Moine sy Karmelita: Maninona no mitoka-monina, inona no asany?

  • samedi, 07 septembre 2019 12:55
  • Super User
  • Sary Abbaye de Solesmes France

Eo anivon'ny Fiangonana Katolika, dia misy ireo mopera, frera, masera mitoka-monina, anisan'izy ireo ry masera Karmelita notsidihan'i Papa Fransoa teny Ampasanimalo anio sabotsy 07 septambra 2019.

Inona tokoa moa izy ireo, nahoana no mitoka-monina ary manao inona?

Maro ny fikambanan-drelijiozy lahy na vavy izay manokan-tena ho an'Andriamanitra, ary nisafidy ny hitoka-monina hiala tanteraka amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina an-davanandro.

Tsy miara-toerana ny lahy sy ny vavy, samy manana ny kongregasiona misy azy. Toa an'ny Carmes ny lehilahy ary Carmelites ny an'ny vehivavy, izay ry Thérèse d'Avila no namorona azy. Misy koa ny Bénédictins, sy ny Bénédictines, izay Saint Benoit no nanangana azy.

Ny lehilahy matetika henontsika ny hoe Moine na Abbaye, izay manana Abbé ny lehibehiny (Abbé = Père), izay monastère no fiantsoana ny toerana misy azy. Samihafa amin'ny Couvent, izay azon'ny rehetra tsidihina, fa ny Monastère dia mikatona ho an'ny ety ivelany.

Efa tany amin'ny taon-jato faha II taorian'i Kristy no nahitana io tranga io. Tamin'izany dia nenjehina ireo nampiely ny Vaovao Mahafaly nentin'i Jesoa Kristy. Maro ihany koa ny fianaky ny fahalovana teo amin'ny fiaraha-monina, ka dia nisitaka tany amin'ny dezera ireo olona sasany hiataka amin'ny fiaraha-monina hivavaka sy ahita an'Andriamanitra. Tany Egypte, raha ny tantara no nahitana maro io tranga io.

Taty aoriana anefa, hita fa mety hanimba ny maha olona ny fitokana-monina tanteraka, ary tsy hitondra vokatsoa ho an'ny Fiangonana, dia nitambatra ho communauté iray izy ireo. Izany hoe miara-monina vitsivitsy fa tsy miaraka amin'ny maro.

Ny tantaran'ny Fiangonana ihany koa dia nandalo lalan-tsarotra maro, ary tonga hatrany amin'ny fampiasan-kery sy ady ary fifandonana ara-tafika mihitsy ny fampielezana ny tenin'i Kristy. Nisy vanim-potoana teo amin'ny tantara ny mpitondra fivavahana Katolika, dia nandray anjara mavitrika tamin'ny fitondran'ny mpanjaka, ka dia namorona andian-tafika mihitsy hiaro ny fivavahana Katolika.

Ny Moine ireny, dia anisan'ny miaramila andian-tafika tamin'izany, ary dia niady nandray sabatra mihitsy. Manamarika izany ny ankajo, ny lokony, ary ny trano hipetrahan'izy ireny, miloko volo-tany sy misitrika, satria nisy ny ady anaty akata, sy ny ady tany ambanin'ny tany, nanamboatra zohy fihafenana, sy fanafihana.

Nivoatra hatrany anefa ny tantaran'ny Fiangonana Katolika, ary ny mpitondra nifandimby nahatsapa fa ilaina ny fisarahan'ny Fiangonana sy ny fitondrana. Ary tsy ny sabatra no entina ampielezana ny tenin'Andriamanitra, fa amin'ny alalan'ny Teny sy ny fandresen-dahatra ary ny asa sy ny vavaka.

Ka dia nijanona teo ny maha miaramila ireo Moine, fa ny fomba sy ny discipline rehetra kosa dia mbola mamindra toy ireny miaramila ireny hatrany.

Inona no ataony?

Mivavaka ho an'ny Fiangonana, ho an'ny Firenena, ary ho an'izao tontolo izao izy ireny, na ny lahy na ny vavy. Isaky ny adiny 3 farafahakeliny ny vavaka ataony, ary mifoha na andro na alina.

Misahana ihany koa ireo asa-tanana izy ireo, mamboly, miompy, mandrafitra. Ohatra amin'izany, ny Karmelita no manamboatra ireny Kominio ampiasain'ny Fiangonana ireny, ry mopera any Maromby Fianarantsoa na ny tao Soamandrakizay kosa no mamboly voaloboka anamboarana ireny divay "Bon père" anaovana lamesa ireny.

