Mpanakanto : Tapa-tongotra teo ampilalaovana baolina i Dadi Love

  • mercredi, 11 novembre 2020 10:39
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Teo amin’ny kianja CAPJI Maroantsetra no nitranga ny ratra nahazo an’i Dadi Love, ny harivarivan’ny talata 10 novambra 2020, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana nifanaovan’ny tarika mpihira isany Les Robert sy ny ekipa Dadi Love.

Teo am-pitondrana baolina samy irery iny indrindra i Dadi Love no nianjera tampoka ary naratra. Tapaka eo amin'ny feny havana. Efa nahazo fitsaboana izy tao Maroantsetra ary mety halefa tsaboina any Mahajanga.

Ao anatin’ny fitetezam-paritra any Analanjirofo ny tarika Dadi Love no izao tratry ny tsy fahasalamana izao. Manana sehatra izy anio sy amin’ny alahady ho avy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.