Rafotsy be nita tatatra, manitatra ny efa mikatona

  • mercredi, 14 octobre 2020 21:21
  • Super User

Pilo kely: Rafotsy be nita tatatra, manitatra ny efa mikatona

Ny firenen-drehetra miezaka mampiray sy manalehibe ny faritra, ao aza ny mampitambatra firenena maromaro mihitsy, isika indray miezaka manohy ny famakivakisana ny faritra, ka rehefa nisokatra ry Vatovavy sy Fito vinany, dia angataka koa ry Mahafaly sy Androy, dia hila kisa eo koa ry Analanjorofo sy ry Mangoro, ry Vakiniadiana sy ry Tsy Mahafotsin'Ambatolampy, ry Sojabe Mahajanga mbola miketrika.

Ka iza tokoa moa no tsy hila fandrosoana aingana, satria ny politika ampiharina eto dia izay renivohitra no mahazo ny rehetra, nefa tokony omena ny fokontany ny fahefana sy ny 50% ny teti-bola, dia faritra vitsy sisa mandravona sy mandridra azy.

Tafandria mandry e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.