Sambava : Fihaonan'ny Depiote Jack sy ireo mpandraharaha lavanila
- samedi, 09 janvier 2021 18:17
- Sary Gasypatriote Sambava
Tontosa omaly ny fihaonan'ny Depiote Mamangy Norbert na Jack tamin'ireo mpandraharaha lavanila ato amin'ny faritra SAVA. Niisa 84 ireo namaly ny antso, ny sasany nandefa solontena.
Tonga nanotrona azy ny solombavambahoaka namany Atoa Ange Richard.
Nafana ny adihevitra tao anatin'ny adiny telo mahery, tao amin'ny Resto Grille Capricorne Ampandrozonana.
''Atsaharo ny ampihimamba ataon'ireo orinasa vitsy kely akaiky ny fitondram-panjakana fa mamono ity seha-pihariana lavanila ity. Foano ny prix de référence 250 dollars. Aty amin'ny faritra no fanomezana ny agrément fa tsy any Antananarivo, satria aty no mahay ny tena mpandaharaha manao io lavanila io'', hoy ny lahateny nisongandina nataon'ny depiote Jack.
Mankahery an'ity solombavambahoaka ity ireo mpivory hanohy ny fitakiana, ary miantso azy hiakatra amin'ny dingana ambonimbony, ary hanohy ny fanaovana tatitra amin'ny vahoaka fa maty loatra antsika ty e, hoy ireo mpivory.
Lavanila io no foto-pivelomana iray iainan'ny mponina aty amin'ny faritra SAVA.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://sobikamada.com/index.php/economie/item/25435-sambava-fihaonan-ny-depiote-jack-sy-ireo-mpandraharaha-lavanila.html#sigProGalleriacbbae24cfe
Dans la même catégorie
Article précédent
Plan Emergence MadagascarLaissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.