Faritra Atsinanana: Tetik’asa AGRICOOP

  • dimanche, 05 juillet 2020 15:50
  • Sary nomena

Tafiditra ao anatin'ny tanjona ifantohan’ny faritra Atsinanana amin’ity taom-piasana 2020 ny sehatry ny fambolena.

Ny tetik’asa AGRICOOP no anisan’ny lohalaharana amin’ny fameloman’aina ny seha-pamokarana BIOLOJIKA. Vina sy fanamby lehibe no apetraky ny faritra mirahavavy NORMANDIE (Frantsa) sy ATSINANANA, mametraka drafi-piarahamiasa anatin’ny tontolon’ny COPERATION DECENTRALISEE.

Singa ihany ny AGRICOOP raha ny sehatry ny fampiroboroboana ny fambolena anatin’ity seha-piarahamiasan’ny faritra roa tonta no resahina.
Ny tanjon’ny tetik’asa AGRICOOP, raha fintinina, dia ny fampivoarana ny famokarana, famarotana ary fanondranana ny voankazo (fruits) sy ny hanitra (épices) vokarina ato anatin’ny faritra Atsinanana, mba hahazo vahana izany eo amin’ny sehatry ny « Commerce Equitable ».

Vokatry ny ezaka natao taona vitsivitsy izay, efa mipetraka ny tambazotra sy vovonana isitrahan’ny mpamokatra mpikambana anaty koperativa an’io varotra azahoan-tombony sady tsy mamono antoka ny mpamokatra io. Mivondrona anatin’ny RCC na Réseau du Commerce Equitable ireo Koperativa avy eto Atsinanana sy Analanjirofo toy ny FANÖHAGNA, MITSINJO, MAGNEVA, PAACO, KOVAPAMINA, mba ahafahan’ny tetik’asa mampahomby ny fiahiana sy fampahafantarana azy ireo.

Anisan’ny asan’ny Komity mpitarika ny AGRICOOP, ny mikarakara fihaonana hampifandraisana ireo mpian-tsehatra rehetra, ka notanterahina tamin’ity herinandro ity ny andiany faha-5 amin’izany « unité de liaison » izany.

Ny AVSF na Agronomes & Vétérinaire Sans-Frontière moa no mpanatanteraka an’ity tetik’asa ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.