ny amin’ny hizarana ho roa ny faritra Vatovavy Fitovinany.
Fizarana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana no atao, hanatsara ny fitsinjaram-pahefana sy hanala ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fivezivezena momba ireo taratasim-panjakana fa tsy fizaram-poko na fampisaraham-bazana, hoy i Andry Rajoelina.
Andakorobe Ambinany - Antalaha: Nitrangana vaky fasana, niparitaka ny taolam-paty
Taolam-paty niparitaka etsy sy eroa no hita sy nanaitra ny fianakaviana tompom-pasana ao Andakorobe Ambinany ao amin'ny Distrika Antalaha ny Sabotsy 10 oktobra maraina.
Tsy mbola misy tratra ny tompon’antoka amin’izao vaky fasana tao amin’ity toeram-pandevenana ity, izay tranga tsy vaovao mpiseho ihany koa.
(Sary : Zakaiosy Bayo)
(Jereo Sary Tohiny)
Ihazolava-Ambatolampy: Lasan’ny jiolahy ny vola 780 000 Ariary tao amin’ny Cash Point iray
Cash Point iray teo Ihazolava, tanàna iray ao atsimon'Ambatolampy, raha hiazo an’Antsirabe manaraka ny lalam-pirenena faha7, no voasolokin'ireto jiolahy, ny 9 octobra 2020 misandratr’andro.
Tratry ny fandraikiraikena ny mpitantana ilay Cash Point ka lasan’ny jiolahy ny vola 780 000 Ariary.
Nitsoaka tamin’ny fiara Hyundai izy ireo taorian’izay.
Nahazo fampandrenesana ny Zandary Ambohimandroso ka namelatra sakana avy hatrany.
Fetin’ny 14 oktobra any Anahidrano: An-dalana ireo hanatrika ny lanonana
Nianga androany alahady 11 oktobra hariva tany amin’ny misy azy ny ankamaroan’ireo goverinoram-paritra mba hihazo an’Antananarivo renivohitra.
Any Antsohihy no tena anton-dian’izy ireo.
Fantatra fa hitanjozotra ho any amin’ny faritra Sofia izy ireo rahampitso alatsinainy sy ny talata ihany koa.
Hanatrika ny fankalazana ny fetin’ny faha-14 oktobra any an-toerana miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo manampahefana ambony hafa no fotodian’izy ireo any.
Any Anahidrano, izay toerana nahalatsahan’ny tavonin’ny filoham-pirenena voalohany Tsiranana Philibert, no ivon-toeran’ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny nahaterahan’ny Repoblika Malagasy.
Brezila: Mihoatra ny 150 000 ireo lavon’ny Covid-19
Tsy mitsaha-mihombo ny valanaretina any Brezila, firenena ahitana mponina maherin’ny 212 tapitrisa. Mihoatra ny 150 000 ireo marary lavon’ny Covid-19 any amin’ity firenena ity.
Donald Trump: Hanohy ny fampielezan-kevitra taorian’ny Covid-19 nahavoa azy
Salama, tsy atahorana hamindra tsimok’aretina Covid-19 intsony i Donald Trump, hoy ny mpitsabo azy.
Hanohy ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena amerikana, atao afaka iray volana latsaka, i Donald Trump, taorian’io tsy fahasalamana nandalo tsy maintsy nidirany hopitaly andro vitsy io.
MMM: Handrotsaka kandida Loholona
Hiatrika fifidianana loholona ny antoko MMM na Malagasy Miara Miainga. Handroso lisitra hifaninana ao amin’ny Faritany Antananarivo sy Toamasina ity antoko tarihin’i Hajo Andrinainarivelo, minisitry ny Fanajariana ny Tany, sy ny Asa Vaventy ity.