Pilo kely : Tara 2000 taona ve isika ?

  • vendredi, 20 novembre 2020 20:05
  • Super User
  • Sary nindramina

Raha mijery ny tantara romanina isika, na ny tantaran'ny Jody, na ny mety akaiky ny maro dia ny tantaran'i Kristy, izay andraisana ny fikajiana ny taona, dia efa nikararo avokoa ny olona tamin'izany, efa natsaka teo amin'ny vovo ny olona.

Isika 2000 taona aorian'i Kristy, mbola tsy mikiraro, mbola maro no tsy manana vovo fatsakana, ny misotro rano-potaka, na Jirama vidiana mbola feno loto sy fotaka, tsy resahina ireo any atsimo maka rano amin'ny arabe amin'ny fotaka. Mbola tapitra mahandro amin'ny kitay sy saribao ny 99% n'ny Malagasy.

Mbola ampianarina ary anaovana andro iraisam-pirenena ny fanasana tanana. Olona avy mandeha WC, maro ny mbola tsy tonga saina manasa tanana, fa vao vita ny pipi na caca, dia lasa, dia mihinana tanana feno pipi sy caca.

Maro ny viavy, tsy manana serviette hygiénique, fa dia izay vorodamba misy ao no sasasasana.
Maro ny lehilahy voretra, zara raha misaika, na tsisy rano na efa lasa fahazarana ny havoretrana.

Tara 2000 taona mihitsy isika raha oharina amin'ny fandrosoan'ireo firenen-kafa, fa tsy tara 60 taona fotsiny.Izy efa nanana lalana pavé, trano miezinezina, colisé, tsena ara-dalàna, angadin'omby sy hersa fambolena 2000 taona lasa izay. Isika mbola angady mondry no hiasana tany ny ankamaroany.

Izy moa ve tsy hanana olona nahantra, fa ny fandrosoany 2000 taona lasa mbola tsy tratratsika akory.
Andeha atao hoe manana internet angaha isika, fa ry zareo mbola papyrus sy voromahailala no nandefasany hafatra.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.