Voka-bary teto Madagasikara : Nahatratra 4 680 630 taonina tamin’ity taona 2020 ity

  • vendredi, 20 novembre 2020 09:54
  • Sary : MAEP

Nahatratra 4 680 630 taonina ny voka-bary teto Madagasikara tamin’ity taona 2020 ity raha 3 722 304 izany tamin’ny taona 2015.

Anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’izany fampiakarana ny famokarana izany ny PAPRIZ, tetikasan’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono (MAEP) tohana’ny JICA (Japan International Cooperation Agency), izay manatsara ny famokaram-bary sy ny fitantanana ny sahandriaka sy ny lemaka voatondraka.

Faritra 11 no niasan’ny Papriz 2. Hiitatra amin’ireo Faritra 22 ny tetikasa amin’ny andiany fahatelo hoy ny Talen’ny Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra nandritra ny famaranana ny tetikasa Papriz 2 ny Alarobia 18 Novambra 2020 tao amin’ny Hotel Colbert.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.