Fantatrao ve: Ahoana ny momba ny angovo nokleary

  • lundi, 29 juin 2020 11:37
  • Super User
  • Sary nindramina

Maro ireo karazana angovo, azo avy amin'ny herin'ny masoandro, rano, rivotra, hafanana, solika. Fa ao ihany koa ny azo avy amin'ny nokleary.

Inona no antsoina hoe nokleary

Tsy vahiny amintsika ny baomba nokleary izay nalatsaky ny Amerikanina tany Hiroshima sy Nagasaki tany Japon ny taona 1945, izay nampijanona ny ady lehibe faharoa.

Ny akora tsirairay raha zaraina faran'izay madinika dia misy ny atao hoe atome, izany hoe akora faran'izay madinika tsy azo vakivakiana intsony.

Io atome io anefa dia misy ny noyau eo afovoany, izay ny protons no mandrafitra azy, mitondra herinaratra mihabo izy io, charge positive (+) sy neutrons izay neutres ny herinaratra eo aminy,

Misy akora toa ny hydrogène no tsy manana neutrons, antsoina hoe isotope io noyau io.

Ny protons sy ny neutrons no antsoina hoe nucléons, izay misy hery mampitambatra azy io, na liaison nucléaire.

Ary misy électron vitsivitsy na maromaro manodidina io noyau io, ny électron dia mitondra ny herinaratra mihiba, charge négative (-). Misy ny hery mitazona ireo électrons ireo hifikitra amin'io noyau io, na force électromagnétique.

Rehefa sarahina izany io neutrons sy protons io dia miteraka hafanana be, ary mety hipoaka mihitsy. Explosion nucléaire.

Ka ny angovo azo avy amin'ny neutrons io izany no fehezina hapoaka sy sarahina ka hiteraka hafanana. Iny hafanana iny no amanana rano, ka ahazoana entona, vapeur, ka iny entona iny indray no ampidirina anaty motera anosika ny piston, ka ny piston anodina vilebrequin, ary eo amin'ny tendron'ny vilebrequin mihodina no asiana alternateur, ka ny alternateur na dynamo no ahazoana herinaratra.

Inona no akora ilaina

Ny Uranium, na Plutonium no anisan'ny akora tsara indrindra ahazoana io fipoahana sy hafanana io.

Mila rano ihany koa izay hafanaina ampihodina ny Réacteur.

Inona ny antsoina hoe radioactivité

Io akora Uranium io dia hita any ambanin'ny tany, io no anisan'ny mampangotraka ny akora ao ambanin'ny tany, anisany mahatonga an'ireny lave volcanique ireny. Izany no ahitana ny Uranium any Antsirabe, Betafo, faritra be volcan teo aloha.

Io Uranium io anefa raha tsy misy fepetra hiarovana azy dia mamoaka taratra mamono ny selan'ny olombelona. Ka izay no mahasarotra ny fikirakirana sy ny fitrandrahana azy io.

Fako nokleary na Déchet nucléaire

Rehefa mipoaka io atome io, dia manafàna rano, mba tsy hampisy loto iny rano iny, dia tsy avela hifampikasoka amin'ilay Uranium izy, fa misy efitra voatokana hipoahan'io Uranium io, fa ny rano ety ivelany hafanain'ny rindrina manasaraka azy, rehefa avy manodina ny turbine izany ilay entona azo avy amin'ilay rano, dia ampangatsiahina, ary avoaka amin'ny renirano.

Izay no mahatonga ny Réacteur nucléaire no apetraka amoron-drano hatrany.

Ahoana ny fiarovana ny tontolo iainana

Matetika hitatsika ny Réacteur nucléaire ohatran'ny cheminé misy setroka be mivoaka iny, ao anatin'ny réacteur ao, no misy ilay Uranium apoaka hanome hafanana, iny no arovana indrindra, fa ilay setroka fotsy tazana mivoaka iny, dia setroka ranomafana avy nampiodinana ilay turbine, misy fetra fanaraha-maso izy iny.

Ny rano mafana avy nakana entona kosa dia mila ampangatsiahina mba tsy hamono ny trondro sy ny zavamaniry ao anatin'ny renirano amarinana ilay rano.

