Economie
-
- mardi, 19 janvier 2021 17:44
- Sary nindramina fampihaingoana
Kapoaka manaram-penitra : Hamboarina any Toamasina
Orinasa lehibe iray any Toamasina no fantatra fa nomena ny tolotra amin’ny fanamboarana ilay kapoaka famaram-bary manaram-penitra (réglémenté) kasain’ny fitondrana haparitaka eto Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana. Mety misy fifandraisany amin’izany angamba ny anton-dian’ny filoha Andry Rajoelina any an-toerana amin’ity herinandro ity.Namana akaikin’ny tomponandraikitra ambony no tompon’ny orinasa nomena ny tolotra. Niala maina kosa ireo mpisehatra madinika efa havanana amin’izany ao Antananarivo sy any amin’ny toeran-kafa.Kinga amin’ny fanitsiana ireny fitaovam-pandrefesana toy ny mizàna tsy lany fitsaràna sy ny famoronana azy ireny ny mpisehatra madinika.Lire la suite ... -
- lundi, 18 janvier 2021 13:05
Contrat Loon Inc - Aviation Civile de Madagascar
Contrat Loon Inc - Aviation Civile de Madagascar (Voir Photo Suite)Lire la suite ... -
- jeudi, 14 janvier 2021 12:58
Toliara : Sambo mitondra vary 12 075 taonina tsy tafiditra seranana noho ny fifanolanana
Mihitsoka ny varin'ny be vola. Fifanolana eo amin’ny tompon’ny sambo (armateur) sy ny mpanera (consignataire) no tsy mahatafiditra an-tseranana ny sambo Panameana “SALLIZAR FORTE” mitondra vary 12 075 taonina tokony hampidinina ao Toliara. Avy nanatitra vary 12 000 taonina tao Toamasina io sambo io no niazo an’i Toliara. Efa hatramin’ny 06 janoary 2021 no miandry fotsiny eny afovoan-dranomasina, saingy mihitsoka noho io fifanolanana amin’ny tompon’ilay sambo sy ny mpanofa azy io. Ny orinasa OCEAN INTERPRISE no tompon’ny vary. Karana, mpandraharaha, ao Toliara kosa no tokony handray ilay vary 12 075 taonina. Araka ny loharanom-baovao, dia tsy misy idiran’ireto farany ny tsy iantsonan’ilay sambo ao amin’ny seranana.Lire la suite ... -
- samedi, 09 janvier 2021 18:17
- Sary Gasypatriote Sambava
Sambava : Fihaonan'ny Depiote Jack sy ireo mpandraharaha lavanila
Tontosa omaly ny fihaonan'ny Depiote Mamangy Norbert na Jack tamin'ireo mpandraharaha lavanila ato amin'ny faritra SAVA. Niisa 84 ireo namaly ny antso, ny sasany nandefa solontena. Tonga nanotrona azy ny solombavambahoaka namany Atoa Ange Richard.Nafana ny adihevitra tao anatin'ny adiny telo mahery, tao amin'ny Resto Grille Capricorne Ampandrozonana. ''Atsaharo ny ampihimamba ataon'ireo orinasa vitsy kely akaiky ny fitondram-panjakana fa mamono ity seha-pihariana lavanila ity. Foano ny prix de référence 250 dollars. Aty amin'ny faritra no fanomezana ny agrément fa tsy any Antananarivo, satria aty no mahay ny tena mpandaharaha manao io lavanila io'', hoy ny lahateny nisongandina nataon'ny depiote Jack.Lire la suite ... -
- jeudi, 07 janvier 2021 11:27
Plan Emergence Madagascar
Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.Lire la suite ... -
- jeudi, 31 décembre 2020 19:05
Toekarena : Mbola anaty « chômage technique » ny 15%-n’ny orinasa eo anivon’ny GEM
Orinasa maro no mbola misedra fahasahiranana taorian’ny fisian’ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara. Ny 15%-n’ireo orinasa mivondrona eo anivon’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) no mbola anatin’ny « chômage technique » amin’izao.Lire la suite ... -
- vendredi, 18 décembre 2020 13:17
- Sary MICA
Tsenabe 4M : Misongadina amin’ity andiany voalohany ity ny fampiasana ny teknolojia vaovao
Tanterahina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato nanomboka ny 17 Desambra 2020, ary hitohy hatramin’ny 20 Desambra ho avy izao ny Tsenabe 4M, na Madagasikara Mijoro-Miray hina-Mifaly, izay hetsika goavana mampivoitra karazana sampam-pamokarana maro hatramin’ny fisian’ny valan'aretina Covid-19. Hasongadina manokana amin’ity andiany voalohany ity ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny alalan’ny fisian’ireo « webinaires » miaraka amina mpandraharaha efa matihanina manerana izao tontolo izao manodidina ireo lohahevitra misahana ny haitao vaovao. Ankoatra ireo dia hisongadina manokana ihany koa ny fampiroboroboana ny vokatra Vita Malagasy sy ny fandraharahana eo amin’ny tanora ho famelomana indray ny toekarena eto amin’ny firenena. (Jereo Sary Tohiny)Lire la suite ... -
- vendredi, 18 décembre 2020 13:03
Toekarena manga : 103 000 taonina isan-taona ny trondro voajono amin’ny fomba tsy ara-dalàna eto Madagasikara
Misy ankehitriny ny famolavolana drafitra hiarovana ny morontsirak'i Madagasikara amin'ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehy - ary amin'ny fampiroboroboana ny toekarena manga an'i Madagasikara.Lire la suite ... -
- jeudi, 17 décembre 2020 19:53
- Sary nomena
Tetikasa MIONJO : 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena
Notanterahina androany 17 desambra 2020, tao amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny tetikasa MIONJO. Ny tetikasa MIONJO dia hiompana amin'ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra, indrindra ny fahazoan'ny vahoaka misitraka rano fisotro madio, any amin'ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana. Ny tanjona dia hahafahan'ireo mponina any Atsimo hanana foto-pivelomana maharitra mba hahaleo tena ary handray anjara amin'ny fampandrosoana maharitra. Laharam-pahamehana amin'ity tetikasa ity moa ireo vehivavy sy ireo tanora. (Jereo Sary Tohiny)Lire la suite ... -
- mercredi, 16 décembre 2020 09:22
- Tahirin-tsary nindramina
Hetra : Niakatra ny pantanty aloan'ireo fiara karetsaka
Raha tsy niasa efa nihoatra ny 7 volana ireo fiara karetsaka noho ny hamehana ara- pahasalamana, dia hatairana ny an'ireo tompona fiara karetsaka, fa fisondrotana pantanty indray no niandry azy ireo, nefa nanantena ny fanalefahana ny hetra alaina noho ny 7 volana tsy niasana.Lire la suite ...
Page 1 sur 73