Filtrer les éléments par date : samedi, 07 septembre 2019
samedi, 07 septembre 2019 10:12

Fahatongavan'ny Papa: Ahoana ny arofenitra?

Araky ny efa nambara tamintsika teto ihany, ny Fiangonana Katolika dia manana rafitra ifotony. Izay ny Diosezy no fitsinjaràny (mitovitovy amin'ny Faritra na Région eto amintsika).

Ny Eveka no ambony indrindra raha ny an-tanatohatra no resahina, ny Papa izany dia Evekan'i Roma, any ny Dioseziny, ny Kardinaly koa dia Eveka, ary manana ny Dioseziny ihany koa izy, mpiara-miasa akaiky ny Papa ny Kardinaly, ary azo fidiana ho Papa raha latsaky ny 80 taona, ary mifidy Papa raha misy tsy maha eo intsony ny Papa, izay mandat à vie, raha tsy hoe miala izy toa an'i Papa Benoit XVI.

Ny antsika Malagasy, ny Kardinaly Désiré Tsarahazana dia Evekan'ny Diosezin'i Toamasina, izy moa dia sady Arseveka ihany koa, izany hoe mandrindra Diosezy maromaro, antsoina hoe Archidiocèse any amin'ny faritra no antsoina hoe Arseveka.

Publié dans Art et Culture
Page 2 sur 2