Lakandranon'ny Pangalanes: Hajariana ho azo ifamoivoizana

  • samedi, 14 septembre 2019 21:58
  • Sary nindramina

Ny taona 2016 nandritra ny nampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriamben’ny Frankôfônia no niresahana ny hanajariana iny lakandranon'ny Pangalanes iny. Naneho ny fahavononany hanome tanana ny Malagasy tamin’izany ry zareo Maraokanina.

Liana ny hanao asa fihariana mikasika ny fizahantany sy fampiantranoana manamorona iny lakandrano iny rahateo ny mpandraharaha Maraokanina, ankoatra ny fanamboarana hopitaly ho an'ny Reny sy zaza ao Antsirabe ary koa ny fanofanana ara-teknika. Enim-bolana no nambara tamin’izay fa hanaovana ny fanadihadiana mialoha ny asa, mikasika io lakandrano io.

Septambra 2019, natomboka ny asa fanajariana ny lakandranon'ny Pangalanes. Miompana indrindra amin’ny fanalana ireo fasika manentsina ny lakandrano ny asa lehibe mba ho azo ifamezivezen'ny lakana sy sambo mpitatitra olona, sy vokatra ary entana ny lakandranon'ny Pangalanes.

Tonga teto Toamasina tamin’ny fisantarana izany asa izany, androany, ny filoha Andry Rajoelina sy Andriamandranto Joël, minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro. Hanara-maso ny fifamoivozana amin'ity lakandrano ity ny Zandarimaria.

Toamasina - Vatomandry  ;  Mananjary – Nosy Varika, ireo no ampahany tena misy mampiasa amin’ny fitaterana manaraka ny lakandranon'ny Pangalanes amin’izao. Ezahina hovitaina hatramin’ny faran’ny taona ny asa fanajariana natomboka ofisialy androany, ka hipaka hatrany Mananjary.

Tamin’ny taona 1896 ny jeneraly Joseph Gallieni no nanome baiko ny hanamboarana ny lakandranon'ny Pangalanes, mampifandray an’i Foulpointe amin’i Farafangana. Naharitra valo taona ny asa, vita tamin’ny 1904 ary mirefy 665 km ny halavany.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.