Trano fiantohana : MAMA mora fa tsy mandoa vola

  • mardi, 17 novembre 2020 08:45

Mila jerena ity trano fiantohana ity, tena mora tokoa izy, ary lasa any avokoa ny ankamaroan'ny fiara mpitatitra na ireo fiara tsotra maro.

Lasa taratasy hialàna Polisy sy Zandary fotsiny anefa izany, fa ny tena olana, dia ny trano fiantohana miantoka ny fiara diso no mandoa ny vola ho an'ny trano fiantohana ho an'ilay fiara voadona, na olona tradoza.

Ny MAMA anefa tsy mandoa vola ka tsy mety andoa vola ihany koa ireo trano fiantohana hafa.

Asa iza no ministera misahana azy ity, fa manimba ny asa fiantohana ny fisian'ny trano fiantohana tsy mandoa vola toy izao.

Dia tratran'ilay hoe, aza mba MAMA ihany ny assurance n'ny adve fa miala maina.

Tsy misorona
Patric

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.