Inona no mahatsara ny angovo nokleary

Mora vidy sy betsaka ny angovo azo avy amin'ny nokleary, fa lafo kosa ny fanamboarana azy eo ampiandohana, fa raha zaraina amin'ny taona hampiasana azy sy ny vokatra azo dia mora izy.

Raha voafehy izy dia tsy azo atao hoe mandoto ny tontolo iainana, toy ny fampiasana solika. Kely ihany koa ny Uranium ampiasaina dia mahazo angovo marobe. 1kg amin'ny Uranium dia mitovy ny vokatra azo amin'ny 10 tonnes équivalent pétrole (tep).

Izay no mahatonga ny sous-marin militaire, ny sambo mpiady mampiasa ny Uranium amin'ny motera ampiasainy, satria kely fotsiny ny akora entiny, tsy mibahan-toerana, ary maharitra ny fijanonany any ambany rano any, na eny anivon-drano tsy mila manampy solika. Ho an'ny sambon-danitra, dia ilaina izy satria mitovy hatrany ny hery avoakany.

Ny réacteur nucléaire 1 dia mamokatra herinaratra 500-1650MW any. Raha réacteur 900MW ohatra dia manome 500 000MWh isam-bolana na filana 500 000 tokatrano any.

Izany hoe Réacteur nucléaire 10 fotsiny dia efa ampy ho an'ny tokatrano Malagasy rehetra.

Ohatrinona ny manamboatra Réacteur nucléaire iray

Eo amin'ny 2 milliards euro eo ny réacteur iray, ary 80kg isan'andro eo ny Uranium ilainy, mamokatra any amin'ny 1MégaWatt (1000KW), mahavita 1 000 000mponina.

Inona no maharatsy azy

Mila teknolojia voafehy izy, satria dia mipoaka, ary mandoto ny tontolo iainana, mahafaty mihitsy raha tsy voafehy.

Ny firenen-dehibe izay mpikambana ao amin'ny ONU no mifehy ny fampiasana azy io, satria raisina toy ny akora azo ampiasaina amin'ny fitaovam-piadiana izy io, izay ilay hoe utilisation civile - militaire.

Misy fako nokleary izy io, ka na efa niasa aza ny Uranium avy napoaka dia mbola mamono ary vao maika aza betsaka ny radioactivité avoakany, ka mila alevina sy arovana. Ny firenen-dehibe no mifehy io resaka fako nokleary io. Betsaka ny fanaraha-maso azy io, sao misy manary any anaty ranomasina, na misy mandevina azy io any amin'ny firenena mahantra.

Ny firenena mampiasa azy io dia atahora'ny mpizaha-tany sy ny fambolena bio raha tsy voafehy.

Inona no azo ampiasaina io teknolojia io

Amin'ny utilisation civile, dia azo entina hitsaboana izy io, ohatra fitsaboana ny cancer, fanaovana radio ho fitiliana ny taolana na ny any anaty vatana.

Azo anaovana soudure, azo ampiasaina any amin'ny indostria, azo ampiasaina hamanana rano anaovana chauffage, azo anamboarana pile nucléaire.

Betsaka ny fikarohana momba azy io, ary Madagasikara dia manana centre de recherche eny Ankatso momba ny resaka nokleary.

Tsara ho an'i Madagasikara ve

Izaho manokana dia tsy mankasitraka ny fampiasana ny nokleary amin'ny angovo akana herinaratra, satria miankina tanteraka amin'ny vahiny ny teknolojia, ny fahazoan-dalana ampiasa azy, ny fako aterany, ny loza mety aterany.

Amiko ny fiaraha-miasa amin'ireo izay hitrandraka ny akora no atao.

Isika nosy, ary ny fizahan-tany sy ny fambolena bio no anisan'ny fanoitra ho antsika.

Manana akora marobe isika ahafahana mamokatra angovo, masoandro, ranomasina, rano, rivotra, hafanana, izay isika no mifehy azy, tsy hiankinana amin'ny firenen-kafa.

Ny angovo dia stratejika, ka tsy tokony hiankinana amin'ny vahiny.

Ny fampiasana azy ara-tsivily, amin'ny fitsaboana, amin'ny indostria kosa dia tsara tohizana ny fikarohana ary ampiasaina ampaha-malinana.

Mirary soa e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.