Fantatrao ve: Inona no antsoina hoe Hetra

  • lundi, 02 mars 2020 15:11
  • Super User

Tantara:

Talohan'ny taonjato niainan'i Jesoa Kristy dia efa nisy ny Hetra. Vola na vokatra nalain'ny mpanjaka na ny fanjakana (Etat) (ny fanjakana dia misy teny fototra hoe mpanjaka), amin'ireo olona eo ambany fiadidiany ampandehanana sy hizaka ny fandanian'ny mpanjaka na ny fanjakana.

Ny mpanjaka na ny fanjakana, mba hampihorina azy dia misy asa ataony ho an'ny fiaraha-monina, fotodrafitrasa, fiarovana...ka dia ampiasainy izay Hetra izay.

Taty aoriana, andron'ny Antiquité, dia nasiana Hetra ihany koa ireo vokatra avoaka ivelan'ny fanjakana, hiarovana ny tsy fahampian-tsakafo na vokatra ho anin'ny olona ao anaty fanjakana. (Droit de sortie assis sur les biens).

Ny fotoanan'ny Moyen âge kosa dia teraka teo ny Hetran-tany. Izany hoe an'ny Mpanjaka avokoa ny tany, ka izay vokatry ny tany dia anomezana ny ampaham-bokatra ny mpanjaka. io ilay CENS omena ny mpanjaka, ary anjaran'ny mpanjaka no miaro ny mponina amin'ny fanafihana ataon'ny fanjakana hafa. Teto Madagasikara no nisy ny hoe "Fetin'ny santa-bary", io ilay vary voalohany omena ny mpanjaka.

Tamin'ny andron'i Andrianampoinimerina, mpanjakan'i Merina, no teraka ny anarana hoe HETRA.

Fananan'Andrianampoinimerina ny tanimbarin'ny Betsimitatatra, nozaraina vala maromaro ny tanimbary, ka nantsoina hoe "HETRA" ny vala iray. Isaky ny "Hetra" iray izany no nametrahana ny vokatra tsy maintsy omena ny mpanjaka ka mandoa "Vary fito venty" (une piastre). Io izany no niandohan'ny HETRA tany (impôt foncier na impôt réel)

Nisy ihany koa ny hoe "Vidin'aina", io ilay "Hasina" (Une piastre) aloa hanambaràna fa manaiky ny mpanjaka, ary izy no miaro ny olona sy ny fanjakana. (impôt d'allégeance et d'obéissance envers le Roi)

Ny antsika eto Madagasikara moa dia nanaraka ny système d'imposition n'ny Frantsay.

Nisy ny Hetra isan-dahy, izay feno 21 taona dia tsy maintsy mandoa (impôt direct ou impôt personnel ou impôt de capitation. Izy io dia ireo mahantra no tena niajadian'io fa tsy ny mpanana, natao izy io hanerena ireo tantsaha hijanona amboly any aminy fa tsy hiala any an-toerana. Nofoanana ny taona 1972 io Hetra isan-dahy io teto Madagasikara.

Nisy ihany koa ireo Hetra aloa amin'ireo entana miditra ao amin'ny fanjakana na droits de porte - droits de douanes, nihatra izy io tamin'ny varotra sira tamin'izany "La gabelle".

Inona ireo Hetra ankehitriny:

Maro pitsopitsony izy io, fa ireo hetra misongadina no resahintsika:

1- TVA (20%): Taxe sur la valeur ajoutée, isaky ny entana vidiana dia andoavana Hetra 20% amin'ny vidiny, ankoatran'ny PPN sy izay entana hafa.

2- Impôt foncier (Hetran-tany)

3- Impôt sur le revenu (Hetra alaina amin'ny tombom-barotry ny orinasa) 20%

4- Impôt synthétique (5% chiffre d'affaire), ho an'ireo orinasa madinika, dia tsy anaovana kajy lava fa avy dia akana 5% amin'ny vola maty na ny vola miditra (Chiffre d'affaire)

5- Impôt douane, matetika ireo entana mivoaka dia tsy mandoa an'io hetra io ny ankamaroany, fa ny vola vahiny azo avy eo kosa no tsy maintsy miverina, fa ireo entana tonga na nafarana no misy io frais de douane io. natao hampidiram-bola ho an'ny fanjakana izy io no hiarovana ihany koa ny orinasa sy indostria eto an-toerana.

Ohatra ireo akoara famokarana angovo azo avaozina toy ny solaire izao dia tsy mandoa douane avokoa. Fa ireo entana efa azo jifaina avy hatrany toy ny fiara dia mandoa douane.

6- Droit de mutation et enregistrement: Raha misy varotra na famindrana fananana dia akan'ny fanjakana vola. Ohatra fiara amidy, na afindra anarana amin'ny olon-kafa. Ny fandovàna izao dia mbola notohizan'ny fanjakana ankehitriny ilay fepetra teo aloha hoe tsy andoavam-bola ny famindrana ny fandovàna tany.

7- IRSA 20%, hetra alaina amin'ny karama

8- Taxe pétrolier, hetra alaina amin'ny solika 20-30%

Ny Hetra no tena fidiram-bolam-pankajana, raha 8 000 milara ariary ny tetibolam-pankana ankehitriny, dia ny 5 000 miliara ariary amin'io dia Hetra aloan'ny Malagasy avokoa.

