Menaka fihinana: Ilay tataon-ketra 21% nataon’ny Fanjakana no nampiakatra ny vidiny

  • mardi, 24 septembre 2019 22:19
  • Sary nindramina

Mimenomenona ny mpanjifa manoloana ny fidangan’ny vidi-menaka fihinana tato ho ato. Nilaza ny orinasa HITA (Huilerie Industrielle de Tamatave), iray amin’ireo mpamokatra menaka fihinana eto Madagasikara, fa efa herintaona no tsy niovana fa 3200 Ariary ny litatry ny menaka vokarin’izy ireo, ary tsy mbola mieritreritra ny hampakatra vidi-menaka fihinana ny orinasa amin’izao fotoana izao.

Niaiky ny Fanjakana fa nisy fiantraikany tamin’ny vidin’entana ilain’ny olona teny an-tsena ny politika nampiharina ho fiarovana ireo entana vokarika ato anatiny, toy ny savony, paty, dibera, menaka fihinana, menaka ho an’ny fiara, izay notataovana hetra 19% ka hatramin’ny 34% ; tatao 21% ho an’ny menaka fihinana. Fanapahan-kevitra nihatra nanomboka tamin’ity volana septambra 2019 ity.

Niverina tamin’ny heviny ny Fanjakana manoloana ny fimenomenoman’ny olona noho ny fiakaram-bidin’ny entana ilainy andavanandro, ka dia nofoanana ireo tataon-ketra ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.