Pilo kely: Tena te hiroso amin'ny digitalisation ve?

  • jeudi, 15 octobre 2020 20:18
  • Super User

Ny olona efa tout numérique, ka ny antsika digitalisation mbola karne boky be, ny rakibolana tsy fichier Pdf na Pad no ampiasaina fa natao boky be milanja 2kg, aiza ny ankizy no tsy ho be lamosina hilanja kitapo, sady mbola andeha tongotra 4km andeha hianatra, ny ala efa tsy misy mbola tapahana anamboarana taratasy.

Hita fa tsy vonona hiroso amin'izany numérisation sy digitalisation izany, ka ny teti-bolan'ny ministera tokony hisahana izany aza no anisan'ny ambany indrindra, zara raha misy andoavana karaman'ny mpiasa fotsiny.

Teti-bola nasiam-panitsiana 2020 (LFR 2020) :

MINISTERE DES POSTES, DES TELECOMMUNICATIONS ET DU DEVELOPPEMENT NUMERIQUE - Investissement externe 3 634 000 000 - Investissement interne 6 309 243 000 ar Total investissement 9 943 243 000ar - Total budget avec fonctionnement et salaire 11 456 992 000ar ; nefa ny an'ny ministera kolotsaina sy serasera 60 miliara ariary latsaka kely, ny an'ny ministère mine et ressources stratégiques 22 miliara ariary latsaka kely fotsiny, izany hoe tsy vonona hitrandraka ny harena eto an-toerana fa dia hivarotra sy hiantehatra amin'ny vahiny ny fitrandrahana ny harena.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.