Eny misy amidy ety ivelany ny asan'izy ireny amelomany ny fikambanana, ary anampiana ireo mahantra.

Any amin'ny toerana sasany, toa ny any Vatican, dia ireo Moine ireo no mitantana ny centre informatique sy ny service de renseignement rehetra, mitantam-bola n'ny Fiangonana, manao ny fikarohana, recherche biblique, izay vokatra avy amin'ireo no ampiasain'ny katekista sy ny pretra ety amin'ny Paroisse maneran-tany.

Misy amin'ireo Moine ireo no manao fikarohana ara-politika na ara-zeostratezika, akan'ny Papa hevitra amin'ny fifandraisana eran'izao tontolo izao.

Tsy olona manari-tena, na vadindry mopera teraka afenina akory ireo izany, na gadra, fa olona manana ny maha izy azy tokoa.

Raha ny Carmel ao Mahajanga manokana izao, dia misy manana doctorat, ary tena masera mahay ny maro ao. Toy izany koa ny any Fianarantsoa.
Misy ireo masera tena tsara tarehy, tsy olona tsy nahita vady izany, fa tena safidy hanokan-tena ho an'Andriamanitra sy ny Fiangonana.

Ahoana ny fifandraisany amin'aty ivelany?

Azo atao ihany ny mamangy azy ireo, misy lamesa isan'andro any amin'ireny toerana ireny, ry zareo kosa mitokana, ao ambadiky ny rindrina, na voasaraka grillage. Misy ny solotenany mivoaka aty ivelany, mety hitantsika ireny manao rebareba sy sarondoha volo-tany ireny, izy ihany koa ny mampifandray ny ao anatiny amin'ny mpikambana ao.

Manana statut juridique manokana ireny toerana ireny. Toa ny any Frantsa, dia tsy azon'ny miaramila na polisy idirana mihitsy ny Monastera, efa fangatahana fahazoan-dalana goavana vao afaka hiditra any.

Hanafenana olon-dratsy ve ireny toerana ireny?

Ny tantara no nametraka, fa izay olona mangata-bonjy aminy dia omeny, tsy anontaniany akory, ry zareo rahateo tsy miresaka na izy samy izy aza, ny momba anao, fa dia omeny ny famonjena anao ianao. Ny lehibe kosa no mandray ny fanampahan-kevitra arakaraky ny zava-misy eo aminao.

Matetika mandeha amin'ireny Monastera ireny aho, ary ny mahavariana, dia indray andro tsy miteny ihany ianao, dia avy dia mahatakatra sy mahafantatra ny tian'ireo miara-monina aminao ny tiany ambara.

Rehefa misakafo dia tsy misy miteny, fa teraka ho azy ny fijerenao ny manodidina anao, diso ny eritreritra hoe fitiavan-tena ny hamonjy ny fanahin'ny tena fotsiny no hitokanana, fa rehefa mangina tsy miteny ianao, dia vao maika mahita ny tenanao sy ny tenan'ny hafa sy ny filany ihany koa.

Feno fanetren-tena izy ireo, ka ny lehibe mihitsy no manasa ny tananao, izay sakafo sahaza ny vatana ihany no ho anina fa tsy mihinana ankoatr'izay, omena ny hafa ny androatokon'ny ananana.

Toerana mandray mpanao la retraite na fandinihan-tena izany ireny monastera ireny, manampy tanteraka amin'ny fandinihan-tena ny vavaka sy ny fahanginana, izay toerana hiaonana amin'Andriamanitra, lavitry ny tabataba sy ny olana ety amin'ny fiaraha-monina.

Raha misy zava-dehibe hatrehana eo amin'ny fiainana dia toerana iray manampy amin'ny fandinihana amin'izany ireny toerana ireny, misy ny toerana fandraisam-bahiny amin'izy ireny. Tsy voatery hanaraka ny fifohazana alina hivavaka kosa raha vahiny, fa misy kosa fepetra arahina, indrindra momba ny fahanginana.

Tsy nahagaga izany io safidy nataon'i Papa Fransoa hiaona amin'ny Karmelita androany io, satria izy rahateo dia Jésuite, izany hoe manokan-tena nanao voadin'ny fahatrana, ka ny fanananao iray manontolo dia omena ny Fikambanana sy ny mahantra avokoa.

Mirary soa.

Patrick

(Sary Abbaye de Solesmes France)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.