Pilo kely : Hay bagage à main marina ilay 73kg

  • dimanche, 10 janvier 2021 22:15
  • Super User

Ny tatitra nataon'ny UNCom Trade (United Nations International Trade Statistics Database), ivo-toerana mpanangona antontanisa eo anivon'ny firenena mikambana, dia nahatratra 200tonnes ny volamena nahondrana tany Emirats Arabes Unis, araka ny fanambaran'ny fadin-tseranana ao an-toerana, avy aty Madagasikara ny taona 2008-2016, izay 31.42tonnes ny taona 2009 ary 9.27tonnes ny taona 2017.

Ny tatitra nataon'ny Transparency International kosa dia manambara fa mahatratra 15tonnes ny volamena mivoaka eto Madagasikara isan-taona raha ny tatitra ny taona 2018.
Maro moa ireo loharanom-baovao manamafy fa nitohy hatrany izany fanondranana volamena izany nandritra ny fihibohana.

Raha atao tsotsotra izany ny kajy 15tonnes = 15 000kg/300 andro fiasana, satria moa ny douane tsy mahita rehefa andro tsy fiasana, araka ny nambaran'izy ireo, dia 50kg isan'andro izany ny volamena mivoaka eto amintsika mandritra ny andro fiasan'ny douane.

Bagage à main 73kg, volamena indray andro izany ity mampitabataba antsika rehetra ity.
Rahampitso izany efa misy 50kg mandeha any Dubai indray.

Tafandria mandry aby,
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.