Ankehitriny dia latsaky ny 15% n'ny Malagasy ihany no mandoa Hetra. Ny TVA dia betsaka ny mpivarotra maka azy, nefa tsy mandoa izany any amin'ny fanjakana, na ny mpiasam-panjakana ihany koa mangalatra ny Hetra angoniny, toy ireny haba-tsena ireny.

Ny fifehezan'ny fanjakana ny fanangonana ny Hetra sy fampiasana izany Hetra izany hiverina amin'ny vahoka izany no mampahomby ny fitondrana na tsia.

Raha misy ny tratra tsy mandoa Hetra dia ahoana?

Ny fanjakana dia manana fahefana anangona ny Hetra, ary misy sazy ho an'ireo tsy mandoa Hetra. Ny mpandraharaha izany na ireo tompon'ny orinasa dia mpanango-ketra maimaimpoan'ny fanjakana, satria izay mpanjifa mividy zavatra ao aminy, na omeny service dia akany ilay hetram-panjakana, ka anjarany avy eo no mandrotsarka izany hetra izany any amin'ny fanjakana rehefa nesoriny ny hetra naloany tamin'ny hafa. Ka raha tara izy mandoa an'izay hetra izay amin'ny fanjakana dia voasazy izy, ary mety giazan'ny fanjakana hatramin'ny fananan'ny orinasa.

Rehefa inona no giazan'ny fanjakana ny fananan'ny orinasa?

Ny mpandraharaha dia voaharo manokana ny fananany, tsy misy idiran'ny fananan'ny mpandraharaha ny fananan'ny orinasa (Personne morale, na olon-kafa manana karapanondro na identité fiscale izany ny Orinasa, samihafa amin'ny personne physique izay manana ny karapanondrony ihany koa ilay tompon'ny Orinasa).

Ny personne physique izay mitantana ny fananan'ny société na personne morale kosa dia tsy afaka manodikodina izay fananana izay, io ilay antsoina hoe "Abus des biens sociaux" raha manararoatra mampiasa ny fiaran'ny orinasa ny Gérant hitondrany ny fianakaviany mitsangatsangana nefa tsy voafaritra anatin'ny tombontsoa manokana omena azy.

Matetika hitatsika ireny taxibe lasa fiara fitaterana mariazin'ny tompon'ny fiara ireny. Miala mialoha eny ampiasana fa ilain'ny tompony ny fiara. Nefa ny fiara mpitatitra dia manana bokin'andraikitra na cahier de charge, tsy mahazo miala mialoha amin'ny asa fitaterana. Tsy an'ny tompony ny fiara ka hanao izay tiany atao, fa fiara natokana anaovana fitateram-bahoaka.

Tsy azon'ny fanjakana atao ny maka ny fananan'ny tompon'ny orinasa raha tsy mahaloa vola ny orinasa fa ny azony atao ny manaporofo fa nisy fanodikodinana ny fananan'ny orinasa nataon'ny tompon'ny orinasa, fa tsy maintsy didim-pitsarana no mamaritra an'izay, "Abus de biens sociaux", izay mampigadra mihitsy.

Eto Madagasikara dia tsy misy ny déclaration d'impôt sur le revenu ho an'ny rehetra, ka hakan'ny fanjakana vola isan-taona, fa ny Hetra alain'ny fanjakana amin'ny karama isam-batan'olona no alainy IRSA (20%) amin'ny vata-karama fa misy fepetrasy karama farany ambany akany azy.

Ny mpampiasa koa dia mandoa vola amin'ny CNAPS sy OSTIE na izay mitovy amin'izay, misy koa ny anjaran'ny mpiasa.

CNaPS 14% amin'ny vatakarama

13% patronale, na aloan'ny mpampiasa

1% salarié, aloan'ny mpiasa

Ostie 6%

5% patronale

1% salarié

Raha fintinina izany, dia ny mponina tsirairay dia mandoa TVA 20%; mandoa IRSA na IR, izany hoe 20% amin'ny vola miditra, ary ireo hetra isakarazany, douane, izay ny mpanjifa no andoa azy farany, ny taxe pétrolier, taxe OMDA (ireo haino amanjery rehetra dia mandoa vola amin'ireny hira sy film rehetra alefa ireny), dia mety tafiakatra hatrany amin'ny 60% n'ny vola miditra amin'ny tsirairay izany no omena ny mpitondra tantanany andoavany ny fandaniana rehetra hampandehanana ny fiainam-pirenena.

Andoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, ny karaman'ny filoham-pirenena, ny governemanta, ny député sy sénateur ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry rehetra.

Anamboarana fotodrafitrasa, ny sekoly, ny fandriam-pahalemana, ny hopitaly sy fitsaboana maro samihafa.

Izany hoe raha miasa 5 andro, alatsinaina hatramin'ny zoma ny olona iray, dia ny telo andro amin'iny, ny alatsinainy, ny talata, ny alarobia dia miasa omena ny mpitondra ho tantanany ny vola azo, ary ny alakamisy sy ny zoma ihany no ajaran'ny mpiasa omeny ny tokatrano velominy.

Samia ary manara-maso ny koti kota nataony ampandehanana ny fiainam-pirenena, fa tsy ny Hetra naloanao no lokoina amin'ny volon'akanjon'ny mpitondra ilazany fa nahavita be tamin'ny firenena izy, satria ny 60% n'ny volanao sy ny hatsembohanao no omenao ny mpitondra ho tantaniny sy laniany.

Mirary soa e.
Patrick

(Misaotra ny Tranokalan'ny Direction des douanes fa maro ireo fanazavana hita ao)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.