Omeo ny Faritra atsimo ny harenany, foana ho azy ny mosary

  • dimanche, 04 octobre 2020 19:49
  • Super User
  • Sary nindramina

Tsara avokoa ireo fikasana anavotra ny any Atsimo.

Ny faritra atsimo anefa no manan-kareny indrindra raha samy faritra eto Madagasikara, fa saronana foana amin'ny hoe faritra mahantra, tsy misy orana, kere...

Raha mijery ny harena ambanin'ny tany, anaty ranomasina, ambonin'ny tany, dia sady feno rano iny faritra atsimo iny, porofon'izany ny habehan'ny renirano any fa tsy voafehy, very andriaka aby, feno pétrole, feno gaz, feno safira, volamena, uranium, fasimainty, cobalt, nickel, mica, maniry ny zavatra rehetra ny tany, na fary, na vary, na katsaka, blé, coton,...

Fa olon-kafa avokoa no mitrandraka izany, ary dia fotsim-bary hatrany no aterina any, atao daholo izao projet rehetra izao.

Ny vahaolana maharitra any dia omeo andreo ny fananandreo, ireo manan-janaka nianatra maro.

Raha 50% monja no omena azy tantaniny, dia efa mihoatra ny 3000 miliara ariary isan-taona ny teti-bolandreo, efa antsasaky

ny teti-bolam-pirenena.

Izy mahay ny lalana amboarina, ny pipeline, ny dam, ny ozinina, ny hopital..
Ny fanjakana manampy, manofana, manara-maso sao misy manodikodina ny vola sy ny harena.

Tafandria mandry e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.