Alaviro ireo namana manana fijery mihiba

  • lundi, 16 novembre 2020 22:18
  • Super User

Io saintsika io dia miasa tsy baikoina, na matory aza ianao dia miasa foana izy io.
Raha misy tanjona tianao ho tratra, dia eritrereto iny tanjona iny, raiso an-tsaina tsirairay ny fomba anatratraranao azy.

Esory an-tsaina ilay eritreritra mihiba, satria voatanan'ny saina iny, ka dia ho amafisiny hatrany iny mihiba iny, ka hitarika hakiviana ho anao.

Raha mijery mihabo ianao dia hijery mihabo ihany koa io sainao io, ka hibaiko ny vatanao rehetra ho mihabo sy atanjaka anatanterahinao ny tanjonao.

Azo atao ny manisy sary ho peta-drindrina ao antranonao ho hitan'ny masonao hatrany ny tanjonao, ohatra Plan trano, na modely fiara, na tracteur, na fambolena.

Alaviro ireo namana tsy sasatry ny manakivy sy mijery mihiba, tsy izy no resenao lahatra amin'ny tanjona tianao tratrarina fa ny sainao miasa mangina izay manira-tena mihiba na mihabo arakaraky ny baiko omenao azy.

Tafandria mandry e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.