Pilo kely : Sambatra ny ankehitriny misy facebook sy someso

  • lundi, 09 novembre 2020 20:30
  • Super User

Ny anay tamin'izany raha andefa hafatra miafina ianao, dia ny kahie no androvitana kely, dia soratana ny hafatra, dia atsipy ery aloha amin'ilay sipa, indraindray tsy tafita eny ilay hafatra fa misy misopatra eny ampanidinana, na lasa eny an-kafa ka ataony fa izy no andefasanao ilay teny mamy, ka na ianao angarihany, na velotsiky colgate izy.

Misy ny loza fa hitan'ilay mpampianatra ilay hiainga iny ny tanana anipy ilay hafatra, dia mody manafosafo loha aingana, ka dia tsakoina atelina ity fati-taratasy tsy ho tratra.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.